Andriamanitra ao amin' ny bahaisma

Avy amin'i Wikipedia

Andriamanitra, ao amin' ny bahaisma, dia tokana sy mandrakizay ary mpamorona ny zavatra rehetra, isan' izany ny zavaboary sy ny hery eto amin' izao tontolo izao. Mino ny mpanaraka ny finoana bahay fa tsy voafetran' ny fotoana sady tsy manam-piandohana sy fiafarana Andriamanitra. Amin' izy ireo dia "manan-tsitrapo manokana nefa tsy azo fantarina, tsy takatry ny saina, loharano nipoiran' ny fanambaràna rehetra, mandrakizay, mahalala ny zava-drehetra, manatrika amin' ny toerana rehetra ary mahefa ny zava-drehetra Andriamanitra". Na dia tsy takatra mivantana aza Andriamanitra dia mahazo an-tsaina ny zavatra noforoniny izy, ka sady manana tanjona no manana sitrapo.

Mino ny Bahay fa manambara ny sitrapony amin' ny fomba maro Andriamanitra, ohatra amin' ny alalan' ny hafatra maro misesy atao hoe "Fisehoan' Andriamanitra" (maẓhar-i ilāhī) na indraidray atao hoe mpanabe araka an' Andriamanitra. Ireo "fisehoan' Andriamanitra" izay manambara ny fikendreny ireo dia ampiasaina hanorenana ny fivavahana eto amin' izao tontolo izao. Milaza ny fampianarana bahay fa lehibe loatra Andriamanitra ka tsy mety ho azon' ny olombelona amin' ny alalan' ny sary feno sy mazava tsara.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]