Andriamanitra ao amin' ny sikisma

Avy amin'i Wikipedia

Ny Andriamanitra ao amin' ny sikisma dia Andriamanitra tokana Faratampony, tsy manam-petra, mandrakizay, mpamorona, anton' ny anton-javatra rehetra, tsy manam-pahavalo, tsy misy fankahalana, izay sady ato amin' izao tontolo izao no ao ivelany sy mihoatra azy. Atao hoe Goró Faratampony izany Andriamanitra izany. Ao amin' ny zavatra rehetra hatramin' ny farany bitika izy, araka ny fanehoana am-pamantarana azy amin' ny alalan' ny Ik Onkar.

Izao no filazalazana momba an' Andriamanitra ao amin' ny Mul Mantar (penjaby: ਮੂਲ ਮੰਤਰ), izay andalana voalohany ao amin' ny Guru Granth Sahib (penjaby: ਗੁਰੂ ਗ੍ਰੰਥ ਸਾਹਿਬ):

ੴ ਸਤਿ ਨਾਮੁ ਕਰਤਾ ਪੁਰਖੁ ਨਿਰਭਉ ਨਿਰਵੈਰੁ ਅਕਾਲ ਮੂਰਤਿ ਅਜੂਨੀ ਸੈਭੰ ਗੁਰ ਪ੍ਰਸਾਦਿ ॥

Vakiny: /ikk ōankār sat(i)-nām(u) karatā purakh(u) nirabha'u niravair(u) akāla mūrat(i) ajūnī saibhan(g) gur(a) prasād(i)/.

Dikany: "Tokana Andriamanitra, fahamarinana izy, misy ao amin' ny voary manontolo, tsy manan-tahotra, tsy mankahala, tsy voafetran' ny fotoana, manerana ny zavatra rehetra sady misy amin' ny alalan' ny tenany! Avy hahafantatra azy amin' ny fahasoavan' ny Goró ianao."[1]

Ny mpino siky dia panenteista: mino fa ao anatin' Andriamanitra izao rehetra izao ary Andriamanitra dia miely amin' ny faritra tsirairay amin' izao rehetra izao, mino koa fa tokana Andriamanitra izay sady mpamorona sy mpitahiry ary mpandrava, tsy lahy tsy vavy. Izay rehetra tsapantsika dia sarisary fotsiny fa Andriamanitra irery no hany zava-misy marina sady mandrakizay, tsy manana endrika, tsy nisy namorona, sady ato amin' izao tontolo izao no ivelany sy mihoatra izao tontolo izao. Mahefa ny zavatra rehetra, mpanao ny tsara rehetra Andriamanitra.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Loharano sy fanamarihana[hanova | hanova ny fango]

  1. Dikan-teny malalaka