Doalhija

Avy amin'i Wikipedia

Ny Doalhija dia volana faharoa ambin' ny folo ao amin' ny tetiandro mozilmana. Ny fanaovana fivahiniana masina (arabo: حَجّ / hajj) any amin' ny tanànan' i Meka mandritra ny folo andro voalohany no manamarika io volana io. Iray amin' ireo volana masina efatra ny Doalhija, ka ny efatra hafa dia ny Moharamo sy ny Rajabo ary ny Doalkida. Volana farany amin' ny taona ny volana Doalhija. Ny volana Doalkidà no eo alohany fa ny volana Moharamo, izay volana voalohany amin' ny taona kosa, no manaraka azy.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]