Ayatollah

Avy amin'i Wikipedia
Ny Ayatollah Lehibe Qom

Ny ayatollah dia iray amin' ny anaram-boninahitra ambony indrindra omena ny mpikambana ao amin' ny fitondram-pivavahana siita (mullah na mollah). Tsy toy ny fitondram-pivavahana sonita, ny fitondram-pivavahana siita dia tena misy ambaratongam-pahefana. Ny ayatollah dia mpitarika sy manam-pahaizana momba ny finoana silamo eo amin' ny sehatry ny didy zary lalàna, ny etika, filôzôfia na ny mistisisma. Amin' ny teny arabo izany dia soratana hoe آية الله fa amin' ny teny persana kosa dia آیت‌الله, izany midika ara-bakiteny hoe "famantaran' Andriamanitra". Matetika izy ireo no mampianatra any amin' ny sekoly islamika (hawza). Ny ayatollah sasany dia manao satrka miendrika fehiloha mainty (indrindra ao amin' ny Tontolo Arabo sy ny Tontolo Persiana) na maitso, izany dia manondro ny toerany amin' ny maha sayyid azy, izany hoe amin' ny maha taranak' i Mohamady azy amin' ny alalan' ny zanany vavy Fatima, vadin' i Ali, izay imam voalohany tao amin' ny Siisman' ny Roambinifolo. Ny ayatollah hafa dia manao an' io satroka io fa fotsy.

Ny hoe "Ayatollah" ihany koa no anaram-bositra iantsoana an' i Ahmed Abdallah Mohamed Sambi.