Etika

Avy amin'i Wikipedia

Ny etika dia sampan' ny filôzôfia mandalina ny fitsarana ara-môraly ka tena mifanakaiky amin' ny an' ny môraly. Mitovy zava-dinihina aminy ny filôzôfia môraly ka matetika ampitovina aminy. Fieritreretana fototra ho ao amin' izay rehetra atao hoe vahoaka izany mba hametrahana ny fitsipika ao aminy sy ny fetrany ary ny adidiny. Any amin’ ny firenana laîka, ny etika dia mifamatotra akaiky amin’ ny filôzôfia pôlitika izay fototra iorenany, nefa azo ampifandraisina amin’ ny kolontsaina, ny fivavahana, ny finoana ary ny fanao sy fahalalana ifandovana ao amin’ ny firenena iray, na vondrona ara-piarahamonina iray, na lamin-drafitra ara-poto-kevitra iray koa ny etika.

Ho an' ny filôzôfa toa an' i Aristôty na i Kant, ny etika dia mikendry ny hamaritra izay "tokony ho izy". Ny etika dia manolotra fanambaràna milaza fenitra na mandidy na manombana.

Ny etika dia ahitana sehatra fampiharana maro toy ny etika nôrmativa izay mahakasika indrindra ny foto-kevitra momba ny tsara izay ampitaina amin' ny alalan' ny rijan-kevitra momba ny rariny ara-piarahamonina sy ny foto-pampianarana toy ny otilitarisma (maniraka hanao na mandrara tsy hanao), ny egalitarisma (fitovian' ny olom-pirenena ara-pôlitika sy ara-tokarena ary ara-tsôsialy) ary ny libertarianisma (fahalalahana ara-toekarena sy fanjavonan' ny fanjakana), sns. Manaraka izany, ny etika fampiharana na ny etika deôntôlôjika dia mahakasika ny fampiharana ny foto-pitsipika ara-môraly. Ny etika manoritsoritra sy mampitaha dia momba ny famaritana sy fampitahana ny fehezam-pitsipi-pitondrantena samihafa, fa ny meta-etika kosa dia liana amin' ny tena dikan' ny hevitra entin' ny etika toy ny tsara, ny ratsy, ny marina, sns.

Ny fandinihana ao amin' ny sehatry ny etika dia afaka mifantoka amin' ny hetsika natao, ka resahina noho izany ny etika momba ny hatsaran-toetra, na amin' ny vokatry ny hetsika toy ny ataon' ny kônsekasialisma (fitsarana môraly mifototra amin' ny vokatry ny natao). Ao anatin' ny fiarahamonina anatin' ny fanatontoloana sy ahitana ny sokajin' olombelona rehetra izay misy etika maro samy hafa miara-misy, ny fomba fiasa amin' izao fotoana izao amin' ny fanaovana etika noho izany dia ahitana ny fitadiavana fifandanjana voahevitra, araka ny filazan' i John Rawls.*

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]