Imam

Avy amin'i Wikipedia
Imam tao Ndiawar (Senegaly), tamin' ny taona 2007.

Ny imam dia ilay olona mitarika ny vavaka iombonana ao amin' ny môske isaky ny andro Zoma ataon' ny mpino silamo. Izany olona izany dia tsaratsara kokoa raha nahita fianarana momba ny fombafomba sy ny fanao isan' andro ao amin' ny fivavahana silamo. Atao hoe إمام / imām izany amin' ny teny arabo fa امام / emām kosa amin' ny teny persana, izay samy midika hoe "mpitari-dalana", "mpialoha lalana". Samy manana ny fiheverany ny imam ny sampana maro ao amin' ny fivavahana silamo.

Ao amin' ny silamo sonita[hanova | hanova ny fango]

Amin' ny Sonita, ny imam dia ny mpino mitarika ny vavaka iombonana. Azo ampitahaina amin' ny asan' ny pastora na mpitoriteny prôtestanta ny asan' ny imam. Koa satria tsy misy ambaratongam-pahefana eo amin' ny samy mpitondra fivavahana ao amin' ny vondrom-piarahamonina sonita, ny imam - farafaharatsiny ara-keviny - dia olon-tsotra nofidin' ny namany ho amin' io andraikitra io noho ny fitiavam-bavaka sy ny fahalalana ara-pivavahana mivelatra ananany. Tsy mihambo hanana fifandraisana manokana amin' Andriamanitra izy. Mety hesorina aminy anefa izany andraikitra izany raha tsy mahavita ny iraka ampanaovina azy izy.

Ao amin' ny silamo siita[hanova | hanova ny fango]

Ho an' ny Siita rehetra, ny imam dia tsy maintsy avy amin' ny foko koraisita (foko niavian' ny mpaminany Mohamady). Raha ny marimarina kokoa dia tsy maintsy taranak' i Ali (zanak' olo-mpiray tam-po sy vinantolahin' i Mohamady) sy i Fatima vadiny (zanakavavin' i Mohamady) izy, afa-tsy ny Kaisanita. I Ali sy i Hassan zanany lahy — ny imam roa voalohany amin' ny Siita — dia eken' ny hetsika siita maro anisa ho imam sy ho kalifa, ka izany dia manome azy roa ireo fahefana roa sosona: ara-panahy sy ara-pôlitika.

Ao amin' ny Sonita imamita sy ismaemliana[hanova | hanova ny fango]

Amin' ny Sonita mino ny fisian' ny imam roambin' ny folo (اثنا عشرية / Ithnā'ashariyya), matetika ny imam no mitondra ny anaram-boninahitra hoe mullah na ayatollah ary noho izany, ny hoe imam dia mahazatra kokoa ao amin' ny silamo sonita.

Ho an' ny Siita imamita (na Imamy) sy ny Siita Ismaeliana (na Ismaily), ny imam no mpitondra an' izao tontolo izao araka ny baikon' Andriamanitra. Mitana io andraikitra io izy satria notendren' ny teo alohany araka ny toromarik' Andriamanitra. Araka ny voalazan' ny Imamita sy ny Ismaelita, ny imam dia manana toetra tsy eken' ny Sonita amin' ny ankapobeny afa-tsy amin' ireo mpaminany, toy ny tsy fetezan-diso (isma) sy ny fahefana manao fahagagana ary ny fahalalana nomen' i Allah (ilm). Mino mantsy izy ireo fa ny Kor'any dia misy dikany miafina na ezôterika (batin), sady misy dikany miharihary na ivelany (zahir); noho izany dia mampiasa ny fitaovana famakafakana ny tawil izy ireo, izany hoe ny fandikana ny hevitra miafin' ny Kor'any, amin' ny alalan' ny fahalalana ananan' ny imam.

Ao amin' ny Sonita zaidita[hanova | hanova ny fango]

Mifanohitra amin' izany kosa ny an' ny Siita zaidita, izay mihevitra fa ny imam dia tsy nomena toetra ambonin' ny an' ny olombelona, ​​​​izy dia mpitarika tsara indrindra sy manam-pahaizana ara-pivavahana indrindra amin' ny androny: ny fahaizana sy ny fitiavam-bavaka ary ny fikatrohana ara-pôlitika ihany no afaka mampivelatra ny fahafahan' ny imam.