Tsy fetezan-diso (silamo)

Avy amin'i Wikipedia

Ny tsy fetezan-diso dia dôgma na teny finoana ao amin' ny finoana silamo, mahakasika ny mpaminanin' ny silamo rehetra. Ny finoana ny tsy fatezan-dison' ny imam sy ny anjely dia iray amin' ny toetran' ny silamo siitan' ny roa ambin' ny folo. Ny tsy fetezan-diso koa dia mifandray amin' ny mpanorina ny Almôhada na amin' ny ankapobeny amin' ny fiarahamonina mozilmana manontolo ao anatin' ny rafitry ny "marimaritra iraisana" - ijma. Amin' ny teny arabo izany dia atao hoe عِصْمَة / isma, izay midika hoe "izay iarovan ny tena amin' ny ratsy" na koa "fiarovana" na "fitahirizana".

Manana toerana manan-danja eo amin' ny finoana silamo ny mpaminany, toerana izay nivoatra rehefa nandeha ny fotoana. Ny dôgma momba ny tsy fetezan-dison' ny mpaminany, izay heverina fa tsy manota na oviana na oviana, dia nipoitra nanomboka tamin' ny taonjato faha-9, dia mifanohitra amin' ny soratra ao amin' ny Kor'any.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]