Famakafakana

Avy amin'i Wikipedia

Ny famakafakana na egzezezy (avy amin' ny teny grika hoe ἐξήγησις / eksếgêsis, "fanazavana"), amin' ny filôlôjia, dia fandalinana sy fitsikerana lahatsoratra. Ny tanjony dia ny hamantatra izay tian' ny mpanoratra holazaina amin' ireo mpamaky azy. Ny fikasana sy ny vontoatiny ary ny rafitry ny lahatsoratra dia tsy maintsy hazavaina ary atao ho azon' ny mpamaky.

Ny famakafakana malaza indrindra dia izay natao ho an' ny mpanoratra tamin' ny Andro Taloha, toa an' i Hômera, i Platôna, i Ôrigenesy na i Aristôty. Amin' ny fiteny andavanandro anefa dia ampiasaina eo amin' ny sehatry ny fivavahana io teny io, satria ny andinin' ny soratra masina, toy ny Baiboly sy ny Kor'any, dia iadian-kevitra kokoa noho ny hafa. Ny egzezezy koa dia azo ampiharina amin' ny fanakarana ny lahatsoratra momba ny lalàna.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]