Zaidisma

Avy amin'i Wikipedia
Sainan' ny Houthis, mifandray amin' ny foto-pampianaran' ny zaidisma

Ny zaidisma na zaidiah (avy amin' ny teny arabo الزيدية / az-zaydiyyah) dia iray amin' ireo sampana telo lehibe amin' ny silamo siita (ankoatry ny siisman' ny roa ambin' ny folo sy ny ismailisma) izay nipoitra avy amin' ny taonjato fahavalo taorian' ny fikomiana tsy nahomby nataon' i Zayd ibn Ali tamin' ny kalifa omeiada, izay manaraka ny fampianarin' ny imam Zayd ibn Ali, zafikelin' i Hussein sy ny zanak' i Ali ibn Hussein, ilay imam fahefatra. Ny zaidisma dia heverina ho sampan' ny silamo siita izay manakaiky indrindra ny sonita, na dia niova imbetsaka aza ny endrika klasikan' ny zaidisma (matetika antsoina hoe hadawi) nandritra ny taonjato maro, momba ny fampianarana sonita sy siita. hatrany amin' ny fiheverana ny maha siita ny zaidisma izay matetika mifototra fotsiny amin' ny faneken' izy ireo an' i Ali ho mpandimby ara-dalàna an' i Mohamady. Heverin' ny Zaidita ho zava-dehibe kokoa noho ny fandraisana ara-bakiteny ny Kor'any ny rasiônalisma ary taloha dia nandefitra tamin' ny safiisma sonita. Io no fivavahana arahin' ny antsasaky ny Iemenita. Tao Iemena no nanorenan' izy ireo fanjakana voalohany tamin' ny taona 890. Ny ankamaroan' ny Zaidita eran' izao tontolo izao dia any amin' ny tapany avaratr' i Iemena, ary ao amin' ny faritr' i Najran any Arabia Saodita.