Paganisma

Avy amin'i Wikipedia
Aller à la navigation Aller à la recherche

Ny paganisma, amin' ireo Kristianina voalohany tamin' ny taonjato faha-4, dia ny fivavahana rehetra tao amin' ny Empira Rômana izay nivavaka amin' andriamanitra maro (pôliteista), na fivavaham-poko ankoatry ny jodaisma. Avy amin' ny teny latinina hoe pāgānus izay midika hoe "ambanivohitra" na "tambanivohitra" sy taty aoriana "sivily" ny teny nogasina hoe paganisma. Tamin' ny andron' ny Empira Rômana, ny olona dia voasokajy ao amin' ny kilasin' ny Pagàna, noho izy ireo niha tambanivohitra sy niha mponin' ny faritany ivelan' ny renivohitra, raha oharina amin' ny mponina kristiana, na noho izy ireo tsy milites Christi ("miaramilan' i Kristy"). Ny sorona ara-pombafomba dia ampahany manan-danja amin' ny fivavahana grekô-rômana fahiny ary noheverina ho famantarana raha Pagàna na Kristiana ny olona iray. Ny paganisma dia nilazana indrindra ny "fivahan' ny tantsaha".

Nandritra ny Andro Antenatenany sy taorian' ny Andro Antenatenany, ny teny hoe paganisma dia nampiharina tamin' ny fivavahana tsy kristiana rehetra, ary noheverina ho manondro ny fivavahana amin' andriamani-tsy izy ilay teny.

Iadian-kevitra ny niandohan' ny fampiasana ny teny hoe pagàna hiazana ny pôliteisma. Tamin' ny taonjato faha-19, ny teny hoe paganisma dia noraisin' ireo vondro-mpanakanto isan-karazany izay naka aingam-panahy avy amin' ny Tontolo Taloha hanondroany ny tenany. Tamin' ny taonjato faha-20, dia nanjary nampiharin' ireo mpanaraka ny neôpaganisma sy ny hetsika neôpagàna ary ireo mpamerina indray ny pôliteisma ho famaritana ny tenany. Matetika ny fanao ao amin' ny paganisma môderina dia mampiditra finoana na fanao, toy ny fivavahana amin' ny zavaboary, izay tsy mitovy amin' ny an' ireo fivavahana lehibe indrindra eran-tany.

Ny fahalalana ankehitriny momba ny fivavahana sy ny finoan' ny Pagàna taloha dia avy amin' ny loharano maro, anisan' izany ny firahetana ny saham-pikarohan' ny antrôpôlôjia, sy ny zavatra hitan' ny arkeôlôjia, ary ny fitantaran' ireo mpanoratra fahiny momba ny kolontsaina fantatra tamin' ny Andro Taloha Klasika (taonjato faha-8 tak. JK. sy ny taonjato faha-6 taor. J.K.).

Ny ankamaroan' ny fivavavahana neôpagàna amin' izao fotoana izao dia maneho fomba fijery panteista, panenteista, pôliteista na animista an' izao tontolo izao, fa ny sasany dia mônôteista.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]