Hankany amin'ny vontoatiny

Iblisy

Avy amin'i Wikipedia
Sary tao amin' ny soratanam-piraketana persana ao amin' ny Tantaran' i Tabari maneho an' i Iblisy mandà tsy hiankohoka amin' i Adama izay vao noarîna

I Iblisy, izay fantatra ihany koa amin' ny hoe Shaitan, no dia ny Devoly mpitarika ny devoly hafa (shayāṭīn) araka ny finoan silamo. Atao hoe إِبْلِيسْ / Iblīs izy amin' ny teny arabo. Tamin' ny famoronana an' i Adama sy ny nampiankohofan' Andriamanitra azy eo anatrehan' i Adama no iresahana azy misimisy kokoa. Araka ny voalazan' ny Kor'any dia noroahina avy tany an-danitra i Iblisy rehefa tsy nety niankohoka teo anatrehan' i Adama. Ao amin' ny kôsmôlôjia sofy dia maneho ny voaly kôsmika izay heverina fa manasaraka ny endrika anatin' ny fitiavan' Andriamanitra sy ny fahatezeran' Andriamanitra mihoa-draha i Iblisy. Matetika izy no ampitahaina amin' i Satana ao amin' ny kristianisma, satria samy noroahina avy tany an-danitra izy roa ireo, araka ny fitantarana ara-pivavahana. Ao amin' ny maha-tompo mifehy ny fitaka kôsmika azy, araka ny sofisma, dia miasa amin' ny fomba mitovy amin' ilay ataon' ny Bodista hoe Mara izy.

Mihevitra an' i Iblisy ho ohatra amin' ny toetra sy ny asa izay sazin' Andriamanitra amin' ny alalan' ny Helo (Nār) ny teôlôjia islamika (kalām). Raha ny momba ny niandohan' i Iblisy sy ny toetrany dia misy fomba fijery roa samy hafa: araka ny filazana iray dia anjely i Iblisy, fa ny iray hafa milaza fa rain' ny jiny rehetra izy. Mamelabelatra ny tantaran' i Iblisy amin' ny antsipiriany bebe kokoa ny famakafakana ny Kor'any (tafsīr) sy ny fitantarana momba ny Mpaminany (Qiṣaṣ al-anbiyāʾ). Ao amin' ny lovantsofina silamo dia fantatra amin' ny hoe ash-Shayṭān ("ny Devoly"), izay matetika arahin' ny teny hoe ar-Rajīm (arabo: ٱلرَّجِيم, ara-bakiteny "ilay Voaozona") i Iblisy. Ny hoe Shayṭān dia matetika anondroana an' i Iblisy mba hilazana ny andraikiny amin' ny maha mpaka fanahy azy, fa Iblīs kosa no anaran-tsamireriny.

Manohana ny fananan' i Iblisy anjara asa manalasala (mandray roa) ny manam-pahaizana mozilmana sasany sady mampiasa ny teny hoe shayṭān hanondroana ny herin' ny ratsy fotsiny, ka tsy mionona amin' ny fiheverana an' i Iblisy ho devoly fotsiny fa koa manao azy ho "ilay mônôteista marina indrindra" (Tawḥīd-i Iblīs), satria tsy niankohoka afa-tsy eo anatrehan' ny Mpamorona i Iblisy fa tsy eo anatrehan' ny zavaboariny. Nandà mafy izany fiheverana mandefitra amin' i Iblisy izany ny hafa, ka nihevitra izany ho fitaka avy amin' i Iblisy. Mandinika amin' ny antsipiriany ity endrika famitahana ity ny tononkalo nosoratan' i Rumi atao hoe Masnavi-e-Ma'navi: rehefa namoha an' i Mu'awiya hivavaka maraina i Iblisy, dia toa nanana fikasana tsara tamin' ny voalohany, saingy hita fa tsy nanao afa-tsy ny nanafina ny tena antony ratsy manosika azy izy. Resahina ao amin' ny literatiora silamo ihany koa ny anjara asa manalasalan' i Iblisy. Nanoratra i Hafez, izay mihevitra an' i Iblisy ho anjely, fa tsy afaka maneho fihetseham-po ny anjely koa noho izany dia manandrana maka tahaka ny fitiavam-bavaka i Iblisy nefa tsy afaka manompo an' Andriamanitra amin-kafanam-po. Araka ny voalazan' i Muhammad Iqbal dia mizaha toetra ny olombelona i Iblisy mba hampianatra azy ireo handresy ny fitiavan-tena.

Anisan' ny zavaboary mihoatra ny natoraly fantatra indrindra amin' ny lovantsofina silamo i Iblisy, ary aseho betsaka ao amin' ny zavakanto sy ny literatiora ary ny haino aman-jery ankehitriny, na silamo izany na sy tsy silamo.

Famotoran-teny sy fiaviany

[hanova | hanova ny fango]

Ao amin' ny lovantsofina silamo dia fantatra amin' ny anarana maro hafa i Iblisy, toy ny hoe أَبُو مُرَّة / Abū Murrah ("Rain' ny Fangidiana"), avy amin' ny teny hoe murr – izay midika hoe "mangidy"; sy عُدُوّ الله / ‘aduww Allāh na ‘aduwallah ("fahavalon' Andriamanitra"); ary أَبُو الْحَارِث / Abū al-Ḥarith ("Rain' ny mpamadi-bainga").

Mety ho teny manondro toetra ny hoe إِبْلِيس / Iblīs, avy amin' ny fototenin' ny matoanteny arabo hoe ب-ل-س / bls, izay azo adika malalaka hoe "mijanona ao anaty sorisory". Araka ny voalazan' i Ibn Manzur dia io no hevitry ny ankamaroan' ny manam-pahaizana arabo, mitahiry ny lovantsofina izay milaza fa nantsoina hoe عزازيل / ʿAzāzīl io zavaboary io.

Mampifandray izany anarana izany amin' ny talbis, izay midika hoe "fisafotofotoana" ny mpampianatra mozilmana sasany, toa an' i al-Jili, satria nampisafotofoto azy ny didin' Andriamanitra.

Mety ho iray hafa ny fiheverana fa ny teny grika hoe διάβολος / diabolos (izay niavian' ny teny "devoly" koa) no niavian' io anarana io tamin' ny alalan' ny teny siriaka. Tsy hita ao amin' ny literatiora arabo talohan' ny Kor'any ilay anarana, ka midika izany fa tsy avy amin' ny teny arabo talohan' ny silamo izy io.

Ny fitantarana an' i Iblisy ao amin' ny Kor'any dia misy fitoviany amin' ny loharano maro ivelan' ny Baiboly, toy ny Fiainan' i Adama sy Eva, izay mitantara ny fianjeran' i Satana avy any an-danitra, izay mibahan-toerana ao amin' ny tontolo kristiana tatsinanana.

Ny mombamomba an' i Iblisy

[hanova | hanova ny fango]

Voatsiahy matetika ao amin' ny Kor'any ny anaran' i Iblisy, indrindra ao amin' ny soràta faha-15 sy faha-17 ary faha-38. Miseho matetika koa ny anarana hoe Seitana. I Iblisy no lehibe indrindra amin' ny fanahy ratsy araka ny lovantsofina silamo. Indraindray izy dia heverina ho anjely potraka, nefa indraindray koa ho jiny. I Iblisy no mahery indrindra amin' ny jiny sady lehiben' izy ireo.

Ny tsy fankatoavan' i Iblisy

[hanova | hanova ny fango]

Nodidian' Andriamanitra mba hiankohoka eo anatrehan' i Adama ny anjely. Nandà izany i Iblisy ka noroahina hiala avy ao am-paradisa noho ny tsy fankatoavany an' Andriamanitra. Nangataka tamin' Andriamanitra izy mba ho afaka hanaporofo ny tsy fahamendrehan' ny olombelona. Noho ny tsy fanajàny an' Andriamanitra dia nozonin' Andriamanitra izy. Noroahina avy tany an-danitra izy ka nazera tany amin' ny fiainan-tsy hita. Nisy fifanarahana nataony tamin' Andriamanitra izay nahafahany naka fanahy ny olombelona mandra-pahatongan' ny fitsarana farany mba "hanozona mandrakizay ny fahavalon' Andriamanitra". Anisan' ny fahombiazana azon' i Iblisy voalohany ny nandavoany an' i Adama. Nahazo ny anarana hoe al-Shaytan ("demony") amin' izay izy.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]