Salamo nataon' i Asafa

Avy amin'i Wikipedia

Ny Salamo nataon' i Asafa na Salamon' i Asafa dia ireo salamo roa ambin' ny folo, faha-50 sy faha-73 hatramin' ny faha-83, ao amin' ny Soratra Masôretika, voasoratra amin' ny teny hebreo, ary faha-49 sy faha-72 hatramin' ny faha-82 ao amin' ny Septoajinta (na Septanta), voasoratra amin' ny teny grika. Izy ireo dia hita ao amin’ ny Bokin' ny Salamo ao amin' ny Baiboly hebreo (izay antsoina koa hoe Testamenta Taloha). Nanapa-kevitra ny manam-pahaizana fa mety midika zavatra maro isan-karazany ny filazana ireo salamo ireo ho nataon' i Asafa. Mety midika izany fa anisan' ny fanangonana avy amin' ny Asafita ireo salamo ireo, anarana fampiasa matetika mba hilazana ny mpihira tao amin' ny tempoly. Azo inoana koa fa natao araka ny fomba na lovantsofin' ny antokon' olona mitondra ny anaran' i Asafa ireo salamo ireo. Voalaza fa i Asafa no nanoratra na nandika an' ireo salamo ireo. Mety tsy nanonona ireo salamo ireo izy fa nandika ny tenin' i Davida. Tsy fantatra ny fe-potoana voafaritra tsara mifandray amin' ireo salamo ireo, kanefa ny fitantarana momba ny fandringanana voalaza ao amin' ny Salamo faha-74 dia mety manondro fa ireo salamo ireo dia natao tamin' ny vanim-potoana aorian' ny sesitany.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]