Hankany amin'ny vontoatiny

Salamo

Avy amin'i Wikipedia
Sombiny amin’ ny Salamo faha-23 amin' ny Horonam-bokin' ny Ranomasina Maty tao Komrano.

Ny salamo dia lahatsora-tononkalo ahitana andininy maromaro misy karazan-dahatsoratra efatra lehibe. Avy amin' ny fiteny grika taloha ψαλμός / psalmós io teny io, izay manondro feon-kira atao amin' ilay zavamaneno misy tadiny atao hoe psalteriôna (grika: ψαλτήριον / psaltêrion), ary nandikana ny teny hebreo hoe מִזְמוֹר / mizmôr, ampiasaina ao amin' ny fandikan-teny grika ny Baiboly antsoina hoe Septoaginta, izay manondro hira fiderana ara-pivavahana ampiarahina amin' ny mozika ary miverina in-57 ao amin' ny Bokin' ny Salamo. Afaka manana toetra samihafa ny salamo: midera, mpiady, mibebaka, mitaraina, mifaly, mankasitraka, sns.