Aller au contenu

Fiangonana Loterana Evanjelika ao Amerika

Avy amin'i Wikipedia
Ny Augustana Lutheran Church ao Washington, Distrikan' i Colombia, dia fiangonan' ny "Fampihavanana ao amin' i Kristy" ("Reconciling in Christ"), izany hoe mandray ny olona tsy an-kanavaka, tsy ijerena ny safidy momba ny fananahan' izay hatao olon-tiana, na lahy na vavy.

Ny Fiangonana Loterana Evanjelika ao Amerika na Fiangonana Loterana ara-Pilazantsara ao Amerika dia fiangonana loterana lehibe indrindra ao Etazonia, teraka tamin' ny 01 Janoary 1988, vokatry ny fikambanan' ny antokom-piangonana loterana telo, izay ahitana mpino vita batisa miisa 3 400 000 tamin' ny taona 2017, tao amin' ny fiangonana ifotony (kôngregasiôna) miisa 9 091[1]. Tamin' ny taoa 2022 dia nisy mpikambana vita batisa 2 900 000 tapitrisa eo ho eo tao amin' ny kôngregasiôna miisa 8 640[2].

Atao hoe Evangelical Lutheran Church in America (ELCA) izy amin' ny teny anglisy. Manana ny foibeny ao Chicago Illinois any Etazonia io fiangonana io. Tamin' ny taona 2015 dia nilaza ny Pew Research Center fa mpino ao amin' ny ELCA ny 1,4 % amin' ny mponin' i Etazonia[3]. Izy no fiangonana lehibe fahafito ao Etazonia raha ny isan' ny mpino ao aminy no heverina[4] sady fiangonana loterana lehibe indrindra ao Etazonia[5]. Fotsy hoditra ny Ny 97 % amin' ny mpivavaka ao[6].

Ny fiangonana loterana manarakaraka ny ELCA ao Amerika dia ny Fiangonana Loterana Sinôdan' i Missouri na Lutheran Church–Missouri Synod (LCMS), izay misy mpino 2 000 000 eo ho eo, sy ny Sinôda Loterana Evanjelika ao Winsconsin na Wisconsin Evangelical Lutheran Synod (WELS), izay manana mpino 360 000 eo ho eo [7]. Ny ankamaroan' ny mpikambana ao amin' ny ELCA dia taranaky ny Skandinaviana sy ny Alemàna nifindra monina avy any amin' ny firenena nandray ny loteranisma ho fivavaham-panjakana. Maro koa ny fiangonana loterana madinika ao Etazonia ka ny sasany aminy dia ireo izay tsy nankasitraka ny fanakambana ny fiangonana telo notanterahina tamin' ny taona 1988. Ny ELCA no azo lazaina fa fiangonana mihataka indrindra amin' ny loteranisma nentim-paharazana, raha mitaha amin' ny fiangonana loterana lehibe roa hafa ao Etazonia, dia ny LCMS sy ny WELS.

Ny ELCA dia mikambana ao amin' ny Filankevitra Ekiomenikan' ny Fiangonana (anglisy: World Council of Churches; frantsay: Conseil œcuménique des Églises), ao amin' ny Filankevitra Nasiônalin' ny Fiangonan' i Kristy ao Etazonia (anglisy: National Council of Churches of Christ in the USA) ary ao amin' ny Fiangonana Loterana Eran-Tany (anglisy: Lutheran World Federation; frantsay: Fédération Luthérienne Mondiale). Ny ELCA dia mifandray sy miara-miasa tanteraka amin' ny Fiangonana Episkôpaly (Episcopal Church), ny Fiangonana Môraviana (Moravian Church), ny Fiangonana Presbiteriana - Etazonia (Presbyterian Church (USA)), ny Fiangonana Nohavaozina ao Amerika (Reformed Church in America), ny Fiangonan' i Kristy Miray (United Church of Christ), ary ny Fiangonana Metôdista Miray (United Methodist Church)[8].

Tamin' ny volana Aogositra 2009 ny mpandatsa-bato tao amin' ny Antenimieran' ny ELCA dia nandany tamin' ny isam-bato 559 ny fahafahan' ny lahy manambady lahy tokana sy vavy manambady vavy tokana hisahana andraikitra amin' ny fitarihana ny fiangonana, indrindra ho eveka (bishop amin' ny teny anglisy). Isam-bato 441 no nanohitra an' izany. Lasa mitovy zo sy adidy amin' ny lehilahy manambady vehivavy tokana na vehivavy manambady lehilahy tokana, amin' ny fanompoana ao am-piangonana, ireo ireo sokajin' olona ireo. Azo atao ôrdinasiôna hisahana asan' ny pastora na eveka koa ny vehivavy araka ny fanapahan-kevitry ny ELCA.

Tantaran' ny ELCA

[hanova | hanova ny fango]

Tamin' ny taona 1979 dia nanambara tamin' ny alalan' ny fanadihadiana nataony ny Strommen et al. fa ny 79 %n' ny mpitondra fivavahana ao amin' ny Fiangonana Loterana ao Amerika (Lutheran Church in America - LCA) sy ny 62 %n' ny mpitondra fivavahana ao amin' ny Fiangonana Loterana Amerikana (American Lutheran Church - ALC) ary 58 %n' ny Fiangonana Loterana — Sinôdan' i Missouri (Lutheran Church—Missouri Synod - LCMS) dia nanaiky fa maniry ny hikambanan' ny fiangonana loterana rehetra ao Amerika ho fiangonana iray.

Teraka tamin’ ny 01 Janoary 1988 ny ELCA ka izy no lasa antokom-piangonana loterana lehibe indrindra ao Etazonia. Ny ELCA dia vokatry ny fitambaran' ny Fiangonana Loterana Amerikana (ALC) izay manana ny foibeny ao Minneapolis any Minnesota, sy ny Fiangonana Loteranan' i Amerina (LCA) izay manana ny foibeny ao New York sy ao Philadelphia any Pennsylvania ary ny Fikambanan' ny Fiangonana Evanjelika Loterana (Association of Evangelical Lutheran Churches - AELC) (taloha izy dia nisitaka ny sinôda ao amin' ny Fiangonana Loterana sy i Missouri, taorian' ny taona 1975), izay nanaiky ny hitambatra tamin' ny taona 1982 taorian' ny ady hevitra mandritra ny taona amaro. Ny ALC sy ny LCA dia vokatry ny fikambanan' ny fiangonana loterana tany aloha rahateo koa[9].

Ny American Lutheran Church

[hanova | hanova ny fango]

Tamin' ny taona 1960 dia vokatry ny fitambaran' ny ALC taloha (1930) avy amin' ny Alemàna sy ny United Evangelical Lutheran Church (UELC) avy amin' ny Danoà, ary ny Evangelical Lutheran Church (ELC) avy amin' ny Nôrveziana ny ALC taty aoriana. Nanatevina azy ireo tamin' ny taona 1963 ny Lutheran Free Church (LFC). Nitondra mpino miisa 2 250 000 tao amin' ny ELCA ny ALC. Izy no tena mpitahiry ny teôlôjia loterana tranainy mahazatra raha mitaha amin' ny fiangonana hafa rehetra namorona ny ELCA, izay nandova ny teôlôjian' ny Loterana tranainy (angisy: Old Lutherans)[10]. Nifandray tamin' ny Lutheran Church—Missouri Synod (LCMS) izy taloha ka nanohana ny tsy fisian-dison' ny Baiboly (na "tsy fahadisoan' ny Baiboly") tao amin' ny lalàm-panorenany.

Ny Lutheran Church in America

[hanova | hanova ny fango]

Niforona tamin' ny taona 1962 ny Lutheran Church in America (LCA), rehefa niaraka tamin' ny Augustana Evangelical Lutheran Church avy any Soeda, sy ny Finnish Evangelical Lutheran Church of America, ary ny American Evangelical Lutheran Church an' ny Danoà mpifindra monina ny United Lutheran Church in America (izay vokatry ny fitambaran’ ny sinôda alemàna telo tao amin' ny faritra atsinanana ao Etazonia tamin' ny taona 1918). Mpiara-miombona antoka lehibe indrindra sady nitondra mpino miisa 2 850 000 ao amin' ny ELCA ny LCA. Eo anelanelan' ny liberaly mandanjalanja sy ny neô-ôrtôdôksa ny firehana teôlôjiany, nefa koa ahitana firehana teôlôjika mitodika amin' ny pietisma mpitahiry ny rakitry ny ela ny fiangonana any ambanivohitra sy any amin' ny tanàna madinika. Avy amin' ny hetsiky ny neô-loteranisma ny teôlôjiany[10].

Ny Association of Evangelical Lutheran Churches

[hanova | hanova ny fango]

Tamin' ny taona 1976, ny Association of Evangelical Lutheran Churches (AELC) dia nanana fiangonana ifotony miisa 250 izay nandao ny LCMS tamin' ny fivakisana vokatry ny tsy fifanarahana momba ny tsy fisian-diso ao amin' ny Baiboly sy ny ekiomenisma izay anisan' ny fifandirana teo amin' ny fôndamentalista sy ny môdernista izay niseho teo amin' ny fiangonana prôtestanta amerikana nandritra ny taompolo maro. Nitondra mpino miisa 100 000 eo ho eo tao amin’ ny ELCA ny AELC. Avy any Alemaina, teo antenatenan’ ny taonjato faha-19, ny ankabeazan' ny lovany, ary sahala amin' ny an' ny LCA ny endriky ny teôlôjiany amin' ny ankapobeny.

Fandaminana

[hanova | hanova ny fango]
I Mark Hanson, eveka filohan' ny ELCA, nandray fitenenana tao amin' ny fanokanana ny filoha vaovaon' ny Augsburg College tamin' ny taona 2006.

Tarihin' ny eveka filoha (anglisy: Presiding Bishop) izay fidin' ny Antenimieran' ny fiangonana hitondra mandritra ny enina taona (efa-taona izany hatramin' ny niforonan' ilay fiangonana ka hatramin’ ny taona 1995) ny ELCA. Hatramin' izao dia olona efatra no voafidy ho eveka filohan' ny ELCA. I Herbert W. Chilstrom no voalohany, izay nitondra teo anelanelan' ny taona 1987 sy 1995. I H. George Anderson (1995–2001) no nandimby azy, izay efa filohan' ny Luther College talohan' izany. Ny filoha fahatelo dia i Mark Hanson izay efa filohan' ny Lutheran World Federation, talohan' izany fotoana nahalany azy izany. Nanomboka ny maha eveka azy tao amin' ny fiangonana i Hanson tamin' ny taona 2001 izy ary voafidy fanindroany tamin' ny Aogositra 2007. Nandimby azy i Elizabeth Eaton tamin' ny Aogositra 2013 ary nandray ny asany tamin' ny 01 Nôvambra 2013 ka mbola voafidy indray tamin' ny taona 2019.

Fanampin' izany dia misy ny rantsamangaiky ny Komitin' ny Fiangonana (anglisy: Church Council) izay ahitana solontena fidina hiasa mandritra ny taona voafaritra, avy amin' ny sinôda samihafa ao amin' ny ELCA, izay mivory ara-potoana sady manana fahefana manao lalàna mandritra ny fotoam-pivorian' ny Antenimieran' ny Fiangonana (angisy: Churchwide Assemblies).

Ny Kônferansan' ny Eveka, izay mivory indroa isan-taona fara-fahakeliny, dia ahitana eveka miisa 66 (eveka sinôdaly vofidy, miisa 65, miaraka amin' ny eveka filoha) miampy ny mpitan-tsoratra jeneralin' ny ELCA. Akan' ny eveka filoha sy ny Komitin' ny Fiangonana hevitra amin' ny resaka foto-pampianarana sy finoana ary fandaminana ary fifandraisana ekiomenika ny Kônferansan' ny Eveka. Milaza ny tranonkalan' ny ELCA fa na filan-kevitra aza no anjara asan' ny Kônferansan' ny Eveka dia mananana ny lanjany izy eo amin' ny fiainan' ny fiangonana[11].

Sarintany maneho ny faritra sivin' ny ELCA.

Mizara ho sinôda 65 ny ELCA, ka ny iray, ny Slovak Zion Synod, dia tsy voafaritra ara-jeôgrafia, fa ny 64 kosa dia sinôdam-paritra ao Etazonia sy any amin' ny nosy Karaiba, izay samy manana ny evekan-tsinôdany sy ny komitiny avy; mivondrona ho faritra sivy ireo sinôda ireo[12]. Ao amin' ny ELCA dia manondro fahefana antenatenany (middle judicatory) ny teny hoe sinôda (anglisy: synod), mitovy amin' ny ataon' ny fiangonana hafa hoe presbiteria na distrika na kônferansa na diôsezy (ity no teny tranainy indrindra). Amin' ny fiangonana kristiana hafa, ny teny hoe sinôda (anglisy: synod, frantsay: synode, sns) dia ampiasaina hanondroana ny fihaonana na ny kônferansan' ny mpitondra fivavahana toy ny pretra na ny evekan' ny diôsezy, faritany (na faritra) na firenena; na amin' ny fiangonana prôtestanta sasany hilazany ny fifanaraham-pitantanana tapaka isan-taona. Manohy mampiasa ny teny tranainy hoe diôsezy ny fiangonana loterana evanjelika sasany any ivelan' i Etazonia.

Any ivelan' i Etazonia ny ELCA dia manana fiangonana ao amin' ny faritry ny nosy Karaiba (Bahamasy, izay mikambana sinôda amin' i Florida, i Bermioda sy i Pôrtô-Rikô ary ny Virgin Islands an' i Etazonia) ary fiangonana iray ao amin’ ny tanàna an-tsisin-tany ao Windsor any Ontario, izay mikambana amin' ny Slovak Zion Synod. Talohan' ny taona 1986 dia nisy fiangonana avy amin' ny Evangelical Lutheran Church in Canada (ELCC) izay anisan' ny fiangonana nialoha ny ELCA.

Ahitana fizaràna mamoaka fandaharana sy fisahanan-draharaham-panompoana ny rafitry ny fiangonana. Anisan' izany ny fanohanana ny asa fanirahana ankapobeny, ny asa fanirahana ivelany, ny asa atao eny amin' ny campus, ny asa sôsialy, ary ny fanabeazana. Ireto avy izany: ny Lutheran Peace Fellowship, ny Lutheran Women's Caucus, ny Lutheran Volunteer Corps, ary ny Lutheran Youth Organization ELCA Youth Gathering (izay nantsoina tao amin' ny fiangonana nipoiran' ny ELCA hoe Luther League). Miara-miasa amin' ny fikambanan' ny mpianatra ao amin' ny sekoly sy/na oniversite iraisan' ny fiangonana loterana ekiomenika izy ireo, toy ny Lutheran Student Movement–USA, izay niorina tamin' ny taona 1922 ary nalamina indray tamin' ny taona 1969. Ny Augsburg Fortress no famoaham-bokin' ny ELCA, ary ny Living Lutheran no gazetibokiny. Ny fiangonana niandohan' ny ELCA dia nanangana sekoly sy oniversite miisa 26 izay miankina amin' ny ELCA ankehitriny ary fikambanana seminera teôlôjika maro dia maro izay mikambana, amin' ny ampahany, amin' ny oniversite na amin’ ny toeram-pandalinana teôlôjika mifanakaiky toerana aminy.

Manana ny satan' ny fikambanana mahaleo tena tsy mikatsaka tombontsoa manokana ny ankamaroan' ny fiangonana eny ifotony, araka ny lalàn' ny fanjakana misy azy ireo avy, sady mizaka fananana manokana. Ny fanao amin' ny fitantanam-piangonana ao amin' ny fiangonana eny ifotony dia ahitana fivorian' ny mpifidim-piangonana na fivoriana isan-taona sy fivoriana manokana, fivoriana tarihin' ny loholona sy ny mpanolo-tsaina, amin' ny fiangonana eny ifotony izay ananan' ny pastora zokinjokiny fahefana lehibe, na dia tsy ôfisialy aza izany (mateti-pitranga izany ao amin' ny fiangonana lehibe eny ifotony)[13].

Ny Antenimieran' ny Fiangonana

[hanova | hanova ny fango]

Mivory indroa isaky ny taona tsiankasa ny Antenimieran' ny Fiangonana, ary ahita mpikambana olon-tsotra voafidy sy mpikambana vita ôrdinasiôna mpifidy; anelanelan' ny fihaonan' ny Antenimieran' ny Fiangonana dia ny Kômitim-piangonan' ny ELCA no mitantana an' ilay fiangonana, miaraka amin' ny Kôferansan' ny Eveka izay mpanolo-tsaina. Ao amin' ny Antenimieran' ny Fiangonana, ny fifidianana dia tanterahin' ny mpanao raharaha ambony ao amin' ny fiangonana toy ny eveka filoha, ny lefitry ny filoha ary ny mpitan-tsoratra; ao no andaniana ny tetibola, andinihana sy ankatoavana ny tolo-kevitra ara-tsôsialy, ary amoahana miaraka amin' ny tatitra ny raharaham-piangonana maro, ankatoavana ny mpamangy iraisam-pinoana (ekiomenika).

Nisy ny fanitsiana ny lalàmpanorenan' ny ELCA tamin' ny taona 2011 izay nanova ny fivoriana ho fihaonanana intelo isan-taona taorian' ny taona 2013. Tamin' ny fiangonana roa nipoiran' ny ELCA, ny Antenimiera dia nantsoina hoe General Convention ("Kôngresy lehibe") tao amin' ny ALC, fa nantsoina hoe Biennial Convention ("Kôngresy indroa isan-taona") kosa tao amin' ny LCA.

Ny finoan' ny ELCA

[hanova | hanova ny fango]

Ny loteranisma

[hanova | hanova ny fango]

Firehan' ny kristianisma manaraka ny teôlôjian' i Martin Lotera sy ny lahatsoratra ôfisialy maro ara-pivavahana hita ao amin' ny Bokin' ny Kônkôrdia ny loteranisma. Manaiky ny Kônfesiôna Aogostana tsy miova (non variata) ho vavolombelona marina ny amin' ny Filazantsara ny ELCA. Latsaka noho ny LCMS na ny WELS anefa ny fanajan' ny ELCA ny teôlôjia loterana tranainy[14]. Na dia misy vitsy ihany sy tsy azo tsinontsinoavina ny mpandala ny teôlôjia loterana tranainy, dia eo anelanelan' ny mpandanjalanja (anglisy: moderata) sy ny mpandala fahalalahana (anglisy: liberal) ny ankamaroan' ny mpino ao amin' ny ELCA, raha ny teôlôjia no resahina. Mitazona amin' ny fomba hentitra kokoa ny loteranisma kônfesiônaly[15], ny pietisma[16], na ny fikambanan' ireo firehana roa ireo, anefa ny ankamaroan' ny fiangonana loterana hafa ao Etazonia, raha mitaha amin' ny ELCA.

Ny fahasamihafana misy ao amin' ny ELCA

[hanova | hanova ny fango]

Ahitana fahasamihafam-piheverana maro izay miteraka ady hevitra momba ny fehin-kevitra ara-tsôsialy sy ara-pampianaram-pinona ny fiangonana eny ifotony ao amin' ny ELCA. Andaniny, izany dia vokatry ny fanakambanana fiangonana loterana telo samy hafa, izay samy nahitana antoko sy fizarazarana anatiny avy, ka mandova ny tsy fitovian-kevitra anaty ary nitondra izany rehetra izany koa ao amin' ny ELCA. Matetika dia ahitana taratra ny adihevitra teôlôjika ao amin' ireo sokajy samihafa ireo ny fahasamihafanan' ny fehin-kevitra.

Ny ELCA, izay fiangonana lehibe dia lehibe tokoa, dia ahitana vondrona mpitahiry ny rakitry ny ela sy vondrona mandala fahalalahana, izay manantitra fomba fijery isan-karazany toy ny fanavaozana litorjika[17][18], ny loteranisma kônfesiônaly[15], ny fifohazam-panahy karismatika[19], ny teôlôjia eo anelanelan' ny mandanjalanja sy ny liberaly, ny hetsika mitolona ho an' ny fahalalahana. Ahitana fikambanana sahala amin' ny Lutherans Concerned/North America sy ny Extraordinary Lutheran Ministries ary ny Evangelical and Ecumenical Women's Caucus ny ampahany izay mandala fahalalahana ara-tsôsialy ao amin' ny ELCA. Ny fikambanana loterana mpitahiry tao amin’ ny ELCA taloha fa niala avy ao aminy, izay nanohitra ny hevitra ôfisialin' ny fiangonana ny amin' ny fanaovana ôrdinasiôna mpitondra fivavahana pelaka tsy miafina, dia ahitana ny Lutheran Coalition for Renewal (hafohezina amin' ny hoe Lutheran CORE). Ny mpomba ny katôlisisma evanjelika[20] dia mampihatra ny loteranisman' ny fiangonana ambony (anglisy: High Church Lutheranism)[21] ka ahitana ny mpikambana ao amin' ny Society of the Holy Trinity. Ireo izay nanana firehana momba ny loteranisma kônfesiônaly sy ny evanjelisma na ny fifangaroan' ireo firehana roa ireo dia ahitana ny tambajotran' ny WordAlone sy ireo izay miditra antsehatra ao amin' ny Lutheran Congregations in Mission for Christ. Ahitana fiangonana ifotony sy pastora mikambana ao amin' ny Alliance of Renewal Churches ny mpikambana ao amin' ny hetsika karismatika (anglisy: Charismatic Movement). Fanampin' izany, vao tsy ela dia nisy fitomboana ny ao amin' ny Franciscan Spirituality ao amin' ny ELCA tamin' ny alalan' ny Order of Lutheran Franciscans[22].

Ny Soratra Masina

[hanova | hanova ny fango]

Izao no voalaza ao amin' ny lalàmpanorenan' ny ELCA: "Ity fiangonana ity dia manaiky ny Soratra kanônikan' ny Testamenta Taloha sy ny Testamenta Vaovao ho Tenin' Andriamanitra avy amin' ny tsindrimandry sady ho loharano sy fenitra manam-pahefana amin' ny fanambaràny sy ny finoany ary ny fiainany"[23]. Mirona kokoa amin' ny tsy fifikirana amin' ny foto-pampianarana ny amin' ny tsy fisian-dison' ny Baiboly ny mpitodra fiangonan’ ny ELCA, ary mahita izy ireo fa mitombina ny fomba fiasa maro amin' ny fikarohana izay anaovana fanadihadiana hanampy amin' ny fahazoana ny tian' ny Baiboly hambara[24]. Mifanaraka amin' ny ankamaroan' ny fiangonana prôtestanta mpandanjalanja maro izany nefa mifanohitra amin' ny an' ny LCMS sy ny an' ny WELS izay mampiasa ny fomba fanaovana tsikera ara-tantara amam-pitsipiteny amin' ny famakafakana ny Baiboly.

Ny sakramenta

[hanova | hanova ny fango]

Toy ny fiangonana loterana hafa koa dia manolotra sakramenta roa fara-fahakeliny ny ELCA, dia ny eokaristia (na fanasan' ny Tompo) sy ny batisa (izay ahitana ny batisan-jaza). Matetika dia tafiditra ho anisan' ny sakramenta koa ny kônfesy (fanambaràm-pahotana) sy ny absôlosiôna (famelam-pahotana); izany anefa dia fiverenana amin' ny famelan-keloka ao amin' ny batisa, raha lazaina tsotra dia tsy misy afa-tsy sakramenta roa. Hita ao amin' ny boky The Use of the Means of Grace, izay fanambaràna nankatoavina tao amin' ny Antenimieran' ny Fiangonana tamin' ny taona 1997, ny torolalana amin' ny fanao momba ny sakramenta ao amin' ny ELCA[25].

Fanampin' ireo sakramenta roa ireo dia manao asa miendrika sakramenta, na sakramentaly koa ny ELCA. Anisan' izany ny kônfirmasiôna, ny ôrdinasiôna, ny fanosorana ny marary, ny kônfesy sy absôlosiôna, ary ny fanamasinam-panambadiana. Miova arakaraka ny maha "fiangonana loterana ambony" na "fiangonana loterana ambany" ny fiangonana isan-toerana ny fanao sy ny fiheverana ireo fanao ireo ho "sakramenta madinika".

Raha ny amin' ny eokaristia na fanasan' ny Tompo, dia mitazona ny fampianaram-pinoana loterana ny amin' ny fiombonana sakramentaly ny ELCA, izany hoe ao amin' ny mofo sy ny divay ny tenan' i Kristy sy ny rany sady miaraka amin' ny mofo sy ny divay ary ao ambanin' ny mofo sy ny divay[26]. Mandray izany amin' ny vava ny mpandray ny eokaristia rehetra, ka tsy ny mofo sy ny divay ihany no raisiny, fa ny tena sy ny ran' i Kristy tokoa izay nomena azy ireo teny amin' ny hazo fijaliana[27].

Indrandray dia milaza izany ho finoana ny "firaisan-draha" (kônsobstansiasiôna) ny mpino ao amin' ny fiangonana loterana. Mitsipaka ny fanazavana filôzôfika ny amin' ny firaisan-draha anefa ny Loterana ka misafidy ny maha eo ny tena sy ny ran' ny Tompo ho zava-miafina tsy azo hazavaina amin' ny alalan' ny filôzôfian' olombelona. Mitovitovy kokoa amin' ny finoan' ny Katôlika sy ny an' ny Ôrtôdôksa tatsinanana ny finoan' ny Loterana ny amin' ny maha zava-miafina ny mofo sy ny divay nohamasinina, raha mitaha amin' ny an' ny ankamaroan' ny Prôtestanta hafa. Mifanohitra amin' izany ny an' ny ankamaroan' ny fiangonana prôtestanta izay misalasala na mandà ampahibemaso ny filazana fa atelina tokoa ny tena sy ny ran' i Kristy amin' ny fanasan' ny Tompo.

Tsy tahaka ny fiangonana loterana amerikana sasany ny ELCA fa manaiky ny fiaraha-mandray ny eokaristia amin' ny antokom-piangonana hafa, ka mamela ny olona vita batisa rehetra amin' ny anaran' ny Trinite sy ny rano, avy amin' ny fiangonana hafa, hadray ny fanasan' ny Tompo ao aminy. Mampandray fanasan' ny Tompo ny zaza vita batisa koa ny fiangonana sasany eny ifotony ka toy ny fanaon' ny Ôrtôdôksa tatsinanana izany. Mamporisika ny fiangonana isan-toerana hankalaza ny eokaristia amin' ny fotoam-pivavahana rehetra atao anaty trano fiangonana ny ELCA, na dia misy fiangonana sasany mampifandimby ny fotoam-pivavahana tsy andraisana eokaristia sy ny fotoam-pivavahana andraisana an' izany.

Tsy lahy tsy vavy Andriamanitra

[hanova | hanova ny fango]

Ahitana fiantsoana sy tsodrano misy fampiasana teny tsy anavahana lahy sy vavy amin' ny sehatra rehetra ny boky fihiran' ny ELCA vita farany indrindra atao hoe Evangelical Lutheran Worship. Novana ny salamo rehetra sy ny hira fiderana maro ary ny litorjia tamin' ny fanesorana ny mpisolo tena kandahy (He, Him, His) enti-milaza an' Andriamanitra satria amin' ny ELCA dia tsy lahy tsy vavy Andfiamanitra[28].

Fehin-kevitra momba ny sokajin' olona sasany

[hanova | hanova ny fango]

Ny anjara asan' ny vehivavy

[hanova | hanova ny fango]

Manao ôrdinasiôna vehivavy ho pastora ny ELCA. Efa hita tamin' ny taompolo 1970 tao amin' ny fiangonana telo nipoirany (ny ALC tamin' ny taona 1970, ny LCA tamin' ny taona 1970 koa, fa ny AELC tamin' ny taona 1976) izany fanao izany. Misy vehivavy sasantsasany lasa eveka, na dia vitsy aza izy ireo. I April Ulring Larson, izay voafidy tao amin' ny sinôdan' ny Faritr' i La Crosse tamin' ny taona 1992, no vehivavy eveka voalohany. Tamin' ny taona 2018 ny ELCA dia nandany vehivavy mainty hoditra ho eveka, dia i Patricia Davenport tao amin' ny faritra atsimo-atsinanana amin' i Pennsylvania, sy i Viviane Thomas-Breitfeld tao amin' ny faritra atsimo-afovoany amin' i Wisconsin[29]. Tamin' ny taona 2013 dia i Elizabeth Eaton no vehivavy voafidy ho eveka filohan' ny ELCA.

Tamin' ny taona 2000 dia nanao fanadihadiana tamin' ny pastora ELCA miisa 681 ny Cooperative Clergy Study Project ka nahita fa ny 95 % amin' ny mpitondra fivavahana ao amin' ny ELCA dia mihevitra fa tokony ho azon' ny vehivavy sahanina ny andraikitra rehetra maha mpitondra fivavahana, fa ny 2 % kosa nitsipaka izany[28].

Ny mpivady mitovy fananahana ao amin' ny ELCA

[hanova | hanova ny fango]

Fanapahan-kevitra

[hanova | hanova ny fango]

Ôrdinasiônan' ny olona manambady ny mitovy fananahana aminy

[hanova | hanova ny fango]
I Guy Erwin, pastora ao amin' ny Southwest California Synod, manambady lehilahy.

Tamin' ny 21 Aogositra 2009 dia nanao latsabato ny fivorian' ny Antenimieran' ny ELCA natao tao Minneapolis ka nandany ny hanomezana alalana ny fiangonana isan-toerana hiantso sady hanao ôrdinasiôna ny olona manambady ny mitovy fananahana aminy, na lahy na vavy, raha manambady tokana, mba hanao ny asan' ny mpitondra fivavahana[30]. Tamin' ny alalan' ny isam-bato 559 (55,35 %) nandany sy 451 (44,65 %) nitsipaka izany. Nankatoavina ny fehin-kevitra nanambara ny tokony hiezahan' ny fiangonana hanao ôrdinasiôna ny olona manambady ny mitovy fananahana aminy, sady manambady tokana, izay ho tomponandraikitra ampahibemaso sy mandra-pahafatiny. Tsy teren' io fanovana ny rafi-pitantanam-piangonana io hanao izany anefa ny fiangonana isan-toerana tsy te handray ireo olona ireo amin' ny fanaovana ôrdinasiôna azy ho amin' ny fitondrana fivavahana[31].

Tamin' ny nanesorana ny safidim-pitiavana ara-nofo ho sakana amin' ny asan' ny mpitondra fiangonana dia nanaraka izay efa nataon' ny fiangonana loterana rahavaviny any Eorôpa ny ELCA, anisan' izany ny any Alemaina, ny any Nôrvezy (ao amin' ny Fiangonan' i Nôrvezy), ny any Soeda (ao amin' ny Fiangonan' i Soeda), ny any Danemarka (ao amin' ny Fiangonan' i Danemarka), ny any Islandy ary ny any Aortrisy[32]. Anisan' ny fiangonana kristiana tsy mitsaha-mitombo ao Etazonia izay nandray an' io fanapahan-kevitra io koa ny ELCA.

Tamin' ny volana Avrily 2010 dia nanao fankatoavana fanitsiana ny antontan-taratasy momba ny fitantanana ny raharaham-pivavahana ny Filankevi-piangonan' ny ELCA (Council of the Evangelical Lutheran Church in America) mba hampifanaraka an' izany amin' ny latsabato tamin' ny volana Aogositra 2009, sady nanampy fizaràna hafa momba ny fahamatorana sy ny fidorohana zava-mahadomelina[33]. Nanamarika ny fampitam-baovao fa hatao ao amin' ny tranonkalan' ny fiangonana ELCA amin' ny faran' ny volana Avrily 2010 izany fanitsiana izany[33].

Tamin' ny 31 Mey 2013 dia i Guy Erwin no lehilahy pelaka an-karihary voalohany voafidy ho eveka ao amin' ny ELCA tamin' ny nahalany azy ho evekan' ny Sinôdan' i California Atsimo-Andrefana[34]. Tamin' ny taona 2015 no nanaovan' ny ELCA ôrdinasiôna voalohany ny pastora niova fananahana[35].

Fanamasinam-panambadian' ny mitovy fananahana

[hanova | hanova ny fango]

Tamin' ny taona 2015, taorian' ny nanaovan' ny Fitsarana Tampony (anglisy: Supreme Court) ao Etazonia ny fanambadian' ny mitovy fananahana ho ara-dalàna ao Etazonia, dia nampahalalain' ny biraon' ny eveka filohan' ny ELCA an-taratasy ny mpino ao amin' ny fiangonana isan-toerana fa afaka manamasina ny fanambadian' ny olona mitovy fananahana izy ireo ary afaka ny tsy manao izany koa[36]. Nahazo alalana ao amin' ny ELCA ny fanamasinam-panambadian' ny olona mitovy fananahana hatramin' ny taona 2009[37]. Nanohana ny fanamasinam-panambadian' ny mitovy fananahana ny ny 37 % amin' ny pastora ao amin' ny ELCA tamin' ny taona 2008[38].

Fanoherana ilay fanapahan-kevitra

[hanova | hanova ny fango]

Fanoherana anatiny sy vokatr' izany

[hanova | hanova ny fango]

Ho setrin' ilay fanapagan-kevitra momba ny mpivady mitovy fananahana, dia nanambara fa hanao ny fomba izay hitarika ny fanarenana indray ny loteranisman' i Amerika Avaratra ny Lutheran CORE izay nanohitra izany fanapahan-kevitra izany[39]. Nilaza ny Lutheran CORE tamin' ny Febroary 2010 fa hisaraka amin' ny ELCA ka hanorina fiangonana hafa atao hoe North American Lutheran Church (NALC)[40].

Hatramin' ny volana Aogositra 2009, araka ny tatitry ny biraon' ny mpitan-tsoratry ny ELCA, dia fiangonana eny ifotony mihoatra ny 600 no niala avy amin' ny ELCA hatramin' ny volana Janoary 2011. Nidina ny fidiram-bola, ka 48 tapitrisa dôlara izany tao amin' ny vinavina 2011, nefa 51 tapitrisa dôlara ny tetibola tamin' ny 2010 ary 88 tapitrisa dôlara ny tetibola tamin' ny taona 2005[41].

Fanoherana avy ivelany

[hanova | hanova ny fango]

Tamin' ny Ôktôbra 2009, ny filan-kevi-pitantanana ao amin' ny dia ny Evangelical Mekane Yesus Fellowship in North America, izay anisan' ny fiangonana mpiara-miombona antoka amin' ny ELCA, dia nandany tamin' ny latsabato fa tsy hiara-miasa amin' ny ELCA. Nisy vaovao tamin' ny haino aman-jery izay nilaza fa io filan-kevi-pitantanana io dia tsy hiombom-pandraisana na hiombon-draharaha intsony amin' ny ELCA izay heveriny fa tsy mankato ny tenin' Andriamanitra sy niala amin' ny torolalana mazava omen' ny Fanahy Masina izay milaza fa tsy misy fanambadiana afa-tsy eo amin' ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray[42]. Narahin' ny sinôda lehibe tao amin' ny Ye Ethiopia Wongelawit Bete Kristian Mekane Yesus (na "Fiangonana Evanjelika Etiôpianan' ny Toeran' i Jesosy", izay atao amin'ny tany anglisy hoe Ethiopian Evangelical Church Mekane Yesus) izany fanapahan-kevitra izany tamin' ny nanapahany koa ny fifandraisany amin' ny ELCA[42].

Fifandraisan' ny Fiangonana Loterana Malagasy amin' ny ELCA

[hanova | hanova ny fango]

Azo lazaina fa anisan' ny fiangonana nanatevina ny fanorenana ny loteranisma eto Madagasikara ny ELCA satria nanohana ny Fiangonana Loterana Malagasy hatramin' ny voalohany ny iray amin' ny fiangonana namorona azy - dia ny American Lutheran Church (ALC). Nikambana amin' ny fiangonana roa hafa (LCA sy ny AELC) io fiangonana amerikana io ka niteraka ny ELCA nefa nitohy ihany ny fiaraha-miasa, indrindra ny famatsiam-bola ny FLM sy ny fandraisana mpianatra teôlôjia hianatra any aminy.

Na dia sarotiny aza ny FLM amin' ny fahamasinana, indrindra ny ao amin' ny ampahany manaraka ny Fifohazana, ary na dia niteraka ady hevitra mafana nandritra ny fivoriana fara tampony ny fahenoana ny ELCA fa manao ôrdinasiôna lehilahy manambady lehilahy na vehivavy manambady vehivavy, sy ny fanamasinana ny fanambadian' ny olona manambady ny mitovy fananahana aminy, dia tsy nanao tahaka ny fiangonana loterana ao Etiôpia ny FLM fa manohy hatrany ny fisitrahana famatsiam-bola sy fandrantovana fianarana avy amin' ny ELCA. Maro amin' ny mpino loterana malagasy no manahy na tafintohina amin' ny fandrenesana ny mbola itohizan' izany fiaraha-miasan' ny fiangonana roa tonta izany.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]

Loharano sy fanamarihana

[hanova | hanova ny fango]
  1. https://www.elca.org/News-and-Events/ELCA-Facts. Tahiry tamin'ny 25/09/2016 ao amin'ny Wayback Machine ELCA-Facts website
  2. "Summary of Congregational Statistics as of 12-31-2022". Evangelical Lutheran Church in America. December 31, 2022. Retrieved December 21, 2023.
  3. "Religious Landscape Study". pewforum.org. Pew Research. Notsidihina tamin'ny 22/ 11/ 2018.
  4. "National Council of Churches USA" Archived Aogositra 30, 2013 at the Wayback Machine. Ny laharana tamin'ny 2012 dia izao: Fiangonana katolika, ny Southern Baptist Convention, ny United Methodist Church, ny Fiangonan'i Jesoa Kristy ho an'ny Olomasin'ny Andro Farany, ny Church of God in Christ, ary ny National Baptist Convention, USA, vao izay ny ELCA.
  5. "Quick Facts". ELCA. Tahiry tamin'ny 26/10/2007 avy tamin'ny fototra. Notsidihina tamin'ny 13/12/2007.
  6. Pew Research Center, U.S. Religious Landscape Survey: Religious Beliefs and Practices, Diverse and Politically Relevant: Detailed Data Tables. Washington, D.C.: Pew Forum on Religion and Public Life. June 2008. Notsidihina tamin'ny 21/11/2009.
  7. "WELS Annual repport 2017". Notsidihina tamin'ny 17/04/2018.
  8. ELCA Constituting Convention Archived Novambra 2, 2009 at the Wayback Machine
  9. Jereo: Lowell Almen, One Great Cloud of Witnesses, (Minneapolis:Augsburg Fortress, 1997) pp.9-12 raha hanao tpimaso ny fiforonan'ny ELCA; na ny Roots of the ELCA (Tahiry tamin'ny 03/04/2007, ao amin'ny Wayback Machine (notsidihina tamin'ny 27/03/2007).
  10. 10,0 et 10,1 Nelson, E. Clifford. The Lutherans in North America. Revised ed. Minneapolis: Fortress Press, 1980. p. 509
  11. "Conference of Bishops". ELCA. Notsidihina tamin'ny 23/08/2018.
  12. Raha mitady fanampim-baovao momba ny rafi-pitantanana sy fandaminana ao amin'ny ELCA dia jereo ny 2005 ELCA Constitution. Tahiry tamin'ny 17/03/2007 ao amin'ny Wayback Machine (PDF, notsidihina tamin'ny 27/03/2007).
  13. Jereo Model Constitution for Congregations voatahiry tamin'ny 17/03/2007 ao amin'ny Wayback Machine (notsidihina tamin'ny 27/03/2007), indrindra ny toko faha-5 "Powers of the Congregation" sy ny toko faha-7 "Property Ownership".
  14. Jereo koa http://archive.elca.org/questions/ Archived Oktobra 11, 2008 at the Wayback Machine,  sy http://archive.elca.org/communication/faith.html Archived Septambra 7, 2008 at the Wayback Machine
  15. 15,0 et 15,1 Manaiky ny foto-pampianarana ao amin' ny Bokin' ny Kônkôrdia manontolo izay voasoatra tamin' ny taona 1580 ny loteranisma kônfesionaly.
  16. Ny pietisma dia manindry mafy ny fampianaran' ny Baiboly sady manamafy koa ny fitiavam-bavaka hita ao amin' ny fiangonana nohavaozina, sy ny fanarahana fiainana kristiana velona.
  17. "Institute of Liturgical Studies". Valpo.edu. Valparaiso University. July 18, 2013. Notsidihina tamin'ny 30/11/2013.
  18. Cimino, Richard. Lutherans Today, Eerdmans: Grand Rapids, 2003, pp. 81-101.
  19. Manindrahindra ny fanomezam-pahasoavan' ny Fanahy Masina ny fifohazam-panahy karismatika.
  20. Ny Katôlika evanjelika dia ny Kristiana mitonon-tena ho Katôlika sady manao ny Evanjely ho ivon' ny finoany.
  21. Ny "loteranisman'ny fiangonana avo lenta" (High Church Lutheranism) dia fihetsiketsehana izay niforona tamin'ny taonjato faha-20 tao Eoropa izay manantitra ny fanompoam-pivavahana sy ny foto-pampianarana mitovitovy amin'izay hita ao amin'ny Katolilsisma romana sy ny anglikanisma.
  22. Manandratra ny fiainana anaty fahantrana sy fahadiovam-pitondrantena ary fanajana ny Order of Lutheran Franciscans ("Fikambanan' ny Lotera Fransiskana").
  23. Raha mila fanazavana fanampiny ny amin' ny tantaran' ny ELCA dia jereo koa ny hoe "About the ELCA" ao amin' ny http://www.elca.org. Jereo koa ireto: "With Confidence in God's Future" ho an' ny fiheveran' ny ELCA ny ekiomenisma, ao amin' ny http://archive.elca.org/communication/WithConfidence.doc Archived Aogositra 19, 2008 at the Wayback Machine, na amin' ny http://archive.elca.org/communication/WithConfidence.pdf Archived Aogositra 19, 2008 at the Wayback Machine.
  24. Jereo: The Bible ao amin' ny tranonkalan' ny ELCA, na ny Higher Criticism Archived Oktobra 18, 2009 at the Wayback Machine ao amin' ny Christian Cyclopedia.
  25. http://www.elca.org/Growing-In-Faith/Worship/Learning-Center/The-Use-of-the-Means-of-Grace.aspx Voatahiry tamin'ny 15/10/2009, ao amin'ny Wayback Machine.
  26. The Solid Declaration of the Formula of Concord, Article 8, The Holy Supper, paragraph 38. Archived Oktobra 21, 2019 at the Wayback Machine
  27. Augsburg Confession (Invariata), Article 10: Of the Lord's Supper.
  28. 28,0 et 28,1 "Summary - The Cooperative Clergy Study Project - Data Archive - The Association of Religion Data Archives" Archived Oktobra 25, 2019 at the Wayback Machine.
  29. Kuruvilla, Carol (May 9, 2018). "Black Women Bishops Are Making History In This Predominantly White Church". HuffPost. Notsidihna tamin'ny 27/06/2019.
  30. JTF-Human-Sexuality, Voatahiry tamin' ny 05/11/2009, ao amin' ny Wayback Machine
  31. Luo, Michael; Capecchi, Christina (August 22, 2009). "Lutheran Group Eases Limits on Gay Clergy". The New York Times. Notsidihina tamin'ny 01/04/2010.
  32. One news Archived Jolay 19, 2011 at the Wayback Machine, Notsidihina tamin'ny 17/01/2011
  33. 33,0 et 33,1 "ELCA Council Adopts Significant Revisions to Ministry Policies" (Vaovao an-gazety). Evangelical Lutheran Church in America. April 11, 2010. Notsidihina tamin' ny 30/04/2010.
  34. "Lutheran assembly elects first openly gay bishop". The Virginian-Pilot. June 1, 2013. Notsidihina tamin' ny 3/01/2013.
  35. "Meet the First Trans Pastor Officially Ordained by the Evangelical Lutheran Church". July 6, 2015. Notsidihina tamin 'ny 21/08/2016.
  36. Lewis D. Eigen, "Rights & Protections of Coming Human Clones: A Remarkable Lutheran View", Scriptamus, March 19, 2010,
  37. "Same-sex unions accepted by Evangelican Lutherans". Archived Jiona 30, 2015 at the Wayback Machine
  38. Robert P. Jones and Daniel Cox. Mainline Protestant Clergy Views on Theology and Gay and Lesbian Issues: Findings from the 2008 Clergy Voices Survey. p. 7. Accessed online on September 26, 2009 at "Archived copy" (PDF). Tahiry avy amin'ny lahatsoratra voalohany (PDF) tamin'ny 21/08,/010. Notsidihina tamin'ny 26/09/2009.
  39. Spring, Paull W. Update on Lutheran CORE's Convocation Archived Jolay 27, 2011 at the Wayback Machine, Notsidihina tamin' ny 27/09/2009;
  40. "A Vision and Plan for The North American Lutheran Churchand Lutheran CORE" Voatahiry tamin' ny 04/03/2010 ao amin' ny Wayback Machine
  41. Communication-Services/News, Voatahiry tamin' ny 21/01/2011 ao amin' ny Wayback Machine
  42. 42,0 et 42,1 Ethiopian Church Severs Ties With Lutherans Over Homosexuality. Notsidihina tamin'ny 08/03/2016