Fanamasinam-panambadian' ny mitovy fananahana

Avy amin'i Wikipedia
Fanamasinam-panambadian' ny mitovy fananahana

Ny fanamasinam-panambadian' ny mitovy fananahana dia olana iray izay tsy ifanarahan' ny fiangonana kristianina. Ny kristianisma mihazona ny mahazatra dia mampianatra fa ny firaisan' ny samy lehilahy na samy vehivavy dia fahotana ary ny fanambadiana masina dia tsy misy afa-tsy olona roa lahy sy vavy. Ireo tsy fitovian-kevitra ireo dia mifototra indrindra amin' ny fandikana ireo andalan-tsoratra samihafa ao amin' ny Baiboly miresaka ny amin' ny firaisan' ny samy lehilahy na samy vehivavy, ny lovam-pampianarana masina, ary any amin' ny fiangonana sasany momba ny fahatakarana samihafa momba ny firaisan' ny samy lehilahy na samy vehivavy amin' ny resaka psikôlôjia, fototarazo ary angona siantifika hafa. Na dia samy manana fomba amam-panao sy fampianarana maro samihafa aza ny rafi-piangonana, ny kristianina tsirairay avy amin' ny lovam-pampianarana lehibe rehetra dia mandray anjara amin' ny fifanakalozan-kevitra azo ampiharina (ôrtôpraksia) momba ny fomba hamahana ilay olana.

Misy tokoa ny fiangonana mankasitraka sy manamasina ny fanambadian' ny mitovy fananahana, indrindra fa ireo fiangonana any Amerika sy any Eorôpa. Ahitana ireo fiangonana ireo ny firehana maro ao amin' ny kristianisma, indrindra ny fiangonana kristiana liberaly (izay mety ahitana izany ny fiangonana loterana sasany, anglikana sasany, presbiteriana sasany sns). Ny eglizy katôllika apôstôlika rômanina dia tsy mitso-drano ny fanambadian' ny mitovy fananahana.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]