Presbiterianisma

Avy amin'i Wikipedia
Sauter à la navigation Sauter à la recherche

Ny presbiterianisma dia endriky ny protestantisma kalvinista izay nivoatra indrindra tao Ekôsy avy eo tao Irlady Avaratra ary tany Etazonia. Ny fototra ara-teolojia dia itoviany amin'ny Fiangonana nohavaozina rehetra, nefa nampiasaina manokana ny teny hoe presbiteriana mba hanondroana ireo fiangonana miteny anglisy amin'ny ankamaroany izay isan'ireo nanaraka ny fombam-pivavahana nolovaina tamin'ny Fiangonan'i Ekôsy. Ny ankamaroan'ny Kalvinista anglisy, izay atao hoe poritàna (anglisy: puritans) amin'ny ankapobeny, dia nitoetra niaraka tao amin'ny Fiangonan'i Angletera, izay nitandrina ny fiekem-pinoana kalvinista, dia ny Fiekem-pinoan'i Westminster, afa-tsy ireo izay niezaka ny hahazoan'ny Fiangonana fahaleovan-tena tanteraka amin'ny Fanjakana, ka nanjary kongregasionalista. Ny ezaka famitana iraka (misiona) hampiely ny Filazantsara dia nandroso tokoa teo amin'ireo Presbiteriana ka nitarika famoronana fiangonana presbiteriana maneran-tany.