Fiangonan' i Soeda

Avy amin'i Wikipedia
Sainan' ny Fiangonan' i Soeda

Ny Fiangonan' i Soeda dia fiangonana loterana evanjelika nasiônaly any Soeda, izay fiangonam-panjakana izy teo aloha, ao Uppsala ny foibeny, misy mpikambana 5,6 tapitrisa eo ho eo tamin' ny faran' ny taona 2021, io no antokom-pivavahana kristiana lehibe indrindra any Soeda, fiangonana loterana lehibe indrindra any Eorôpa ary fahatelo lehibe indrindra eran-tany, aorian' ny Ye Ethiopia Wongelawit Bete Kristian Mekane Yesus (fiangonana loterana any Etiôpia) sy ny Kanisa la Kiinjili la Kilutheri Tanzania ("Fiangonana Loterana Evanjelikan' i Tanzania"). Amin' ny teny soedoà izy dia atao hoe Svenska kyrkan.

Mpikambana ao amin' ny Porvoo Communion ("Fiombonan' i Porvoo") ilay fiangonana, ary manaraka ny sampana loteranan' ny prôtestantisma. Ahitana diôsezy telo ambin' ny folo, mizara ho paroasy. Izy io dia fiangonana nasiônaly misokatra, miasa maraka fandaminana demôkratika sy amin' ny alalan' ny ministeran' ny Fiangonana, mandrakotra ny firenena manontolo. Ny arsevekan' i Uppsala no primatan' ny Fiangonan' i Soeda sady metrôpôlitan' i Soeda manontolo.

"Fiangonana ambony" izy raha ny litorjia sy ny teôlôjia, nitazona ny fisian' ny pretra sy ny akanjo, ary ny lamesa nandritra ny Refôrmasiôna Soedoà. Miombona amin' ny fiangonana loterana evanjelika hafa (indrindra fa any amin' ny fanjakana nôrdika sy baltika) ny Fiangonan' i Soeda izay mitazona ny episkôpata ara-tantara sy milaza ho manohy ny fifandimbiasana apôstôlika. Ny fiangonana loterana sasany dia manana rafi-pitantanam-piangonana kôngregasiônaly na episkôpaly nasiam-panovana tsy misy fifandimbiasana apôstôlika, fa ny episkôpata ara-tantara kosa dia nohazonina tany Soeda sy any amin' ny fiangonana loterana hafa sasany ao amin' ny Fiombonan' i Porvoo. Ny kanônan' ny Fiangonan' i Soeda dia milaza fa ny finoana sy ny fiekem-pinoana ary ny fampianaran' ny Fiangonan' i Soeda dia raisina ho fanehoana ny finoana kristiana katôlika. Milaza koa izy fa izany dia tsy mamorona fandikan-kevitra vaovao miavaka, fa mahakasika ny finoana apôstôlika araka ny nampitana azy tamin' ny lovan' ny fiangonana, foto-kevitra mitovy amin' ny foto-pampianarana hoe "nohavaozina sy katôlika" hita ao amin' ny Fiombonana Anglikana.

Rehefa nohamasinina ho evekan' i Stockholm i Eva Brunne tamin' ny taona 2009, dia izy no eveka lesbiana voalohany teto an-tany, izany hoe manambady vehivavy samy vehivavy.

Ny mpikambana miisa 5 563 351 ao aminy tamin' ny faran' ny taona 2022 dia 52,8 % amin' ny Soedoà. Hatramin' ny taona 2000 dia fiangonam-panjakana ity fiangonana ity. Avo dia avo ny isan' ny mpikambana satria, hatramin' ny taona 1996, dia lasa mpikambana avokoa ny zaza vao teraka, raha tsy hoe nanafoana ny maha mpikambana azy ny ray aman-dreniny. Manodidina ny 2 % amin' ny mpikambana ao amin' ilay fiangonana no manatrika tsy tapaka ny fanompoam-pivavahana Alahady. Araka ny fitsapan-kevitra iray tamin' ny taona 2009 dia 17 % amin' ny Soedoà no mihevitra ny fivavahana ho ampahany lehibe amin' ny fiainany andavanandro.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]