Aller au contenu

Loteranisman' ny fiangonana ambony

Avy amin'i Wikipedia

Ny loteranisman' ny fiangonana ambony dia hetsika izay nanomboka tany Eorôpa tamin' ny taonjato faha-20 izay nanantitrantitra ny fanao momba ny fanompoam-pivavahana sy ny foto-pampianarana mitovy amin' izay hita ao amin' ny katôlisisma rômana sy ny ôrtôdôksia tatsinanana ary ny anglô-katôlisisma. Amin' ny fampiasana ankapobeny kokoa an' io andian-teny io dia mamaritra ankapobeny ny toetran' ny "fiangonana ambony" an' ny loteranisma any amin' ny firenena nôrdika sy baltika toa an' i Soeda, i Failandy, i Estônia ary i Letônia. Ireo firenena voatonona ireo, izay tao amin' ny Empiran' i Soeda taloha, dia niaro kokoa ny lova katôlika.