Famelan-keloka

Avy amin'i Wikipedia
Ny Fiverenan' ny zanaka adala, sary nataon' i Rembrandt (taona 1668).

Ny famelan-keloka dia famelana ny fahadisoana. Izany dia midika fiheverana intsony ny ratsy natao, ny fandikan-dalàna, na ny fahadisoana, ho tsy misy ary tsy fieritreretana intsony ny hamaly faty (amin' ny olona tsirairay), na hanenjika sy hanasazy ny tompon' andraikitra (amin' ny fanjakana). Tsy tokony hafangaro amin' ny famotsoran-keloka anefa ny famelan-keloka izay famafana tsotra ny sazy.

Ny famelan-keloka dia azo takarina amin' ny fomba samihafa arakaraky ny toe-javatra sy sehatra heverina: fivavahana, filôzôfia, psikôlôjia, fiarahamonina na pôlitika.