Aller au contenu

Fiangonana Loterana Eran-Tany

Avy amin'i Wikipedia
Sary sy soratra famantarana ny Lutherischer Weltbund

Ny Fiangonana Loterana Eran-Tany, izay hafohezina amin' ny hoe FLET dia fiombonana maneran-tanin' ny fiangonana loterana isam-pirenena sy isam-paritra izay manana ny foibeny ao amin' ny Foibe Ekiomenika (Ecumenical Centre) any Geneva (any Soisa). Atao hoe Lutheran World Federation sady hafohezina hoe LWF izy amin' ny teny anglisy, fa Lutherischer Weltbund kosa amin' ny teny alemana.

Ity fikambanana ity dia niorina tao ao amin' ny tanànan' i Lund any Soeda taorian' ny Ady Lehibe Faharoa tamin' ny taona 1947 mba handrindrana ny asan' ny fiangonana loterana maro samihafa. Nanomboka tamin' ny taona 1984 dia niombona polipitra sy alitara ny fiangonana mpikambana, izay nanaraka fotopampianarana iraisana ho fototry ny maha mpikambana sy fototry ny asa fitoriana.

Ny FLET na LWF izao dia misy fiangonana mpikambana miisa 149 ao amin' ny firenena 99, izay ahitana mpino loterana maherin' ny 77 tapitrisa; tamin' ny taona 2022 izy no fiombonam-piangonana kristiana fahenina lehibe indrindra. Miasa amin' ny anaran' ny fiangonana mpikambana ao aminy ny FLET, amin' ny sehatra iraisan' ny rehetra toy ny fifandraisana iraisam-pinoana sy iraisam-piangonana, ny teôlôjia, ny fanampiana amin' ny maha-olona, ​​ny zon' olombelona, ​​​​ny fifaneraserana ary ny lafiny samihafa momba ny asa fitoriana sy fampandrosoana.

Ny Departemantan' ny Fifanampiana Maneran-Tany no sampan' ny FLET momba ny maha-olona sy ny fampandrosoana. Manana fandaharan' asa any amin' ny firenena 24 izy ary mpiara-miombona antoka fahasivy lehibe indrindra amin' ny fampiharana ny United Nations High Commissioner for Refugees - UNHCR ("Kômisarià Ambony ao amin' ny Firenena Mikambana misahana ny Mpitsoa-Ponenana"). Mpikambana ao amin' ny ACT Alliance ny LWF[1].

Tamin' ny 31 Ôktôbra 1999, tany Augsburg (any Alemaina), dia nanao sonia ny "Fanambarana Iraisana momba ny Fotopampianarana ny amin' ny Fanamarinana amin' ny Finoana" (anglisy: Joint Declaration on the Doctrine of Justification), miaraka amin' ny Eglizy Katôlika Rômanina ny LWF. Izany fanambaràna izany dia fiezahana hampihenana ny hantsana ara-teôlôjia manasaraka ny finoana roa tonta. Milaza koa ilay fanambaràna fa tsy mihatra intsony ny fifanamelohana teo amin' ny Eglizy Katôlika tamin' ny taonjato faha-16 sy ny loteranisma. Nisy hetsika mitovy amin' izany koa nitranga tao amin' ny Katedralin' i Lund (soedoà: Lunds domkyrka) tamin' ny faha-499 taonan' ny niandohan' ny Fanavaozana prôtestanta, taminr ny fitsidihan' ny papa Fransoà an' i Skåne, faritany atsimo indrindra any Soeda izay danoà tany am-boalohany.

Manao ôrdinasiôna vehivavy ho mpitondra fiangonana ny 119 amin' ny fiangonana 145 mpikambana (80 %).

Fiangonana lehibe mpikambana

[hanova | hanova ny fango]

Ireto ny fiangonana lehibe mpikambana ao amin' ny FLET (sy ny mpino ao amin' izy ireo tsirairay tamin' ny taona 2021):

  1. ny Ye Ethiopia Wongelawit Bete Kristian Mekane Yesus (10,4 tapitrisa), ao Etiôpia;
  2. ny Evangelical Lutheran Church in Tanzania (7,9 tapitrisa), ao Tanzania;
  3. ny Svenska kyrkan (5,9 tapitrisa), any Soeda;
  4. ny Huria Kristen Batak Protestan (4,5 tapitrisa), any Indônezia;
  5. ny Folkekirken (4,3 tapitrisa), any Danemarka;
  6. ny Fiangonana Loterana Malagasy (4,0 tapitrisa), eto Madagasikara;
  7. ny Suomen evankelis-luterilainen kirkko (3,8 tapitrisa), any Finlandy;
  8. ny Den norske kirke na Den norske kyrkja,(3,7 tapitrisa), any Nôrvezy;
  9. ny Evangelical Lutheran Church in America (3,6 tapitrisa), any Etazonia;
  10. ny Andhra Evangelical Lutheran Church (3,0 tapitrisa), any India;
  11. ny Evangelisch-lutherische Landeskirche Hannovers (2,6 tapitrisa), any Alemaina;
  12. ny Evangelisch-Lutherische Kirche in Bayern (2,3 tapitrisa), any Alemaina;
  13. ny Lutheran Church of Christ in Nigeria (2,2 tapitrisa), any Nizerià;
  14. ny Evangelisch-Lutherische Kirche in Norddeutschland (2,1 tapitrisa), any Alemaina;
  15. ny Evangelische Landeskirche in Württemberg (2,0 tapitrisa), any Alemaina;
  16. ny de Protestantse Kerk in Nederland (1,7 tapitrisa), any Nederlandy;
  17. ny Evangelical Lutheran Church in Namibia (0,9 tapitrisa), any Namibia;
  18. ny Evangelische Kirche in Mitteldeutschland (0,7 tapitrisa), any Alemaina;
  19. ny Evangelisch-Lutherische Landeskirche Sachsens (0,7 tapitrisa), any Alemaina;
  20. ny Igreja Evangélica de Confissão Luterana no Brasil (0,6 tapitrisa), any Brezila;
  21. ny Evangelical Lutheran Church in Southern Africa (0,6 tapitrisa), ao Afrika Atsimo.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]

Loharano sy fanamarihana

[hanova | hanova ny fango]
  1. Ny ACT Alliance dia fikambanana maneran-tany ahitana fiangonana 145 mahery sy fikambanana mifandraika amin' izany avy amin' ny firenena 120 mahery, natsangana mba hanomezana fanampiana maha-olona ho an' ny mahantra sy voailikilika.