Fiangonana Loterana Evanjelikan' i Tanzania

Avy amin'i Wikipedia
Fiangonana ao Dar es Salaam

Ny Fiangonana Loterana Evanjelikan' i Tanzania dia federasiônan' ny Fiangonana loterana ao Tanzania ary iray amin' ny fiangonana loterana nasiônaly lehibe indrindra eran-tany izay manana mpikambana 7,6 tapitrisa mahery, na 13 % amin' ny mponina ao Tanzania. Atao hoe Evangelical Lutheran Church in Tanzania izy amin' ny teny anglisy fa Kanisa la Kiinjili la Kilutheri Tanzania kosa amin' ny teny soahily.

Eveka filoha sy eveka diôsezana dimy amby roapolo, misolo tena ny diôsezy 25, no mitantana ilay fiangonana. Ao Arusha ny foiben' ilay fiangonana, izay nananany ny New Safari Hotel nanomboka tamin' ny taona 1967. Ny fiangonana dia mikambana amin' ny All Africa Conference of Churches (AACC), ny Christian Council of Tanzania, ao amin' ny Global Confessional and Missional Lutheran Forum, ary ao amin' ny Lutheran World Federation io fiangonana io.