Fiangonana Episkôpaliana (Etazonia)

Avy amin'i Wikipedia
Ampingan' ny Fiangonana Episkôpaliana any Etazonia

Ny Fiangonana Episkôpaliana na Fiangonana Episkôpaly dia fiangonana niorina any Etazonia, mpikambana ao amin' ny Anglican Communion maneran-tany. Fivavahana prôtestanta lehibe izy io ary mizara ho faritany sivy. Manana diôsezy any sady manana diôsezy fanampiny any Taiwan, any Mikrônezia, any Karaiba, any Amerika Afovoany ary Amerika Atsimo izy. Ny eveka mpitantana ilay fiangonana dia i Michael Bruce Curry, eveka afrikana-amerikana voalohany nitondra tao amin' io toerana io. Atao hoe Episcopal Church na Protestant Episcopal Church in the United States of America izy amin' ny teny anglisy.

Katedraly Nasiônaly ao Washington (Distrikan' i Columbia)

Tamin' ny taona 2021 dia nisy mpikambana 1 678 157 ny Fiangonana Episkôpaly, ka ny 1 520 388 amin' ireo dia any Etazonia. Tamin' ny taona 2011, io no antokom-pinoana faha-14 lehibe indrindra teo amin' ilay firenena. Tamin' ny taona 2015, ny Pew Research dia nanombatombana fa 1,2 % amin' ny olon-dehibe any Etazonia, na olona 3 tapitrisa, no milaza ny tenany ho Episkôpaliana. Ity fiangonana ity dia nahitana fihenan' ny isan' ny mpikambana ao aminy sy ny fankanesana Alahady nanomboka tamin' ny taompolo 1960, indrindra tany amin' ny faritra Northeast sy Upper Midwest any Etrazonia.

Naorina ilay fiangonana taorian’ ny Revôlisiôna Amerikana, rehefa nisaraka tamin' ny Fiangonan' i Angletera, izay ny mpitondra fivavahany dia tsy maintsy nianiana fa hanaao ny mpanjaka britanika ho "Governora fara tampon' ny Fiangonan' i Angletera" (anglisy: Supreme Governor of the Church of England). Ny Fiangonana Episkôpaly dia mamaritra ny tenany ho "Prôtestanta, nefa Katôlika" ary manamafy ny fifandimbiasana apôstôlika, mampiainga ny evekany avy amin' ny Apôstôly amin' ny alalan' ny filaharana masina. Ny Book of Common Prayer ("Bokin' ny Vavaka Iombona") tamin' ny taona 1979, izay fitambarana fombafomba, tso-drano, litorjia ary vavaka ampiasaina manerana ny Anglican Communion, dia ivon' ny fanompoam-pivavahana episkôpaliana. Fomba fijery ara-teôlôjia an' ny fiangonana mivelatra no hita ao amin' ny Fiangonana Episkôpaly, ao anatin' izany ny fomba fijery evanjelika sy anglô-katôlika ary ny fomba fijerin' ny "fiangonana midadasika".

Ara-tantara, ny mpikambana ao amin' ny Fiangonana Episkôpaly dia nitana andraikitra lehibe tamin' ny lafiny maro amin' ny fiainan' ny Amerikana, anisan' izany ny pôlitika, ny fandraharahana, ny siansa, ny zavakanto ary ny fanabeazana. Eo amin' ny telo ampahefatry ny nanao sonia ny "Fanambaràna ny Fahaleovantena" no nikambana tamin' ny Fiangonana Episkôpaly, ary maherin' ny ampahefatry ny filohan' i Etazonia rehetra no episkôpaliana. Ara-tantara, ny Kristiana episkôpaliana dia hita betsaka teo amin' ireo sangany amin' ny siansa sy nahazo ny loka Nobel tao Etazonia. Episkôpaliana ny ankamaroan' ny fianakaviana amerikana mpanankarena sy mahataona indrindra, toa an' ny Boston Brahmins, ny Old Philadelphians, ny Tidewater, ary ny Lowcountry gentry na Old money. Tamin' ny faramparan' ny taonjato faha-19 sy tamin' ny fiandohan' ny taonjato faha-20 dia maro ny Episkôpaliana no navitrika tao amin' ny hetsika "Filazantsara Sôsialy".

Nanomboka tamin' ny taompolo 1960 sy 1970 ilay fiangonana dia nanohy ny lalana kristianisma liberaly kokoa; mbola betsaka ny mpandala ny liberalisma sy ny mpandala ny nentin-drazana ao anatin' ilay fiangonana. Nanohitra ny fanamelohana ho faty izy ary nanohana ny hetsika ho an' ny zo sivily. Mitaky ny fitovian-jo tanteraka eo amin' ny lalana ho an' ny LGBT ilay fiangonana. Tamin' ny taona 2015, ny Fivoriambe (General Convention) an' ilay fiangonana telo taona faha-78 dia namoaka fanapahan-kevitra manome alalana ny fitsofan-drano ny fanambadian' ny samy lahy na ny samy vavy ary nankatoavina ny litorjia ôfisialy roa hitsofan-drano ny fanambadiana toy izany.

Noho izany fironana izany, ny fivoriambe efatry ny diôsezin' ny Fiangonana Episkôpaly tamin' ny taona 2007 sy 2008 dia nifidy ny handao an' io fiangonana io ary hiditra ao amin' ny Anglican Church of South America ("Fiangonana Anglikana any Atsimo amin' i Amerika"). Fitondrana roa ambin' ny folo hafa, izay misy olona 100 000 eo ho eo tamin' izany fotoana izany no nanangana ny Anglican Church in North America ("Fiangonana Anglikanina any Amerika Avaratra") tamin' ny 3-4 Desambra 2008. Ny Anglican Church in North America ("Fiangonana Anglikanina any Amerika Avaratra)" sy ny Fiangonana Episkôpaliana dia tsy misy fiombonana tanteraka.