Rajoelina Andry
Andry Nirina Rajoelina | |||
Ankapobeny | |||
Anarana | Andry Nirina Rajoelina | ||
Teraka | 30 Mey 1974 | ||
Fiaviana sy ny andraikitra | |||
Firenena | Madagasikara | ||
Asa : | Filoham-pirenena | ||
Fiainana manokana | |||
Seha-pitiavana | Manambady | ||
Rajoelina Andry, avy amin' ny anarany feno Rajoelina, Andry Nirina dia mpanao pôlitika manam-piaviana malagasy, mizaka ny zom-pirenena frantsay[1], izay filohan' i Madagasikara nanomboka tamin' ny taona 2019. Teraka tamin' ny 30 Mey 1974 izy. Nitantana ny Tetezamita izy hatramin' ny taona 2009 ka hatramin' ny 2014 taorian' ny krizy pôlitika sy fanonganam-panjakana notohanan' ny miaramila[2].
Talohan' ny nidiran-dRajoelina tamin' ny pôlitika dia nirotsaka tamin' ny fandraharahana teo amin' ny sehatra tsy miankina i Rajoelina, anisan' izany ny orinasa mpanao pirinty sy dokam-barotra antsoina hoe Injet tamin' ny taona 1999 sy ny tambajotran' ny radiô sy fahitalavitra Viva tamin' ny taona 2007.
Izy no nanangana ny antoko politika Tanora Gasy Vonona (TGV) ary lany ho ben' ny tanànan' Antananarivo nandritra ny herintaona, nanomboka tamin' ny 12 Desambra hatramin' ny 3 Febroary 2009 mialoha ny namindrany ny fahefana amin' i Michèle Ratsivalaka izay nosoloina koa an' i Edgard Razafindravahy avy any Ambohimalaza toa an' i Rajoelina.
Nandritra izany dia nitarika ny hetsika nanoherana ny filoha Marc Ravalomanana izay ka niafara tamin' ny krizy pôlitika tamin' ny taona 2009 izany. Notendren' ny filankevitra miaramila ho filohan' ny Fahefana Avon' ny Tetezamita (FAT) i Rajoelina, tamin' ny alalan' ny hetsika izay nosokajin' ny fianakaviambe iraisam-pirenena ho fanonganam-panjakana. Nanao fianianana amin' ny maha filohan' ny Tetezamita azy izy tamin' ny 21 Marsa 2009 na dia tsy nankatoavin' ny fianakaviam-be iraisam-pirenena aza izany.
Noravan-dRajoelina ny Antenimieran-doholona sy ny Antenimieram-pirenena, ary namindra ny fahefan' izy ireo tamin' ny rafitra vaovao isan-karazany miandraikitra ny fanaraha-maso ny tetezamita mankany amin' ny fahefana vaovao manaja ny lalàmpanorenana. Nifanohitra tamin' ny dingana nateraky ny fanelanelanana iraisam-pirenena izay nikendry ny hananganana governemanta tetezamita izany. Nankatoavin' ny mpifidy ny lalàmpanorenana vaovao tamin' ny fitsapan-kevi-bahoaka nahabe resaka tamin' ny Nôvambra 2010, izay nampiditra an' i Madagasikara ao amin' ny Repoblika fahefatra. Nitana ny maha filohan' ny FAT azy hatramin' ny fifidianana solombavambahoaka tamin' ny taona 2013 i Andry Rajoelina ka tsy nametra-pialana raha tsy tamin' ny taona 2014. Nandrombaka ny fifidianana filoham-pirenena tamin' ny taona 2018 izy ary nanao fianianana ho filohan' i Madagasikara tamin' ny 19 Janoary 2019.
Tafiditra tao anatin' ny fe-potoam-piasany ny valanaretina Covid-19 teto Madagasikara, izay nampielezany vaovao diso sy nampandrosoany fitsaboana tsy voaporofo momba ity aretina ity. Namely ny firenena koa ny krizy ara-tsakafo tamin' ny 2021 sy ny rivodoza Batsirai.
Fiainana ivelan' ny pôlitika
[hanova | hanova ny fango]Fianakaviana
[hanova | hanova ny fango]Rajoelina Andry Nirina dia teraka tao amin' ny fianakaviana nanana ny ampy, tamin' ny 30 Mey 1974 tao Antsirabe[3]. Merina avy ao afovoan-tanin' i Madagasikara izy. Manamboninahitra ao amin' ny tafika malagasy ny rainy, Kôlônely Roger Yves Rajoelina (izay niady tao amin' ny tafika frantsay ho an' i Frantsa nandritra ny Ady tao Aljeria[4][5] sy lasa miaramila mpampianatra tao amin' ny Akademia miaramila tao Antsirabe taty aoriana) sy i Olga Rakotomalala Rasoanjanahary. I Andry Rajoelina dia zanakalahy tokana, manana 04 anabavy efatra. Tao Antsirabe avy eo tao Antananarivo no nandaniany ny fahazazany.
I Mialy Razakandisa, izay zanakavavin' i Nicole Razakandisa, vehivavy mpandraharaha (maty tamin' ny taona 2012) izyno vadiny. Talohan' ny nandehanan' i Mialy ho any Paris (Frantsa) ka nitoerany any nandritra ny enin-taona tamin' ny fianarany momba ny fitantanana sy ny fitantanam-bola, no nanaovana ny fifamofoana. Tamin' ny taona 2000 no nanatanterahan' izy ireo ny fananambadiany. Teny amin' ny Katedralin' Andohalo no nanatanterahana ny lanonana izay nahitana mofomamy mariazy mirefy 4 m miendrika lalamby. Manan-janaka miisa telo mianadahy izy ireo, roa lahy sy vavy tokana, dia i Arena (teraka tamin' ny taona 2001) sy i Ilontsoa (teraka tamin' ny taona 2004) ary i Andrialy (teraka tamin' ny taona 2005).
Fandraharahana
[hanova | hanova ny fango]Teo amin' ny faha-17 taonany, dia nanangana vondron-tanora tia mozika, dihy, kolontsaina ary fialamboly isan-karazany i Andry Rajoelina. Nitarika an' ity vondrona ity sady nanao hetsika ara-kolontsaina isan-karazany. Tamin' ny taona 1994 dia nanomboka ny asany amin' ny maha mpandraharaha hetsika azy i Andry Rajoelina. Izy no mikarakara ireo hetsika malaza ao Antananarivo ary nanomboka ny "Live" takariva[6]. Tamin' ny taona 1998, niaraka tamin' ny fanohanan' ny orinasa Fiaro, sampan' ny orinasa fiantohana ARO, izay an' ny fanjakana, dia namorona ny orinasam-panontana printy nomerika sy fitantanana takela-by fametahana dokam-barotra Injet izy, ary lasa tompony 100 % taty aoriana. Ity no orinasa voalohany eto Madagasikara nahazo teknôlôjia fanontana printy amin' ny velarana lehibe dia lehibe, izay nahafahany nanjaka haingana eo amin’ ny tsenan’ ny fampirantiana dokam-barotra. Ny fahombiazan' ny Injet dia nahazoany fahatokisana tanteraka tamin-dRaharifidy tompon' ny DomaPub, izay novidiny tamin' ny taona 2000, orinasa miompana amin' ny dokam-barotra sy ny fifandraisana[6]. Voafidin’ ny gazetiboky Eco-Austral ho mpitantana mahay indrindra tamin' ny taona 2000 izy.
Tamin’ ny taona 2003 dia nosafidin' ny Banque Nationale de l'Industrie (BNI) ho mpitantana tsara indrindra tamin’ io taona io i Andry Rajoelina, ary nahazo findramam-bola amin' ny zana-bola aotra tamin’ ity banky ity ho valisoany. Avy eo izy dia nampiasa vola tao amin' ny valan-takela-by mazava fanaovana dokam-barotra Trivision, saingy ny taona nanaraka dia nolavin' ny manampahefana malagasy ny fametrahana ireo karazana takela-by vaovao ireo[7].
Tamin’ ny taona 2007 dia nanitatra ny fampiasam-bolany tamin' ny haino aman-jery i Andry Rajoelina tamin' ny nividianany ny radio sy fahitalavitra Ravinala, izay an' ilay mpanao pôlitika Norbert Ratsirahonana, ka nomeny anarana hoe Viva[8].
Nahazo ny zom-pirenena frantsay
[hanova | hanova ny fango]Nipetraka tany Frantsa ny fianakaviana Andry Rajoelina taorian' ny fanekeny ny hisitaka amin' ny fanaovana pôlitika mba hahafahan' ny firenena hiverina amin' ny lamina araka ny lalàm-panorenana. Tamin' ny taona 2013 no nanaovany fangatahana zom-pirenena frantsay ka tamin' ny taona 2014 no nahazoany izany. Nivoaka ny didim-panjakana nosoniavin' ny praiminisitra frantsay Manuel Valls sy ny minisitry ny atitany frantsay Bernard Cazeneuve, tamin' ny 19 Nôvambra 2014 tamin' io taona io. Niseho tao amin' ny gazetim-panjakana frantsay tamin' ny 21 Nôvambra 2014 ny fanapahan-kevitra momba izany. I Mialy Razakandisa vadiny sy ny zanany telo koa dia misitraka izany zom-pirenena frantsay izany[1] [9] [10].
Tsy nambarany na tamin' ny Malagasy izany ary tsy nanao fanambaràna momba izany koa izy tamin' ny fametrahany ny antontan-taratasy filatsahan-ko fidina ho filoham-pirenena ka afaka nilatsaka soa aman-tsara. Taty amin' ny volana Jona 2023 vao nivoaka tao amin' ny tambajotran-tserasera sy nohamafisin' ny fampahalalam-baovao frantsay ny porofo momba io fananany zom-pirenena frantsay nangatahina io.
Niteraka resabe sy ady hevitra teo amin' ny mpanao pôlitika sy ny mpahay lalàna ary ny mpanaraka ny raharaham-pirenena malagasy izany zavatra izany, ka tao ny nanamaivana izany noho ny fiheverany fa efa tsy nampiharina hatry ny ela ny lalàna malagasy momba ny maha olom-pirenena, ka sady Malagasy no Frantsay i Andry Rajoelina hoy izy ireo. Ao koa ireo nihevitra fa efa tsy Malagasy i Andry Rajoelina izay nanomboka nitondra an' i Madagaskara amin' ny maha filohan' ny Repoblika azy tamin' ny taona 2019, ka tokony hametra-pialana na hesorina fa mpamadika tanindrazana.
Ben' ny tanànan' Antananarivo
[hanova | hanova ny fango]Fahalaniana ho ben' ny tanàna
[hanova | hanova ny fango]Niroso amin' ny fifaninanana ho ben' ny tanànan' Antananarivo tao amin' ny fikambanana Tanora Gasy Vonona (TGV) i Andry Rajoelina, ka tamin' ny 12 Desambra 2007 dia voafidy ho ben' ny tanànan' Antananarivo izy tamin' ny vato 63,27 %,
Tamin' ny 3 Nôvambra 2007 no nanambaran' i Andry Rajoelina fa kandida ben' ny tanànan' ny renivohitr' i Madagasikara izy, ary namorona ny fikambanana Tanora Gasy Vonona na TGV. Nanambara ny tenany ho tsy miankina sy tsy mikambana amin' ny mpanohitra izy. Tamin' ny 12 Desambra 2007 no lany ho ben' ny tanànan' Antananarivo tamin' ny vato 63,27 % nanoloana ny kandidàn4 ny antokon' ny mpitondra Tiako I Madagasikara (TIM)[8], na dia teo aza ny sakantsakana nataon' ny fitondran' i Marc Ravalomanana. Ben' ny tanànan' Antananarivo izy hatramin' izay ka hatramin' ny 3 Febroary 2009, mialoha ny nametrahany ny fahefana amin' i Michèle Ratsivalaka izay nosoloina koa an' i Edgard Razafindravahy avy any Ambohimalaza toa azy.
Tamin' ny taona 2008 no nanombohany ny fanamboarana ny Lapan' ny Tanànana, izay nisy nandoro 36 taona talohan' izay, tamin' ny 13 Mey 1972 taorian' ny hetsiky ny mpianatra tamin' izany fotoana izany, ary nanolotra volavolam-panangonana tamin' ny filoham-pirenena Ravalomanana Marc izy mba hanangonana ny vola ilaina amin' ny asa famitana ny asa[11]. Nanomboka ny 17 Mey 2008 ny fanamboarana ny lapan' ny tanàna.
Tsy fifanarahana tamin' ny fitondram-panjakana
[hanova | hanova ny fango]Ny fifandirana voalohany teo amin' i Andry Rajoelina sy ny filoha Ravalomanana dia nanomboka tamin' ny taona 2003, raha nitaky ny fitondra-panjakana ny mba hanesorana ny takelaka fanaovana dokam-barotra Trivision voalohany teto Antananarivo, izay napetrak' i Rajoelina teo amin' ny rondronana lehibe iray tao an-drenivohitra.
Nanambara izy fa misakantsakana ny fanatanterahany ny andraikiny eo amin' ny fitantanan-draharaha sy ny fitantanam-bola ny zavatra ataon' ny fitondram-panjakana. Io no fiandohan' ny fifandonana teo amin' i Andry Rajoelina sy i Marc Ravalomanana.
Ny krizy pôlitika 2009 sy ny fitondrana tetezamita
[hanova | hanova ny fango]Ny krizy tamin' ny taona 2009
[hanova | hanova ny fango]Nanozongozona ny fitondran' i Marc Ravalomanana ny hetsi-panoherana tamin' ny taona 2008, taorian' ny nahazoan' ny filohan' ny Repoblika tamin' izany fiaramanidina vaovao mitentina 60 tapitrisa dôlara, sy ny fampindramana tany 1,3 tapitrisa hekitara ho an' ny orinasa Daewoo Logistics, ary ny fampitsaharana ny fanampiana ara-tetibolan' ny kaominina avy amin' ny mpiara-miombon' antoka ara-teknika sy ara-bola. Tamin' ny 17 Desambra 2008, taorian' ny fanakatonan' ny fanjakana ny fahitalavitra Viva TV, taorian' ny fandefasana ny tafatafa nataon' ny filoha teo aloha Didier Ratsiraka, dia nitaky ny hanokafana an' ilay fahitalavitra i Andry Rajoelina ary namoaka teny fampitandremana farany, izay lany fe-potoana tamin' ny 13 Janoary 2009. Nitarika hetsika goavana hanoherana ny fitondran-dRavalomanana tao an-drenivohitra izy avy eo[12], hetsika izay niafara tamin' ny fanonganam-panjakana sy nitarika ny fametraham-pialan' ny filohan' ny Repoblika tamin' ny 17 Marsa 2009 sy fidiran' ny firenena amin' ny Tetezamita tamin' ny 21 Marsa 2009 ka i Andry Rajoelina no filohan' ny Fahefana Avon' ny Tetezamita (FAT). Amin' ireo izay tsy momba azy ihany koa anefa dia betsaka ny olona maty noho ny nataony ary betsaka ny olon-dratsy izay nivoaka ny fonja noho izy[13].
Filohan' ny Tetezamita
[hanova | hanova ny fango]Tamin' ny 17 Marsa 2009 dia lasa Filoha Avon' ny Tetezamita tao amin' ny Repoblikan' i Madagasikara i Andry Rajoelina ary nanao sonia ny didy hitsivolana faha-2009-003 izay nametraka ny Fahefana Avon' ny Tetezamita (FAT) sy ny fanafoanana ny Antenimiera izay voafidim-bahoaka. Nanaiky ary nandraikitra izany famindràm-pahefana izany ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana[14]. Nanao ny fianianana amin' ny maha filohan' ny Tetezamita azy i Andry Rajoelina tamin' ny 21 Marsa 2009 na dia tsy nankatoavin' ny fianakaviambe iraisam-pirenena aza izany. Nentiny tamin' izany ny taratasy avy amin' ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana izay tsy azo lazaina ho didy satria taratasy tsotra fa tsy didim-panjakana.
Lasa filohan' ny Tetezamita izy taorian' ny fifampiraharahana teo ambany fanelanelanan' ny mpitarika ny Fiombonan' ny Fiangonana Kristiana eto Madagasikara (FFKM) aloha, avy eo teo ambany fanelanelanan' ny fianakaviambe iraisam-pirenena tao Antananarivo, tany Addis Abeba (Etiôpia), tany Pretoria (Afrika Atsimo), tany Sandton (Afrika Atsimo) ary tany Gaborone (Bôtsoana).
Nananatanterahana fifidianana lalàmpanorenana vaovao i Andry Rajoelina tamin' ny alalan' ny fitsapan-kevi-bahoaka izay nahalany ny "Eny" tamin' ny 74 % amin' ny isam-bato, koa dia teraka tamin' ny 11 Desambra 2010 ny Repoblika fahefatra izay. Tamin' ny taona 2011, ny fanapahan-kevitra ny amin' ny hisian' ny fiaraha-mitantana araka ny sori-dalana nasain' ny fianakaviambe iraisam-pirenena nohajaina. Naato vokatr' izany ny fampiharana ilay lalàmpanorenana vao lany teo. Ankolafy pôlitika miisa efatra no nitarika ny firenena, dia ny ankolafy Ravalomanana, ny ankolafy Didier Ratsiraka, ny ankolafy Zafy Albert ary ny ankolafy Andry Rajoelina, ka i Andry Rajoelina no ny filohan' ny Tetezamita.
Ny volana Janoary 2012, noho ny fivoahan' ny NOTAM (fanafohezana ny hoe: notice to airmen, "Filazana ho an' ny mpamily fiaramanidina") izay tsy nahafanan' ny fiaramanidina nitondra ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana niditra eto Madagasikara, voatery niverina tany Afrika Atsimo ilay filoham-pirenena taloha. Tsy nanaiky nidina tamin' ilay fiaramanidina i Ravalomanana. Ho an' ny mpikambana ao amin' ny antoko pôlitika TIM, dia tsy fanajana ny tondrozotra ("feuille de route") izany [15]. Ary na dia nilaza aza izy fa tsy izany no antony namoahany ny NOTAM, dia heverin' ny mpanohitra azy fa noho izy no tsy nahafahan' ny filoha taloha Marc Ravalomanana tonga teto Madagasikara ny volana Janoary 2012[15]. Araka ny filohan' ny tetezamita dia "tsy tokony hanindry ny firenentsika na lalàna na firenena"[16]. Ny mety ho tanjony namoahany io NOTAM io dia hahamora ny fisamborana ny filoha Ravalomanana (izay voasazy hanao asa an-terivozona mandrapahafaty[17]). Ho an' ny tale jeneralin' i Aviaton Civil de Madagascar (ACM) indray dia mampatahotra io fampiasana amin' ny tanjona ara-pôlitika ny NOTAM io; satria araka ny lazain' ny Organisation de l'aviation civile internationale (OACI), dia tokony ampiasaina amin' ny tanjona aerônaotika, amin' ny fizorana sy ny filaminana ihany izany [18].
Nahazao anarana hoe "Tetezamiitatra" ity vanim-potoana ity noho ny faharetany nandritra ny dimy taona, mitovy faharetana amin' ny fotoam-piasan' ny filohan' ny Repoblika voafodim-bahoaka ara-dalàna.
Tsy fahafaha-milatsaka ho filoham-pirenena tamin' ny 2013
[hanova | hanova ny fango]Filatsahan-ko fidina tsy neken' ny fianakaviambe iraisam-pirenena
[hanova | hanova ny fango]Noho ny tsy faneken' ny Fianakaviambe iraisam-pirenena sy ny fanajanonana ny fanampiana ara-bola vokatr' izany, dia nahemotra ho amin' ny 25 Ôktôbra ny fihodinana voalohany amin' ny fifidianana filoham-pirenena [19]. Amin' ny 20 Desambra 2013 ny fihodinana faharoa. Efa niova im-betsaka ny datin' ny fihodinana voalohany: Mey 2011, Septambra 2011, May 2012, Nôvambra 2012, Mey 2013, Jolay 2013 ary Aogositra 2013 [20]. Amin' ny 8 Avrily hatramin' ny 28 Avrily ny daty fametrahana ny kandidatiora any amin' ny Filankevitra Manokana momba ny Fifidianana (Conseil Economique Spécial -- CES)[21].
Tamin' ny 15 Janoary 2013 dia nilaza i Andry Rajoelina fa tsy hirotsaka ho kandidà amin' ny fifidianana filoham-pirenena 2013 [22], alohan' ny fivadi-keviny tamin' ny 3 Mey 2013 [23]. Nandiso fanantenana an' i Frantsa ny fiovan-kevitr' i Rajoelina sy ny fanekena ny kandidatioran' i Didier Ratsiraka sy Lalao Ravalomanana[24]. Noteren' ny fianakaviambe iraisam-pirenena hanaisotra ny firotsahany hofidiana, niaraka tamin' ny an' i Lalao Ravalomanana sy ny an-dRatsiraka Didier Ignace, i Andry Rajoelina.
Tamin' ny volana Jolay 2013, taorian' ny fifanolanana momba ny fiverenan-dRavalomanana an-tanindrazana sy ny fikasan' ireo lohandohan' ny ankolafy mpandray anjara amin' ny fitantanana ny firenena, dia nanambara ny tenany hirotsaka hofidiana koa i Andry Rajoelina. Niditra an-tsehatra ny Southern African Development Community (SADC) tamin' ny alalan' ny fanolorana vahaolana hafa hamahana ny fahasahiranana ara-pôlitika malagasy:
"Fisintonana ny filatsahan-kofidan' ny kandidà rehetra mampiady hevitra, dia i Didier Ratsiraka sy i Lalao Ravalomanana, vadin' ny filoha teo aloha ary i Andry Rajoelina tenany ary miaraka amin’ ny tolo-kevitra mazava: Raha sintominao ny filatsahan-kofidina napetrakao Andriamatoa Andry Rajoelina, dia tsy misy olona, na ny SADC, na ny Vondrona Afrikana, na ny fianakaviambe iraisam-pirenena amin’ ny ankapobeny, hahasakana ny filatsahan-kofidinao amin' ny taona 2018. Fahendrena sy mendri-piderana ho anao izany raha mitana ny teninao tsy ho kandidà ianao"[25].
Tamin' ny 13 Jolay, dia nambanan' ny SADC ny sazy hahazo ny firenena raha tsy esorina ireo kandidatiora telo ireo. Tamin' ny 17 Aogositra dia voaesotra miaraka amin' ny kandidatiora dimy hafa ireo kandidatiora ireo [26].
Fanolorana kandidà mpisolo toerana
[hanova | hanova ny fango]Ho setrin' ireo tolo-kevitra naroson' ny SADEC ireo dia nanaiky ny hiala amin' ny filatsahana ho filoham-pirenena malagasy i Andry Rajoelina ary ny kandidà hafa rehetra tsy azo fidina ireo dia afaka manendry olona ho kandidà mpisolo azy ireo. Izany no nahatonga ny filatsahan-kofidin' i Hery Rajaonarimampianina, kandidà mpisolo toerana an' i Andry Rajoelina sy i Jean Louis Robinson, kandidà mpisolo toerana an' i Lalao Ravalomanana.
Ny kandidà Hery Rajaonarimampianina no tohanan' ny filohan' ny Tetezamita Andry Rajoelina amin' ny fomba tsy ôfisialy, ary nilaza ny filohan' ny Tetezamita fa i H. Rajaonarimampianina no ho tohanan' ny antoko Tanora Gasy Vonona (TGV) amin' ny fihodinana faharoa [27]. Nisy anefa ny fepetra nifanarahana teo amin' i Andry Rajoelina sy i Hery Rajaonarimampianina amin' ny maha kandidà mpisolo toerana azy: tsy fahazoana manangana antoko pôlitika, fanendrena praiminisitra avy amin’ ny antokon’ ny maro anisa ao amin’ ny Antenimierampirenena, ny fanohanana ny solombavambahoaka maro anisa voafidy tamin’ ny antokon’ i Andry Rajoelina, tsy filatsahan-kofidin’ i Hery Rajaonarimampianina ho filoham-pirenena amin’ ny taona 2018.
Niaraka tamin' ny fifidianana solom-bavam-bahoaka ny fifidianana filoham-pirenena. Eran' i Madagasikara dia niorina ireo komity mpanohana ny kandidàn' ny fihodinana faharoa. Araka ny nolazain' i Andry Rajoelina dia eo amin' ny 55 % eo ho eo ny isa manontolon' ireo kandidà manohana ny Revôlisiôna Laoranjy izay nanongana ny governemantan' i Marc Ravalomanana tamin' ny Marsa 2009.[28]
Tamin' ny fihodinana faharoa dia nitarika ny kandidà Hery Rajaonarimampianina. Tamin' ny 17 Janoary 2014 no nambaran' ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana tamin' ny valim-pifidianana filohan' ny Repoblika tamin' ny fomba ôfisialy izy, ka 53,49 % amin' ny vato no azon' i Hery Rajaonarimampianina manoloana an' i Jean-Louis Robinson, mpifanandrina taminy, izay nahazo 46,51 % n' ny vato[29].
Nandritra ny fitondran' i Hery Rajaonarimamianina
[hanova | hanova ny fango]Tsy fifanarahana nisy tamin-dRajaonarimampianina
[hanova | hanova ny fango]Naniry ny hanendry ny praiminisitra i Andry Rajoelina nefa tsy neken' i Hery Rajaonarimampianina izany. Nihevitra i Andry Rajoelina fa tsy nohajain' i Hery Rajaonarimampianina ny fifanarahana nifanaovan' izy roa lahy talohan' ny naha kandidà mpisolo toerana azy. Amin' i Andry Rajoelina dia tsy lany Rajaonarimampianina raha tsy teo ny fanohanany. Tsy nanaiky ny fitsabahan' i Andry Rajoelina amin' ny fitondrana i Hery Rajaonarimamianina.
Tapaka tamin' ny 21 Febroary 2014 ny fifandraisana teo amin' i Hery Rajaonarimampianina sy i Andry Rajoelina. Tamin' izany koa no nahaterahan' ny Initiative pour l'Emergence de Madagascar (IEM). Tamin' ity taona ity ihany koa no nahazoan' i Andry Rakoelina ny zom-pirenena frantsay izay tsy nisy mpahalala firy raha tsy efa taty amin' ny taona 2023..
Krizy pôlitika
[hanova | hanova ny fango]Raikitra ny fanoheran' ny antokon' i Andry Rajoelina an' i Hery Rajaonarimampianina, izay tsy nanana solombavambahoaka avy amin' ny antokony Hery Vaovao ho an' i Madagasikara (HVM) tao amin' ny Antenimierampirenena[30]. Tamin' ny 26 Mey 2015 no nandatsa-bato handroahana an-dRajaonarimampianina ny solombavambahoaka [31]. Tamin' ny 26 Avrily 2018, nangataka ny Fitsarana Avio momba ny Lalàm-panorenena ny mpanohitra mba hanesorana ny filoha[32]. Nolavin' ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana ny 13 Jona 2015 ilay fangatahana fandroahana ny filoha[33].
Na dia izany aza, tamin' ny 25 Mey 2018 dia nomena folo andro ny filoha mba ny handrava ny governemanta, hanendry governemantan' ny firaisam-pirenena, hanendry praiminisitra vaovao atolotry ny maro anisa, sy hanomana fifidianana filoham-pirenena mialoha ny fotoana amin' ny taona 2018 ary hametra-pialana ao anatin' ny enimpolo andro mialoha ny fifidianana mba hisorohana ny krizy aorian' ny fifidianana [34].
Tamin' ny 11 Jona 2018 dia voatsangana ny governemanta vaovao notarihin' ny "praiminisitry ny marimaritra iraisana" mba hialana amin' ny krizy pôlitika[35]. I Christian Ntsay izany praiminisitra izany[36].
Filoham-pirenena
[hanova | hanova ny fango]Fifidianana filoham-pirenena tamin' ny 2018
[hanova | hanova ny fango]Tamin' ny fiandohan' ny volana Agositra 2018, i Andry Rajoelina no voalohany nanoratra ny firotsahany hofidiana amin' ny fifidianana filoham-pirenena tamin' ny taona 2018 [37]. Talohan' ny famtahany ny atotan-taratasy filatsahan-ko fidina dia efa nampahafantatra mialoha ny Initiative pour l’émergence de Madagascar (IEM) izay mamaritra ny fandaharan' asany nenti-namaboana ny mpifidy. Anisan' ny fampanantenana tamin' ny fampielezan-kevitra ny fanafoanana ny Antenimieran-doholona mba hahafahana mitsitsy vola hananganana oniversite. Nampanantenainy ihany koa ny fampitomboana ny fahazoana herinaratra, ny fiezahana ho amin' ny fizakan-tena ara-tsakafo sy amin' ny fambolena, ary ny fampitomboana ny fandriam-pahalemana [38].
Nanomboka tamin' ny volana Ôktôbra 2018 ny fampielezan-kevitra, izay nifanandreman' i Andry Rajoelina tamin' i Marc Ravalomanana sy tamin' i Hery Rajaonarimampianina[39], ireo natanjaka indrindra tamin' ny fampielezan-kevitry ny kandidà miisa 46 [40]. Tamin' ny fihodinana voalohany tamin' ny fifidianana natao tamin' ny 7 Nôvambra 2018 dia izy no nitarika tamin' ny vato 39,19 % (vato 1 949 851) raha 35,29 % (vato 1 755 855) kosa ny an-dRavalomana [41] [42]. Nalefa mivantana tamin' ny 10 Desambra ny adihevitra tamin' ny fahitalavitra teo amin' ireo kandidà roa farany [43]. Nahazo vato 55,66 % tamin' ny fihodinana faharoa i Rajoelina [44], nanoloana an' i Marc Ravalomanana izay nahazo 44,34 %, araka ny fanapahan-kevitry ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana tamin' ny ny 08 Janoary 2019.
Tontosa tamin' ny 19 Janoary 2019 teny amin' ny kianjan' i Mahamasina ny lanonana fametrahana an' i Andry Rajoelina eo amin' ny toeran' ny filohan' ny Repoblika, izay natrehin' ny solontena vahiny sy ny filohan' ny Repoblika rehetra teo aloha teto Madagasikara sy ny vahoaka malagasy, ary nanomboka ny asa maha filoham-pirenena azy i Andry Rajoelina tamin' io andro io [45]. Nandritra ny fitodran' i Andry Rajoelina, rehefa lany ho filoham-mpirenena tamin' ny taona 2019, dia i Christian Ntsay hatrany no nitazona ny toeran' ny praiminisitra.
Ny olana natrehin' ny fitondrana Rajoelina
[hanova | hanova ny fango]Ny fifidianana natao tamin' ny ny volana Desambra 2018 no nitondra an’ i Andry Rajoelina teo amin' ny fitondrana ny firenena mandritra ny dimy taona. Nandrombaka ny fandresena tamin' ny fifidianana solombavam-bahoaka tamin’ ny volana Mey 2019 ihany koa izy ary nahazo ny maro anisa tanteraka tao amin' ny Antenimieram-pirenena. Nanamarika ny fitondran' i Andry Rajoelina ny olana sy fahasahiranana ara-tsôsialy sy ara-toekarena nianjady amin' ny firenena vokatry ny zava-mitranga ivelany sy anatiny amin' ny fitondrana, na dia misy aza ireo zava-bita momba ny fananganana fotodrafitrasa.
Valanaretin' ny Covid-19
[hanova | hanova ny fango]Tamin' ny 20 Marsa 2020 vao fantatra amin' ny fomba ôfisialy ny fisian' ny valanaretin' ny coronavirus eto Madagasikara, araka ny fanambaràna nataon' ny fitondram-panjakana malagasy. Niantraika amin' ny toekarena malagasy ny fepetra noraisin' ny fitondram-panjakana izay nanidy ny toeram-pivarotana sy ny orinasa mpamokatra ary ny fitaterana manerana an' i Madagasikara. Isan' ny tsy voatsinjo koa ny fianaran' ny zaza malagasy tamin' ny fanakatonana aloha loatra ny sekoly rehetra manerana an' i Madagasikara, eny na dia mbola tsy nidiran' ilay valanaretina aza ny faritra maro raha tsy taty aoriana be.
Naiditra am-ponja tamin' ny 4 Avrily 2020 i Arphine Rahelisoa, talen' ny famoahana ny gazety Ny Valosoa, raha nivoaka tao ny fitsikerana ny fomba fintantanan' ny fitondram-panjakana malagasy ny ady amin' ny valanaretina coronavirus[46]. Nampanahy ny Reporters sans frontières (RSF) ny tsy hisian' ny fahalalahan' ny asa fanaovan-gazety eto Madagasikara noho izany[47].
Tamin' ny 08 Avrily 2020 ny filoham-pirenena malagasy dia nanao fanambaràna momba ny fahitana tambavy fisorohana ny Covid-19 sy fanasitranana ny marary, nomena ny anarana hoe Covid Organics (na CVO), izay fifangaroan-tsinga avy amin' ny zavamaniry Artemisia annua sy zavamaniry hafa (isan' izany ny ravintsara) fanao tambavy koa[48] [49].
Mitaky ny hisian' ny fangaraharana sy ny fitantanana madio ny vola ampiasaina mandritra ny fahamehana ara-pahasalamana vokatry ny Covid-19 ny olom-pirenena malagasy[50], indrindra ireo mpanao pôlitika mpanohitra [51]. Nitranga ilay raharaha "Bobons sucettes" izay niampangana ny minisitry ny fanabeazam-pirenena, tamin' ny fividianana vatomamy mitentina 80 000 tapitrisa Ariary hoentin' ny mpianatra hanala ny fangidin' ny CVO izay nasaina nosotroin' izy ireo [52] [53]. Tao koa ny raharaha "Ecran plat": fanomezana avy amin' ny PNUD namidy an' ilay "Ecran plat" izay mitentina 200 tapitrisa Ariary [54] [55]. Nanao fanadihadiana ny Birao Mahaleotena Miady amin' ny Kolikoly (BIANCO)[56][56].
Ny kere eto Madagasikara nanomboka tamin' ny taona 2021
[hanova | hanova ny fango]Tamin' ny volana Jona 2021 dia nisy hain-tany mahery vaika nahatonga olona an' aliny, izay tombanana ho olona maherin' ny iray tapitrisa, no mijaly noho ny tsy fanjarian-tsakafo any atsimon' ny firenena. Niara-nanambara ny ny tetika hiadiana amin' ny hanoanana i Andry Rajoelina miaraka amin' i Michael Pelletier, masoivohon' i Etazonia eto Madagasikara [57]. Nampanantena ny hanohana ny vehivavy mandritra ny mosary i Rajoelina ary nambarany fa ny kere eto Madagasikara amin’ izao fotoana izao dia vokatry ny krizin’ ny toetr’andro [58].
Tamin' ny faran' ny volana Jona 2021, ny Fandaharan' Asa maneran-Tany momba ny Sakafo (WFP na PAM) dia nitatitra fa ny 75 % n' ny ankizy dia nandao ny sekoly ary lasa mangataka na nitady sakafo. Vao mainka nanaratsy ny toe-javatra ny tafio-drivotra mahery vaika mitondra fasika [59]. Nampitandrina ny amin’ ny tsy fahampian-drano ihany koa ny sampan-draharaha maro misahana ny maha-olona ary ny fantson-drano notokanan’ ny Tahirim-Bolan' ny Firenena Mikambana ho an' ny Ankizy (UNICEF) sy ny governemantan' i Madagasikara tamin’ ny taona 2019 dia tsy nanome rano madio ho an’ ny faritra sasany any atsimo, ka nahatonga ny olona handeha any amin' ny 15 km mahery mba hitady rano [59].
I Gaëlle Borgia, mpikaroka mpanao fanadihadiana sady mpanao gazety, dia nilaza fa efa hita mialoha tamin’ ny taona 2020 ny famantarana ny tsy fanjarian-tsakafo ary nampitandrina fa na dia toa misalasala ny hanaiky ny zava-misy aza ny manampahefana malagasy, dia sarotra ny tsy hiraharaha ny fanairana marobe voarakitra nandritra ny volana maromaro, anisan' izany ny an' ny Firenena Mikambana [60]. Tamin' ny 23 Jona 2021, nitatitra ny PAM fa mihinana fotaka ny olona [61].
Tamin' ny Aogositra 2021, ny krizy ara-tsakafo dia noheverina ho ny mosary voalohany nateraky ny fiovaovan' ny toetrandro, hoy i Shelley Thakral, tompon' andraikitra ao amin' WFP [62] [63] [64]. Nifanohitra tamin'ny fanadihadiana nivoaka tamin'ny 1 Desambra 2021 nataon' ny World Weather Attribution ny filazana ny mosary ho vokatry ny fiovaovan' ny toetradro [65].
Ny tsy fandriam-pahalemana
[hanova | hanova ny fango]Na dia eo aza ny fanehoam-piniavana nataon' ny fitondram-panjakana momba ny fampanjakana ny filaminana dia nirongatra izaitsizy ny tsy fandriam-pahalemana, na an-tanàn-dehibe na eny ambanivohitra. Nitombo ny halatra omby sy ny famonona ny tompon' ny biby fiompy ary ny fandoroana tanàna ataon' ny jiolahy[66] [67] [68]. Nirongatra ihany koa ny vaky trano sy ny vonoana olona miaraka amin' izany, ny fangalaram-bola sy famonoana ny tompon' andraikitra eny amin' ny toeram-pametrahana sy fisitonam-bola maro[69] [70]. Nisy koa ny hala-jaza sy ny halatra varira ary ny halatra taova toy ny maso sy ny hafa, ankoatry ny halatra taolana[71] [72]. Lasa fanao mahazatra ny Malagasy ny fitsaram-bahoaka vokatry fihenan' ny fitokisany ny mpitandro filaminana sy ny fitsarana[73]. Nitombo koa ny fidorohana zava-mahadomelina[74]. Tsy voara-maso ny fidiran' ny zava-mahadomelina sy ny fitaovam-piadiana sy fitaovana hafa tsy ara-dalàna avy any ivelan' i Madagasikara[75]. Betsaka ny herena an-kibon' ny tany, toy ny volamena, misy manondrana an-tsokosoko any ivelany. Anisany Nalaza ny volamena 73,5 kilao lasa atsy Afrika Atsimo tamin' ny 31 Desambra 2020 [76] [77] [78] [79]. Nitombo ihany koa ny kolikoly avo lenta sy ny fanodinkodinam-bola amin' ny ministera sy sampan-draharaham-panjakana maro[80] [81] na dia eo aza ny ezaka ataon' ny Fitsarana malagasy sy ny Pôles Anti-Corruption (PAC), indrindra ny BIANCO.
Fikasana famonoana ny filoham-pirenena tamin' ny taona 2021
[hanova | hanova ny fango]Tamin' ny 22 Jolay 2021 no nanambaran' ny fampanoavana malagasy fa nahafoana ny fikasana hamono an' i Andry Rajoelina izy ireo ary nisambotra olona "Vahiny sy Malagasy" maromaro, anisan' izany teratany frantsay roa, sy kôlônely iray teo anivon’ ny tafika frantsay, Philippe François, araka ny loharanom-baovao diplômatika[82] [83]. Ny anaran' i Paul Maillot Rafanoharana ihany koa dia natolotry ny mpanao famotorana; voatonona hisolo toerana ny praiminisitra Christian Ntsay izy raha hisy ny fanovana mpikambana ao amin' ny governemanta[84].
Filatsahan-ko fidina sy fahalaniana fanindroany
[hanova | hanova ny fango]Filatsahan-ko fidina ho filoham-pirenena tamin' ny 2023
[hanova | hanova ny fango]Rehefa nohamafisin' ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana ny firotsahan-kofidian' i Andry Rajoelina dia nametra-pialana tamin' ny 9 Septambra 2023 izy mba hahafahany milatsaka hofidiana indray, araka ny voalazan' ny lalàmpanorenana. Nampifantoka amin' ny vokatra ara-tsôsialy sy ara-toekarena ny fampielezan-keviny i Rajoelina, izay nampifandrainy amin' ny Drafi-Pisandratan' i Madagasikara (Plan d'Emergence de Madagascar na PEM).
Nanoloana ny zava-misy sy ny fanatanterahana ny fifidianana dia nanao fihetsiketsehana goavana ny fitambaran' ny kandidà mpanohitra 10 avy eo 11 tamin' izany, ka anisan' izany tamin' ny 21 Ôktôbra 2023 izay nahavory mpanohana efa ho 50 000 teo amin' ny Coliseum ao Antsonjombe, Antananarivo.
Fahalaniana
[hanova | hanova ny fango]Taorian' ny fampielezan-kevitra tamin' ny fifidianana izay voamariky ny fanaovan' ny mpanohitra ankivy dia nanambara ny fandresen' ny filoha lany tamin' ny fihodinana voalohany tamin' ny vato 58,96 % ny Vaomieram-Pirenena Mahaleotena Misahana ny Fifidianana (Commission électorale nationale indépendante na CENI) tamin' ny 25 Nôvambra 2023 .
Tamin' ny 1 Desambra 2023 dia nohamafisin' ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana ny fandresen' i Andry Rajoelina. Tamin' ny 16 Desambra ny fanokanana azy, teo anatrehan' ny filoha afrikanina toa an-dry Azali Assoumani, Macky Sall, Paul Kagame, Emmerson Mnangagwa ary Pravind Jugnauth.
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]- Repoblikan' i Madagasikara (1992-2009)
- Krizy pôlitika teto Madagasikara tamin' ny 2009
- Repoblikan' i Madagasikara (2009-)
- Fahefana Avon' ny Tetezamita (2009-2014)
- Fizakan' i Andry Rajoelina zom-pirenena frantsay
- Valanaretin' ny coronavirus eto Madagasikara
- Ravalomanana Marc
- Rajaonarimampianina Hery