Hankany amin'ny vontoatiny

Sandton (Afrika Atsimo)

Avy amin'i Wikipedia

26°06′S 28°03′E / 26.100°S 28.050°E / -26.100; 28.050

Sandton
Velarantany143,5 km2
Haavo
Isan'ny mponina222 415
Ben'ny tanàna
Firenena Afrika Atsimo
Fanjakana
FaritanyGauteng
Faritra
Tanàna mifanolo-bodirindrina

I Sandton dia tanàna ao amin' ny faritra manodidina ny tanànan' i Johannesburg ao amin' ny faritanin' i Gauteng ao Afrika Atsimo. Nanomboka tamin' ny tapaky ny taompolo 1990 i Sandton no lasa foibem-pandraharahana lehibe indrindra ao Afrika Atsimo.

Ny anaran' i Sandton dia fitambaran' ny anaran' ny tanàna roa manodidina, dia i Sandown sy i Bryanston. Io anarana io koa dia fanatsorana amin' ny teny anglisy ny hoe Zandfontein, iray amin' ireo toeram-pambolena sy fiompiana tany am-boalohany niantombohan' ilay tanàna.

Mirefy 143,54 km2 ity tanàna ity. Malaza amin' ny maha ivon' ny fandraharahana sy amin’ny maha tanànan’ ny mponina manankarena indrindra ao Afrika Atsimo i Sandton. I Sandton dia 6 km miala ny tanànan' i Alexandra, iray amin' ireo faritra mahantra indrindra ao amin' amin’ ilay firenena ary mahantra indrindra ao Johannesburg.