Pravind Jugnauth

Avy amin'i Wikipedia
Pravind Jugnauth

I Pravind Kumar Jugnauth dia mpitondra fanjakana maorisiana, praiminisitra nanomboka tamin' ny 23 Janoary 2017. Izy no mpitarika ny Mouvement socialiste militant na MSM. Teraka tamin' ny 25 Desambra 1961 tao Vacoas-Phoenix izy. Minisitry ny Fitantanam-bola tamin' ny taona 2003 ka hatramin' ny 2005 izy, avy eo tamin' ny taona 2009 ka hatramin' ny 2011 ary tamin' ny taona 2016 hatramin' ny Janoary 2017, fony izy lasa praiminisitran' i Maorisy, nandimby ny rainy. Tamin' ny fifidianana solombavambahoaka 2019 dia nahazo maro anisa indray izy, noho izany dia nijanona ho praiminisitra nandritra ny dimy taona.