Rajoelina Andry

Avy amin'i Wikipedia
Aller à la navigation Aller à la recherche
Nuvola apps ksig.png
Mbola ambangovangony  amin'ny resaka politika ao Madagasikara ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.

Andry Rajoelina

I Andry Rajoelina na Rajoelina Andry Nirina, izay teraka tamin' ny 30 Mey 1974, dia mpanao pôlitika malagasy dady mpanana radio sy televiziôna.

Izy no ben' ny tanànan' Antananarivo nanomboka tamin' ny 12 Desambra hatramin' ny 3 Febroary 2009 mialoha ny nametrahany ny fahefana amin' i Michelle Ratsivalaka izay nosoloina koa an' i Edgard Razafindravahy avy any Ambohimalaza toa an' i Rajoelina.

Nanao fianianana amin' ny maha Filohan' ny Tetezamita azy izy ny 21 Marsa 2009 na dia tsy nankatoavin' ny fianakaviam-be iraisam-pirenena aza izany.

Fiainana ivelan' ny pôlitika[hanova | hanova ny fango]

Fianakaviana[hanova | hanova ny fango]

Rajoelina Andry Nirina dia teraka tamin' ny 30 Mey 1974. Merina avy ao afovoan-tanin' i Madagasikara izy. Manamboninahitra ao amin' ny tafika malagasy ny rainy, Kôlônely Roger Yves Rajoelina. Tamin’ ny taona 2000 dia nanambady an’ i Mialy Razakandisa, zanakavavin’ ilay vehivavy mpandraharaha Nicole Razakandisa (maty tamin' ny taona 2012) izy. Manan-janaka telo izy mivady: roa lahy sy vavy tokana.

Nandritra ny asany tamin’ ny fikarakarana hetsika, dia nandray anjara tamin’ ny fanetsiketsehana ireo takariva nokarakarainy ihany koa i Andry Rajoelina, izay nahazoany ny anaram-bositra hoe "DJ".

Fandraharahana[hanova | hanova ny fango]

Tamin' ny taona 1994 dia nanomboka ny asany amin' ny maha mpandraharaha hetsika azy i Andry Rajoelina. Izy no mikarakara ireo hetsika malaza ao Antananarivo ary nanomboka ny “Live” takariva.

Tamin' ny taona 1998, niaraka tamin' ny fanohanan' ny orinasa Fiaro, sampan' ny orinasa fiantohana ARO, izay an' ny fanjakana, dia namorona ny orinasam-panontana printy nomerika sy fitantanana takela-by fametahana dokam-barotra Injet izy, ary lasa tompony 100 % taty aoriana. Ity no orinasa voalohany eto Madagasikara nahazo teknôlôjia fanontana printy amin' ny velarana lehibe dia lehibe, izay nahafahany nanjaka haingana eo amin’ ny tsenan’ ny fampirantiana dokam-barotra. Novidiny ihany koa ny orinasa Domapub, izay miompana amin’ ny dokam-barotra sy ny fifandraisana.

Tamin’ ny taona 2003 dia nosafidin' ny Banque Nationale de l'Industrie (BNI) ho mpitantana tsara indrindra tamin’ io taona io i Andry Rajoelina, ary nahazo findramam-bola amin' ny zana-bola aotra tamin’ ity banky ity ho valisoany. Avy eo izy dia nampiasa vola tao amin' ny valan-takela-by mazava fanaovana dokam-barotra Trivision, saingy ny taona nanaraka dia nolavin' ny manampahefana malagasy ny fametrahana ireo karazana takela-by vaovao ireo.

Tamin’ ny taona 2007 dia nanitatra ny fampiasam-bolany tamin’ ny haino aman-jery i Andry Rajoelina tamin’ ny nividianany ny radio sy fahitalavitra Ravinala, izay an’ ilay mpanao pôlitika Norbert Ratsirahonana, ka nomeny anarana hoe Viva.

Ben' ny tanànan' Antananarivo[hanova | hanova ny fango]

Fahalaniana ho ben' ny tanàna[hanova | hanova ny fango]

Tamin’ ny 3 Nôvambra 2007 no nanambaran’ i Andry Rajoelina fa kandida ben’ ny tanànan’ ny renivohitr’ i Madagasikara izy, ary namorona ny fikambanana Tanora Gasy Vonona na TGV. Nanambara ny tenany ho tsy miankina sy tsy mikambana amin’ ny mpanohitra izy. Tamin' ny 12 Desambra 2007 no lany ho ben' ny tanànan' Antananarivo tamin’ ny vato 63,3 % nanoloana ny kandidàn’ ny antokon’ ny mpitondra Tiako I Madagasikara (TIM). Ben' ny tanànan' Antananarivo izy hatramin' izay ka hatramin' ny 3 Febroary 2009, mialoha ny nametrahany ny fahefana amin' i Michelle Ratsivalaka izay nosoloina koa an' i Edgard Razafindravahy avy any Ambohimalaza toa azy.

Tamin' ny taona 2008 no nanombohany ny fanamboarana ny Lapan' ny Tanànana, izay nisy nandoro 36 taona talohan' izay, ary nanolotra volavolam-panangonana tamin' ny filoham-pirenena Ravalomanana Marc izy mba hanangonana ny vola ilaina amin' ny asa famitana ny asa.

Tsy fifanarahana tamin' ny fitondram-panjakana[hanova | hanova ny fango]

Ny fifandirana voalohany teo amin' i Andry Rajoelina sy ny filoha Ravalomanana dia nanomboka tamin' ny taona 2003, raha nitaky ny fitondra-panjakana ny mba hanesorana ny takelaka fanaovana dokam-barotra Trivision voalohany teto Antananarivo, izay napetrak' i Rajoelina teo amin' ny rondronana lehibe iray tao an-drenivohitra.

Nanambara izy fa misakantsakana ny fanatanterahany ny andraikiny eo amin' ny fitantanan-draharaha sy ny fitantanam-bola ny zavatra ataon' ny fitondram-panjakana. Io no fiandohan’ ny fifandonana teo amin’ i Andry Rajoelina sy i Marc Ravalomanana. Tamin' ny 17 Desambra 2008, taorian' ny fanakatonan' ny fanjakana ny fahitalavitra Viva TV, taorian' ny fandefasana ny tafatafa nataon' ny filoha teo aloha Didier Ratsiraka, dia nitaky ny hanokafana an' ilay fahitalavitra i Andry Rajoelina ary namoaka ultimatum, izay lany fe-potoana tamin’ ny 13 Janoary 2009, ho an' ny governemanta. Nitarika hetsika goavana hanoherana ny fitondran-dRavalomanana tao an-drenivohitra izy avy eo.

Filoha avon' ny tetezamita[hanova | hanova ny fango]

Tamin' ny 17 Marsa 2009 dia lasa Filoha Avon' ny Tetezamita tao amin' ny Repoblikan' i Madagasikara i Andry Rajoelina ary nanao sonia ny didy hitsivolana faha-2009-003 izay nametraka ny Fahefana Avon' ny Tetezamita (FAT) sy ny fanafoanana ny Antenimiera, izay voafidin' ny vahoaka. Nanaiky ary nanamarika izany famindràm-pahefana izany ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana [1]. Nanao ny fianianana amin' ny maha filohan' ny Tetezamita azy i Andry Rajoelina tamin' ny 21 Marsa 2009 na dia tsy nankatoavin' ny fianakaviambe iraisam-pirenena aza izany. Nentiny tamin' izany ny taratasy avy amin' ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana izay tsy azo lazaina ho didy satria taratasy tsotra fa tsy didim-panjakana.

Ny volana Janoary 2012, noho ny fivoahan' ny NOTAM (fanafohezana ny hoe: notice to airmen, "Filazana ho an' ny mpamily fiaramanidina") izay tsy nahafanan' ny fiaramanidina nitondra ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana niditra eto Madagasikara, voatery niverina tany Afrika Atsimo ilay filoham-pirenena taloha. Tsy nanaiky nidina tamin' ilay fiaramanidina i Ravalomanana. Ho an' ny mpikambana ao amin' ny antoko pôlitika TIM, dia tsy fanajana ny 'tondozotra ('feuille de route) izany [2].

Araka ny hevitr' ireo tsy mpomba an' i Andry Rajoelina dia naka ny fahefana teto Madagasikara izy tamin' ny alalan' ny fanonganam-panjakana tamin' ny 17 Marsa 2009 ary nanao ny tenany ho filohan' ny Fahefana Avon' ny Tetezamita (FAT). Amin' ireo izay tsy momba azy ihany koa anefa dia betsaka ny olona maty noho ny nataony ary betsaka ny olon-dratsy izay nivoaka ny fonja noho izy. Ary na dia nilaza aza izy fa tsy izany no antony namoahany ny NOTAM, dia heverin' ny mpanohitra azy ihany koa fa noho izy no tsy nahafahan' ny filoha taloha Marc Ravalomanana tonga teto Madagasikara ny volana Janoary 2012[2]

Araka ny filohan' ny tetezamita dia "tsy tokony hanindry ny firenentsika na lalàna na firenena"[3]. Ny mety ho tanjony namoahany io NOTAM io dia hahamora ny fisamborana ny filoha Ravalomanana (izay voasazy hanao asa an-terivozona mandrapahafaty[4]).

Ho an' ny tale jeneralin' i Aviaton Civil de Madagascar (ACM) indray dia mampatahotra io fampiasana amin' ny tanjona ara-pôlitika ny NOTAM io; satria araka ny lazain' ny Organisation de l'aviation civile internationale (OACI), dia tokony ampiasaina amin' ny tanjona aerônaotika, amin' ny fizorana sy ny filaminana ihany izany. [5]

Fifidianana filoham-pirenena malagasy 2013[hanova | hanova ny fango]

Nilaza i Andry Rajoelina fa tsy hirotsaka ho kandidà amin' ny fifidianana filoham-pirenena 2013[6], aloh' ny fivadi-keviny tamin' ny 3 Mey 2013.[7] Saingy noteren' ny fianakaviambe iraisam-pirenena hanaisotra ny firotsahany hofidiana, niaraka tamin' ny an' i Lalao Ravalomanana sy ny an-dRatsiraka Didier Ignace.

Filoham-pirenena[hanova | hanova ny fango]

Ny fifidianana natao tamin' ny ny volana Desambra 2018 no nitondra an’ i Andry Rajoelina teo amin’ ny fitondrana ny firenena mandritra ny dimy taona. Nandrombaka ny fandresena tamin' ny fifidianana solombavam-bahoaka tamin’ ny volana Mey 2019 ihany koa izy ary nahazo ny maro an’isa tanteraka tao amin’ ny Antenimieram-pirenena.

Valanaretin' ny Covid-19[hanova | hanova ny fango]

Tamin' ny 20 Marsa 2020 vao fantatra amin' ny fomba ôfisialy ny fisian' ny valanaretin' ny coronavirus eto Madagasikara, araka ny fanambaràna nataon' ny fitondram-panjakana malagasy, taorian' ny fisalasalana hanakatona ny sisintany. Nisy fiantraikany ratsy tamin' ny toekaren' i Madagasikara izany. Tamin' ny 08 Avrily 2020 ny filoham-pirenena Andry Rajoelina dia nanao fanambaràna momba ny fahitana tambavy fisorohana ny Covid-19 sy fanasitranana ny marary, dia ny tambavy nohatsaraina vokarin' ny Institut Malgache de Recherche Appliquée, nomena ny anarana hoe Covid Organics na Tambavy-CVO, izay fifangaroan-tsinga avy amin' ny zavamaniry Artemisia annua sy zavamaniry hafa (isan' izany ny ravintsara) fanao tambavy koa[8] [9]. Tamin' ny 20 Avrily 2020 ny fitondrana malagasy no nanomboka nampiasa ny CVO[10]. Na dia izany aza dia nitombo ka nahatratra 3 472 ny isan' ny olona efa voan' ny Covid-19 ary miisa 33 ny matin' io valanaretina io tamin' ny 07 Jolay 2020[11].

Fikasana famonoana tamin' ny taona 2021[hanova | hanova ny fango]

Tamin' ny 22 Jolay 2021 no nanambaran’ ny fampanoavana malagasy fa nahafoana ny fikasana hamono an’ i Andry Rajoelina izy ireo ary nisambotra olona “Vahiny sy Malagasy” maromaro, anisan’ izany teratany frantsay roa, sy kôlônely iray teo anivon’ ny tafika frantsay, Philippe François, araka ny loharanom-baovao diplômatika. Ny anaran’ i Paul Maillot Rafanoharana ihany koa dia natolotry ny mpanao famotorana; voatonona hisolo toerana ny praiminisitra Christian Ntsay izy raha hisy ny fanovana mpikambana ao amin' ny governemanta.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Loharano sy fanamariana[hanova | hanova ny fango]

  1. La Haute Cour constitutionnelle investit Andry Rajoelina, L'Express de Madagascar, 19 Martsa 2009
  2. 2,0 et 2,1 Madagascar: l'avion de Marc Ravalomanana empêché md'atterrir à Antananarivo
  3. « Aucun pays et aucune loi ne doivent faire pression sur notre pays… »
  4. Raharaha 7 febroary - Asa an-terivozona mandra-pahafaty no sazin ’ ny Filoha teo aloha -- Laverite.mg
  5. Délivrance de NOTAM à titre politique : le DG de l’ACM s’inquiète. archived from the original on 2012-06-02 Retrieved on 2012-07-02.
  6. ((fr)) Madagascar: Rajoelina renonce
  7. Fifidianana filoha – Kandidà tsy nampoizina tamin’ ny ora farany Rajoelina Andry
  8. "Coronavirus : le président de Madagascar affirme connaître un remède à base de plantes" [tahiry], in LCI (Notsidihina ny 08 Jona 2020)
  9. "[Tribune] Artemisia et plantes médicinales : le « Covid-Organics », symbole de la recherche malgache – Jeune Afrique" [tahiry], sur JeuneAfrique.com, 30 Avrily 2020 (Notsidihina ny 08 Jona 2020)
  10. "Madagascar : Andry Rajoelina lance son remède contre le coronavirus – Jeune Afrique" [tahiry], sur JeuneAfrique.com, 21 Avrily 2020 (Notsidihina ny 08 Jona 2020)
  11. "Worldmeters covid - 121". Worldmeters. Notsidihina ny 07 Jolay 2020.