Antsirabe

Avy amin'i Wikipedia

19°51′57″S 47°02′00″E / 19.865860°S 47.033330°E / -19.865860; 47.033330

Antsirabe
Velarantany 180 km2
Isam-ponina 265 018 mponina
Tanànan-dehibe NC
Ben'ny tanàna NC
Firenena  Madagasikara
Faritany Antananarivo
Faritra Vakinankaratra
Antsirabe

Antsirabe dia tanana fahatelo lehibe ao Madagasikara raha ny isan'ny mponina no jerena.

Jeografia[hanova | hanova ny fango]

Eo amin'ny afovoan'ny nosy no misy azy, 168 km atsimon'Antananarivo manaraka ny lalam-pirenena faha-7. Renivohitry ny faritr'i Vakinankaratra izy. Araka ny fanisana natao ny Janoary 2005 dia manodidina ny 182 804 ireo mponina ao. Amin'ny haavo (altitude) 1 500 metatra Antsirabe ka voahodidina "volcan" izy. Antsirabe no tanàna mangatsiaka indrindra ao Madagasikara ka tonga hatrany amin'ny 0°C rehefa ririnina.

Manana seranam-piaramanidina Antsirabe.

Tantara[hanova | hanova ny fango]

Antsirabe dia midika hoe "ilay feno sira".Io anarana io dia avy amin'ny nahitana ilay rano misy sira. Ilay tanàna dia namboarin'ilay misionera norvezianina tamin'ny faran'ny taonjato faha-19, izay, angamba nahita ilay fahagagana izay tsy takatrin' ny saina, izany hoe, ilay rano tany Antsirabe dia anisan'ny rano mahery eran-tany. Taloha, ny mpanjana-tany vazaha dia nanitatra ilay hevitra hatramin'ny farany

Indostria[hanova | hanova ny fango]

Antsirabe no faritra be orinasa indrindra, ary azo lazaina fa renivohitry ny indostria malagasy.

  • TIKO (Tena Izy Ka Omeko) : orinasa mpanodina sakafo
  • COTONA : orinasa mpanodina hasy hanamboarana lamba
  • LMM Farine : orinasa mpanodina varimbazaha ho lafarinina
  • STAR : orinasa mpanamboatra ny labiera THB, sy karazana zava-pisotro isan-karazany
  • SOCOLAIT : orinasa mpanodina ronono (Nestle taloha)
  • MELIA / SACIMEM : orinasa mpamokatra sigara

Fizahan-tany[hanova | hanova ny fango]

Inona no zavatra tena anenenan'ny olona raha tsy nataony rehefa nandalo an'Antsirabe :

  • ny nandeha posy
  • ny nisotro rano visy
  • ny nitsidika an'Andraikiba sy Tritriva

Tanàna madio rivotra Antsirabe, tsy dia ahitana fitohanan'ny fifamoivoizana izany. Betsaka ny posiposy, ary anisan'ny fitaovam-pitaterana tsara dia tsara ao amin'io tanàna io koa ny bisikileta. Tsy dia lehibe loatra koa ny tanàna, ka azo atao tsara ny mitety azy amin'ny bisikileta. Misy tsangambaton'ny fahaleovan-tena mijoalajoala eo afovoan'ny tanàna.

Noho izany dia anisan'ny mandroso tokoa ny fizahan-tany amin'io faritra io. Maro ny trano fandraisam-bahiny izay niorina tao ka an'isan'izany ireo lehibe :

  • Hotel Diamant
  • Hotel des Thermes
  • Arotel
  • Aida Hotel

Tanàna rahavavy[hanova | hanova ny fango]

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Renivohi-paritany eto Madagasikara

Renivohi-paritra eto Madagasikara

Loharano[hanova | hanova ny fango]

  1. Atlas français de la coopération décentralisée et des autres actions extérieures sur Ministère des affaires étrangères. Novangiana tamin'ny 12 janvier 2010