Paul Kagame

Avy amin'i Wikipedia
I Paul Kagame
Jeannette Kagame, vadin'i Paul Kagame

I Paul Kagame dia jeneraly sy mpanao pôlitika roandey, teraka tamin' ny 23 Ôktôbra 1957 tao Tambwe, ao amin'ny Faritany Atsimo, lanin’ ny Antenimiera sy ny governemanta roandey ho filoham-pirenen' i Roanda nanomboka tamin' ny 17 Avrily 2000 taorian' ny naha filoha lefitra sy minisitry ny Fiarovana azy tamin' ny taona 1994 hatramin' ny 2000, sy lany tamin’ ny fifidianana andraisan’ ny olom-pirenenena rehetra anjara tamin’ ny taona 2003. Efa filohan' ny Vondrona Afrikana izy tamin' ny taona 2018 hatramin' ny 2019. Tamin'ny taona 1988, tao Kampala renivohitr' i Oganda izy dia nanambady an' i Jeannette Nyiramongi, izay mpitsoa-ponenana tany Borondy, izay niterahany zaza efatra.

Talohan' ny fandringanan-taranaka[hanova | hanova ny fango]

Ny fiaviany sy ny fiainany tany Oganda[hanova | hanova ny fango]

Teraka tao amin’ ny fianakaviana totsy monina ao amin’ ny faritra atsimon’ i Roanda i Paul Kagame. Taorian’ ny revôlisiona hoto tamin’ ny taona 1959 sy ny fandringanana ny Totsy dia nandositra avy ao Roanda ka nankany Oganda izy. Tany amin’ ireo tobin’ ny mpitsoa-ponenana tany Oganda no nahalehibe azy. Nandray anjara tamin’ ny fikomiana notarihin’ i Yoweri Museveni hanoherana ny fitondrana ogandey izy nanomboka tamin’ ny taona 1980. Nahazo ny fitondrana amin’ izay i Yoweri Museveni tamin’ ny taona 1986 dia niditra tao amin’ ny tafika ogandey izy ary niasa tao teo anelanelan’ ny taona 1986 sy 1990.

Isan'ireo mpanorina ny FRP[hanova | hanova ny fango]

Tamin’ ny taona 1987 i Paul Kagame dia nandray anjara tamin’ ny fananganana ny Front patriotique rwandais (FPR) ("Manda tehezana ho an’ ny fitiavan-tanindrazana roandey"). Ity fikambanana ity dia nikendry ny hanongana ny fitondrana hoto tao Roanda. Ireo mpitsoa-ponenana totsy tany Oganda no maro an’ isa tao aminy nefa nahitana Hoto mpandanjalanja koa tao. Tamin’ ny taona 1990 dia nanani-bohitra tany Roanda ny FPR avy any Oganda ka nampipoaka ny ady an-trano teo amin’ ny Hoto sy ny Totsy. Tamin’ izany fotoana izany dia tany Etazonia i Paul Kagame mba hanohy ny fiofanany ho manam-boninahitra miaramila tao Fort Leavenworth any Kansas. Rehefa resy ny FPR ary maty ny jeneraly Fred Rwigyema mpitarika azy dia nody tany Roanda i Paul Kagame mba hitarika ny ady anaty akata.

Tamin’ ny volana Aogositra 1993 dia nisy fifanarahana maro momba ny fandriam-pahalemana nosoniavina tao Arusha any Tanzania teo amin’ ny fitondram-panjakana roandey sy ny FPR izay nikendrena ny fampitsaharana ny ady an-trano sy ny fametrahana andrim-panjakana tetezamita hikarakara fifidianana anjakan’ ny demôkrasia ao Roanda. Nitombo anefa ny herisetra tamin’ ny volana Avrily 1994 taorian’ ny nahafatesan’ ny filoham-pirenena roandey Juvénal Habyarimana sy ny filoham-pirenena borondey tamin’ ny lozam-piaramanidna nitraga tao amin’ ny seranam-piaramanidina tao Kigali. Tamin’ ny volana Jolay 1994 dia nanafika farany ny FPR ka naka ny fitondrana. Nifarana teo ny fifandripahana izay nahafatesana Totsy miisa 1 000 000 any ho any tao anatin’ ny efa-bolana. Taorian’ ny fandresen’ ny FPR dia ana hetsiny maro ireo Hoto nandositra avy ao Roanda ka nankany Zaira (Repoblika Demôkratikan' i Kôngô ankehitriny).

Taorian’ ny fandripahana[hanova | hanova ny fango]

Fandraisany anjara tao amin' ny governemanta tetezamita[hanova | hanova ny fango]

Natsangana ny governemanta tetezamita ka i Pasteur Bizimungu, izay Hoto mpandanjalanja niaraka tamin’ny FPR no filoha. I Paul Kagame no voatendry ho filoha lefitra sy minisitry ny Fiarovana. Tamin’ny taona 1996 dia nandefa ny tafika roandey tany Zaira izy hanohana ny fikomian’i Laurent-Désiré Kabila. Tamin’ny taona 1998 dia isy tatitra nataon’ny Firenena Mikambana izay niampanga azy roa ireo ho nandray anjara tamin’ny fanapoahana ny fandringanana ny mpitsoa-ponenana hoto miisa 200 000 any ho any tany Kivu any Zaira.

Taorian’ny fametraham-pialan’ i Pasteur Bizimungu tamin’ny taona 2000 dia i Paul Kagame no nolanin’ny Antenimpiera sy ny governemanta ho filoham-pirenena taminy volana Avrily amin’io taona io. Tamin’izany fotoana izany ihany no nanambaràn’ny Firenena Mikambana ampahibemaso ny tatitra nataon’ny mpanadihady tao amin’ny Tribunal pénal international pour le Rwanda (TPIR), izay niasa ho an’ ny Firenena Mikambana, miampanga an’ i Paul Kagame ho isan’ny tompon’antoka tamin’ny fahafatesan’ ireo filoham-pirenena roandey sy borondey tamin’ ny lozam-piaramanidina tamin’ny volana Avrily 1994 tao Kigali.

Fampihavanam-pirenena sy fiarovana ny fitondrana  [hanova | hanova ny fango]

Rehefa tonga teo amin’ ny fitondrana i Paul Kagame dia nanomboka nandamina ny firenena roandey sady niezaka hanatanteraka ny fampihavanam-pirenena. Tsy nekeny noho izany ny hisian’ny fanoherana sy ny fandrahonana ny fitondrana vaovao, na avy ao anatiny na avy any ivelany. Izany no nahatonga an’ i Paul Kagame nitarika ady tany amin’ ny Repoblika Demôkratikan'i Kôngô (Zaira taloha) nanomboka tamin’ny taona 1998. Tamin’ ny volana Jolay 2002 anefa izy dia niara-nanao sonia ny fifanarahana tamin’ i Repoblika Demôkratikan' i Kôngô mba hitondrana mody ireo andian-tafika roandey sy hanesorana ny fitaovam-piadiana teny am-pelan-tanan’ ny mpioko.

Izany fikendren’ i Paul Kagame hiaro ny fireneny izany no nahatonga azy koa nanohitra ny asan’ ny TPIR izay nikasa ny hanenjika ireo manam-boninahitra miaramila tao amin’ny fitondrana vaovao noho ny hadisoana nataon’ izy ireo nandritra ny fandripahana. Nohamafisin’ i Paul Kagame hatrany ny fahefany tamin’ ny alalan’ ny fanaovan’ ny FPR ampihi-mamba ny fahefana ka tamin’ ny taona 2002, rehefa nanakaiky ny fifidianana filoham-pirenena tamin’ ny taona 2003 dia nogadraina i Pasteur Bizimungu izay nampangaina ho nanohintohina ny filaminan’ ny fanjakana.

Fampandraisana anjara ny olom-pirenena rehetra amin' ny fifidianana[hanova | hanova ny fango]

Na dia izany aza dia tamin’ ny fitondran’ i Paul Kagame no sambany vao mba afaka nandray anjara mivantana tamin’ ny fifidianana ny olom-pirenena feno taona sy tsy very zo rehetra ary sambany koa no nahazoan’ ny antoko pôlitika maro handray anjara tamin’ ny fifaninanana ho eo amin’ny fitondrana, hatramin’ny nahazoan’ i Roanda ny fahaleovan-tenany. Tamin’ ny 25 Aogositra 2003 dia lany ho filoham-pirenena i Paul Kagame tamin’ny nahazoany ny 95,05 %n’ ny vato manan-kery. Tamin’ ny fifidianana solombavam-bahoaka dia nahazo ny 73,78 %n’ ny vato koa ny FPR izay antoko misy azy. Nilaza ny mpanara-maso iraisam-pirenena fa dingana lehibe eo amin’ ny fampanjakana ny demôkrasia ao Roanda ireo fifidianana ireo. Araka ny fanamarihan’ny mpanara-mason’ ny Vondrona Eorôpeana anefa dia nahitana tsy fanaraha-dalàna sy fangalaram-bato ireo fifidianana ireo ka isan’ ny endrika nisehoan’ izany ny fisakantsakanana ny asan’ ny mpanohitra, ny fampitahorana, ny fanagadrana, sns.

Fahalaniana fanindroany sy fanitelony[hanova | hanova ny fango]

Tamin’ ny taona 2010 dia lany ho filoham-pirenena indray i Paul Kagame. Tamin’ ny volana Ôktôbra 2015 dia nampanaoviny latsabato ny Antenimieram-pirenena momba ny fanitsiana ny lalàmpanorenana, ka roa volana taty aoriana dia lany tamin’ ny fitsapan-kevi-bahoaka izany. Izany fanitsiana izany dia nahafahany misahana ny maha filoham-pirenena azy mihoatra ny indroa. Lany indray tokoa izy tamin’ ny taona 2017.

Nandroso ny toekaren’ i Roanda tamin’ ny fitondran’ i Paul Kagame nefa takalon’ izany ny famerana ny fahalalahan’ ny mpanao gazety sy ny famoretana ireo mpanohitra. Maro amin’ iretsy farany mantsy ny nanjavona tsy hita faty, ny nisy namono (tao an’ i Patrick Karegeya na i Jean-Léonard Rugambage), ny nisy nikasa hamono (toa an’ i Faustin Kayumba Nyamwasa).

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Ireo filoham-pirenena roandey: