Faustin Kayumba Nyamwasa

Avy amin'i Wikipedia
Kayumba Nyamwasa

I Faustin Kayumba Nyamwasa dia isan'ireo mpanorina ny Front patriotique rwandais (FPR) izay nahitana koa an'i Paul Kagame. Izy no lehiben'ny etamazôron'ny tafika roandey tamin'ny taona 1994 hatramin'ny 2002. Teraka tamin'ny taona 1962 izy ary isan'ireo Totsy mpitsoa-ponenana tany Oganda. Karohin'ny fitsarana heloka bevava iraisam-pirenena sady enjehiny izy satria nanitsakitsaka ny zon'ny olombelona sy nanao heloka bevava mandritra ny ady ary tompon'andraikitra tamin'ny fandripahana ny Hoto mpitsoa-ponenana tany amin'ny Repoblika Demôkratikan'i Kôngô. Ankehitriny izy dia isan'ireo mpanohitra an'i Paul Kagame, nitsoaka an'i Roanda.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]