Manuel Valls

Avy amin'i Wikipedia
Manuel Valls

I Manuel Valls dia mpanao pôlitika frantsay teraka tamin' ny 13 Aogositra 1962 tao Barcelona (Espaina). Praiminisitra frantsay izy hatramin' ny 31 Marsa 2014 ka hatramin' ny 6 Desambra 2016.

Mpikambana ao amin' ny Parti sosialiste (PS) hatramin' ny taona 2017. Izy no ben' ny tanànan’ i  Évry hatramin' ny 2001 ka hatramin' ny 2012 ary solombavambahoaka ho an' ny boriborintany voalohan' i Essonne hatramin' ny taona 2002 ka hatramin' ny 2012 ary hatramin' ny 2017 ka hatramin' ny 2018.

Nanohana an' i François Hollande izy tamin' ny filatsahana ho filoham-pienena tamin' ny 2011. Minisitry ny Atitany tao amin' ny governemanta Jean-Marc Ayrault nifanesy izy hatramin' ny 2012 ka hatramin' ny 2014, talohan' ny naha filohan' ny governemanta azy.

Nametra-pialana izy tamin' ny faran’ ny taona 2016 tamin' ny maha praiminisitra azy mba hahafahany hirotsaka hofidiana ho fidin’ ny antokony ho kandidà tamin' ny taona 2017, ka lany tamin' ny fihodinana faharoa nanoloana an' i Benoît Hamon. Nandritra ny fifidianana filoham-pirenena tamin' ny taona 2017, tsy araka ny fanambaràna nataony, dia nanohana an' i Emmanuel Macron izy. Voafidy ho solombavambahoaka indray izy avy eo, ary niala tao amin' ny PS ka niditra tao amin' ny vondrona La République en Marche (LREM) ao amin' ny Antenimieram-pirenena frantsay.

Tamin' ny taona 2018 dia nanambara ny fialany tamin' ny fanaovana pôlitika frantsay izy mba ho kandidà amin' ny fifidianana monisipaly tamin' ny taona 2019 any Barcelona (Espaina): ​nahazo ny toerana fahefatra ny lisitra nisy azy ary voafidy ho mpanolotsaina monisipaly izy. Taorian' izay, rehefa niverina tany Frantsa izy dia tsy nahomby tamin' ny fifidianana solombavambahoaka tamin' ny taona 2022 ho solontenan' ny Frantsay monina any ivelan' i Frantsa tao amin' ny fiaraha-mientan' ny maro anisan' ny filoham-pirenena atao hoe "Ensemble".