Tahirim-Bolan' ny Firenena Mikambana ho an' ny Ankizy

Avy amin'i Wikipedia
Sary sy soratra famantaran' ny UNICEF

Ny Tahirim-Bolan' ny Firenena Mikambana ho an' ny Ankizy, izay antsoina amin' ny fanafohezana ny anarany taloha amin' ny teny anglisy hoe UNICEF na Unicef, dia rantsan' ny Firenena Mikambana, tompon' andraikitra amin' ny fanomezana fanampiana amin' ny maha-olona sy amin' ny fampandrosoana ny ankizy maneran-tany. Anisan' ireo fikambanam-piahiana ara-tsôsialy miely patrana indrindra eran' izao tontolo izao ny UNICEF, izay ikambananan' ny firenena sy fanjakana miisa 192.

Sary sy soratra famantaran' ny UNICEF
Fanaovana vaksiny pôliô tany Conakry (any Ginea)

Ny hetsika ataon' ny UNICEF dia ahitana fanaovana vaksiny sy fisorohana aretina, fitsaboana ny reny sy ny zaza mitondra ny tsimokaretina VIH, fanatsarana ny sakafon' ny reny sy ny zaza, fanatsarana ny fidiovana, fampiroboroboana ny fanabeazana ary fanampiana vonjy maika raha misy loza mitranga.

Tamin' ny namoronana azy tamin' ny 11 Desambra 1946 tany New York, ny anarany tany am-boalohany dia ny hoe United Nations International Children's Emergency Fund – UNICEF ("Tahirim-Bola Iraisam-Pirenen' ny Firenena Mikambana ho an' ny Ankizy"), fikambanana naorina mba hanome fanampiana avy hatrany ny reny sy ny zaza niharan' ny vokatry ny Ady Lehibe Faharoa. Tamin' io taona io ihany dia nanangana ny UNICEF ny Fihaonamben' ny Firenena Mikambana mba handrindrana ny asa fanampiana taorian' ny ady. Tamin' ny taona 1950 dia nohalavaina ny fe-potoam-piasany mba hamahàna ny filana maharitry ny ankizy sy ny vehivavy, indrindra fa any amin’ ny tany an-dalam-pandrosoana. Tamin' ny taona 1953 dia lasa ampahany maharitra ao amin' ny Lamin' ny Firenena Mikambana ilay fikambanana, ary novaina ho amin' ny endriny ankehitriny (United Nations Children's Fund) ny anarany, na dia notazomina aza ny fanafohezan-teny tany am-boalohany (UNICEF).

Nandray anjara mavitrika amin' ny famolavolana sy ny fandraiketana an-tsoratra ary ny fampiroboroboana ny Fifanarahana momba ny Zon' ny Ankizy, izay nolaniana tamin' ny fihaonana an-tampony tany New York tamin' ny 20 Nôvambra 1989 izany.

Tanolain' ny UNICEF tany Sodàna

Miantehitra tanteraka amin' ny fandraisana anjara an-tsitrapo avy amin' ny governemanta maro sy ny mpamatsy vola tsy miankina ny UNICEF. Ny totalin' ny fidiram-bolany tamin' ny taona 2020 dia 7 200 tapitrisa dôlara; ka ny mpiara-miombona antoka amin' ny sehatr’ asam-panjakana dia nanome 5 450 tapitrisa dôlara. Fehezin' ny filankevi-pitantanana misy mpikambana 36 izay mametraka pôlitikam-pitantanana sy mankatò ny fandaharan' asa ary manara-maso ny drafitra momba ny fitantanana sy ny vola ity tahirim-bola ity. Ny birao dia ahitana solontena avy amin' ny governemanta nofidin' ny Filankevitra ara-Toekarena sy ara-tSôsialin' ny Firenena Mikambana, matetika tendrena hiasa mandritra ny telo taona.

Manantitra ny fampandrosoana ny tolotra eo amin' ny fiarahamonina mba hampiroboroboana ny fiainan' ny ankizy sy ny fahasalamany ny fandaharan' asan' ny UNICEF. Ny ankamaroan' ny asany dia tanterahiny eny ifotony, miaraka amin' ny tambajotra ahitana birao isam-pirenena sy foibe ary trano hafa miisa 150, ary "komity nasiônaly" miisa 34 izay manatanteraka ny iraka ataony amin' ny alalan' ny fandaharan' asa novolavolaina miaraka amin' ny governemanta mpampiantrano. Biraom-paritra fito no manome fanampiana ara-teknika ho an' ny biraon' ny firenena tsirairay raha ilaina, fa ny "Sampana Famatsiana" — izay miorina any Copenhagen (Danemarka) sy any New York (Etazonia) — dia manampy amin' ny fanomezana fanampiana sy tolotra mitentina 3 000 tapitrisa  dôlara.

Tamin' ny taona 2018 ny UNICEF dia nanampy tamin' ny fahaterahan' ny zaza miisa 27 tapitrisa, nanome vaksiny dimy sanda ho an' ny ankizy tombanana ho 65,5 tapitrisa, nanampy amin' ny fanabeazana ankizy miisa 12 tapitrisa, nitsabo zaza efatra tapitrisa voan' ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika, ary namaly vonjy taitra 285 amin' ny maha-olona any amin' ny firenena 90.

Nahazo fankasitrahana noho ny asa vitany ny UNICEF, anisan' izany ny "Loka Nobel momba ny Fandriam-pahalemana" (loka momba ny fampandrosoana ny fandriam-pahalemana maneran-tany) tamin' ny taona 1965, ny "Loka Indira Gandhi" (loka momba ny fandriam-pahalemana sy ny fandrosoana ary ny toekarena) tamin' ny taona 1989 ary ny "Loka Princesa de Asturias" (loka momba ny zavakanto, ny fanatanjahantena, ny siansa sôsialy, ny fifandraisana sy ny maha-olona, ny ​​fifanarahana, ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena, ny fikarohana ara-tsiansa sy teknika ary ny literatiora) tamin' ny taona 2006. Nandritra ny valanaretina Covid-19 tamin' ny taona 2020, ny UNICEF, niaraka amin' ny Fikambanana maneran-Tany momba ny Fahasalamana sy ny rantsam-pikambanana hafa, dia namoaka torolalana momba ny fitaizana ara-pahasalamana.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]