Hankany amin'ny vontoatiny

Christian Ntsay

Avy amin'i Wikipedia
Christian Louis Ntsay
Ankapobeny
AnaranaChristian Louis Ntsay
Teraka27 martsa 1961
ToeranaAtsiranana( Diègo-suarez)
Fiaviana sy ny andraikitra
Firenena Madagasikara
Asa :Praiministra
Asa hafaMpanao pôlitika

Mpahay toe-karena

Fiainana manokana

I Christian Louis Ntsay dia mpanao pôlitika malagasy izay praiminisitr' i Madagasikara nanomboka tamin' ny taona 2018. Teraka tamin' ny 27 Marsa 1961 izy tao Diego-Suarez.[1] Notendren' ny filoha Hery Rajaonarimampianina izy taorian' ny fialan' i Olivier Mahafaly Solonandrasana noho ny fihetsiketsehana niely manerana ny firenena nataon' ny mpanohitra. Mbla voatendry ho praiminisitra indray izy tamin' ny naha filoham-pirenena an' i Andry Rajoelina. Niasa tao amin' ny Firenena Mikambana izy talohan' ny hiantsoana azy ho praiminisitra.

Nanomboka ny volana septambra 2025, ny governemantan'i Christian Ntsay dia niatrika fihetsiketsehana goavana vokatry ny tsy fahampian-drano sy herinaratra maharitra. Naneho ny valinteniny izy ka nilaza fa toehiriny mafy izany fihetsiketsehana manoloana ny tranga tamin'izany. Ny mpitandro-filaminana eo ambany didiny tamin'izay dia nampiasa ireo heri-pamoretana toy ny : fisamborana tsy ara-dalàna, nampiasa entona mandatsa-dranomaso tsy voafetra ary ny fanaovana herisetra ara-batana amin'ireo mpanao fihetsiketsehana, anisan'izany ireo mpanao gazety izay nanatrika ny zava-misy tény. Ireo hetsika ireo, izay heverin'ny fiombonan'ny Firenena Mikambana ho tsy mifanaraka amin'ny antony, dia nitarika fahavoazana betsaka sy nampiteraka fihorohoroana tao an-drenivohitra sy tany amin'ny tanàna lehibe hafa maro.[2]

Ny filoham-pirenena Malagasy Andry Nirina Rajoelina dia nampitsahatra an'i Christian Ntsay amin'ny asany nanoloana ny fitomboan'ny krizy sy ny tsy fahafahana nifehy ny fahatezeran'ny vahoaka tami'izay fotoana izay.[3] .

Amin'ny maha mahamatianina azy

[hanova | hanova ny fango]

Teo anelanelan'ny taona 1998 sy 2007, dia an'isan' ireo mpanolotsaina nasionaly sy iraisam-pirenena ho amin'ny Fampandrosoana ny Firenena Mikambana izy. Teo ihany koa ny anjara toerany sy ny asany tao amin'ny ny Banky Iraisam-pirenena, ny fitantànana ny Tahirim-bolan'ny Firenena Mikambana amin'ny fampandrosoana ny mponina, ny Vondrona Eoropeana, ary ny Ivotoerana Iraisam-pirenena momba ny Varotra amin'ny ireo sehatra maro isan-karazany toy ny fikarohana sy fanadihadiana ara-tsiantsa, fanomanana tetikasa amin'ny sehatrin'ny fampanànana asa, orinasa, fanomanana ny CCA-UNDAF, eo ihany koa ny varotra iraisam-pirenena ho an'ny Komision'ny ranomasim-be Indiana sy ny Vondrona iraisam-pireena momba ny fampandrosoana ao Afrika Atsimo, tanora, sakafo. Tamin'ny taona 1997 sy 2007 izy dia filoha mpanatanteraka ny Entreprendre any Madagasikara.[4]

Tamin'ny taona 1986 ka hatramin'ny 1992, izy dia talen'ny fitantanana sy ny vola, tale jeneraly lefitra.[5]


Manambady izy ary manan-janaka 2.[6]

  1. ↑ "Membres du Gouvernement". Archived from the original on 2025-04-01. Retrieved 2025-03-22.
  2. ↑ https://2424.mg/news/executif-andry-rajoelina-dissout-le-gouvernement/
  3. ↑ https://2424.mg/news/executif-andry-rajoelina-dissout-le-gouvernement/
  4. ↑ CV Premier Ministre, Chef du Gouvernement, Christian Ntsay sur gasypatriote.com Archived Jiona 12, 2018 at the Wayback Machine.
  5. ↑ CV Premier Ministre, Chef du Gouvernement, Christian Ntsay sur gasypatriote.com Archived Jiona 12, 2018 at the Wayback Machine.
  6. ↑ "Membres du Gouernement". Archived from the original on 2025-04-01. Retrieved 2025-03-22.