Rajaonarimampianina Hery

Avy amin'i Wikipedia
Aller à la navigation Aller à la recherche
Hery Rajaonarimampianina

Rajaonarimampianina Rakotoarimanana Hery Martial, teraka ny 6 Novambra 1958 tany Antsofonondry) dia mpanao pôlitika malagasy ary kandidà amin' ny fifidianana ny filoham-pirenena ny taona 2013. Lany tamin' ny salan'isa 53,41 % izy tamin' ny fihodinana faharoa nanoloana ny kandidà Jean Louis Robinson. Vantany vao lany izy, dia lasa filoham-panjakana lava anarana indrindra maneran-tany satria misy litera 44 ny anarany feno, ary litera 19 anarany fotsiny.

Fiainany manokana[hanova | hanova ny fango]

Teraka ny 6 Novambra 1958 izy tao Antsofonondry ary mponin' i Sabotsy Namehana. Tamin' ny 1982 izy dia nahazo MBA tao amin' ny Établissement d'Enseignement Supérieur de Droit, d'Économie de Gestion et de Sciences Sociales (EESDEGS), tao amin' ny Oniversiten' Antananarivo. Taorian' izay izy dia lasa tao amin' ny Oniversiten' i Trois-Rivières any Québec (Kanada) hanohy ny fianarany.

Niverina tany Madagasikara tamin' ny 1991 i Hery Rajaonarimampianina ary niasa ho mpitana kaonty. Lasa talen' ny INSCAE tao Antananarivo izy ary mpampianatra mpanampy tao amin' ny Oniversiten' Antananarivo ary tao amin' ny IAE ny Oniversiten' i Metz (Frantsa)).

Pôlitika[hanova | hanova ny fango]

Ministry ny teti-bola[hanova | hanova ny fango]

Tamin' ny 2009, dia niantso azy ho eo amin' ny toeran' ny minisitry ny vola sy ny teti-bola ny governemanta tetezamita izay entin' i Andry Rajoelina. Nandritra ny taona nitazonany io minisitera io dia kely ny fiovan-tsandan' ny Ariary ary voafehin' ny minisiterany tsara ny fiakaran' ny vidin' entana mandritra ny krizy pôlitika, krizy ara-toe-karena ary ara-bola nihatra tamin' i Madagasikara nandritra ny fe-potoana 2009-2013.

Filoham-pirenena[hanova | hanova ny fango]

Fifidianana filoham-pirenen' ny Novambra 2013[hanova | hanova ny fango]

Dimy andro nialoha ny fihodinana voalohan' ny fifidianana filoham-pirenena tamin' ny 2013 dia voatolotra ho solon' i Andry Rajoelina sy kandidà roa hafa izay nolavin' i CES i Hery Rajaonarimampianina ary hitondra ny laharana fahatelo. Nanantena izy fa hampiombona ny ankamaroan' ny malagasy amin' ny fifidianana. Faharoa izy tamin' ny valin' ny fihodinana voalohany, ary izy no mitarika ara-bato amin' ny fihodinana faharoa.

Na dia nolazain' ireo mpanohitra azy fa nisy aza ny hala-bato, dia voatonona ho filoha lanin' ny fifidianana filoham-pirenena voalohan' ny Repoblika Fahaefatra izy tamin' ny 17 Janoary 2014. Nandray ny fahefana tamin' ny 25 Janoary izy.

Filoham-pirenena 2014-2018[hanova | hanova ny fango]

Krizy pôlitika ny volana Martsa-Jona 2018[hanova | hanova ny fango]

Fifidianana filoham-pirenen'ny Novambra 2018[hanova | hanova ny fango]

Rohy ivelany[hanova | hanova ny fango]

Tsiahy[hanova | hanova ny fango]

Ireo filoha nifandimby[hanova | hanova ny fango]

Nuvola apps ksig.png
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.