Aller au contenu

Ratsimandrava Richard

Avy amin'i Wikipedia
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.

Ratsimandrava Richard dia miaramila sy mpitondra fanjakana malagasy, teraka tamin' ny 21 Marsa 1931 tao Mangarivotra, Antananarivo ary maty tamin' ny 11 Febroary 1975 tao Antananarivo. Nanampakatra an-dRazafindramoizina Thérèse izy ny 22 Septambra 1956 ary niteraka enina izy ireo. Nitondra an' i Madagasikara nandritra ny enina andro izy, nanomboka tamin' ny 5 ka hatramin' ny 11 Febroary 1975 nahafatesany taorian' ny namonoan' ny "fahavalom-pirenena" azy.

Fianarana nataony

[hanova | hanova ny fango]

Mari-boninahitra azony

[hanova | hanova ny fango]
  • 20 Aogositra 1957: Commémoration AFN
  • 14 Jiona 1966: Chevalier de l'Ordre national
  • 14 Oktobra 1971: Officier de l'Ordre national
  • 31 Desambra 1971: Chevalier de la Légion d'honneur
  • 5 Febroary 1975: Grand Cordon de l'Ordre national

Ny asa sy adidy niandraiketany

[hanova | hanova ny fango]
  • 23 janoary 1975: rava ny Governemantan' ny Jeneraly Ramanantsoa Gabriel
  • 5 febroary 1975: natolotry ny Jeneraly Ramanantsoa azy ny "Fahefana feno" hitondra ny Tany sy ny Fanjakana ka nanekeny fa "tsy hiamboho adidy" izy.

Ny nahafatesany

[hanova | hanova ny fango]

Talata 11 Febroary 1975 tamin' ny 8 ora alina: lavon' ny balan' i Zimbo teo Ambohijatovo ambony Ratsimandrava. Maty voatifitra niaraka taminy ny mpiambina azy GP2 Rabotovao Samuel sy GP2 Rakotoarisoa Bernard

Ireo Mpikambana tao amin'ny Governemantany:

[hanova | hanova ny fango]

Tamin'ny 6 Febroary 1975 no voatsangana ny Governemanta Richard Ratsimandrava. Ireto ny mpikambana nandrafitra azy[1]:

(Avy eo ankavia miankavanana eo amin'ny sary:)

  1. Jean Bemananjara (Transport),
  2. Radio Célestin (Affaires Sociales),
  3. Soja (Développement rural),
  4. Willy Léonard (Économie et Commerce),
  5. Joël Rakotomalala (Postes et Télécommunication),
  6. Gilbert Sambson (Intérieur),
  7. Gilles Andriamahazo ( Ministre d'État)
  8. Richard Ratsimandrava (Chef de l' État, du Gouvernement et Défense Nationale) ,
  9. Zakariasy Albert (Affaires Étrangères)
  10. Venance Modeste (Justice)
  11. Christian Rémi Richard (Éducation Nationale),
  12. Andriamaholison Richard (Information et Tourisme)
  13. Daniel Rajakoba (Travail et Fonction Publique)
  14. Raveloson Mahasampo (Travaux publics)
  15. Désiré Rakotoarijaona(finances)
  16. Jean Pierre Totobesola (Jeunesse).

16 no isan'ny mpikambana (nanantombo isa 6 raha oharina tamin'ny isany Governemanta Ramanantsoa, izay 11), ary 24 ora no nanangannan'i Kolonely Richard Ratsimandrava azy.

Rohy hafa:

[hanova | hanova ny fango]
  1. Lahatsoratra navoakan'i Yvon Namelankafatra Rakoto, tamin'ny 06 Février 2017 tao amin'ny Facebook. [1]