Tsiranana Philibert

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Philibert Tsiranana)
I Philibert Tsiranana
I Philibert Tsiranana

I Tsiranana Philibert dia mpanao pôlitika malagasy, filohan' i Madagasikara voalohany, tamin' ny nahazoan' io firenena io ny fahalevan-tena, tamin' ny 1 Mey 1959[1] hatramin' ny 11 Ôktôbra 1972. Nantsoina hoe Repoblika Malagasy (frantsay: République Malgache) izany repoblika voalohany izany. Izy no mpanorina ny antoko pôlitika Parti Social Démocrate (PSD).

Fiainany manokana[hanova | hanova ny fango]

Teraka tamin' ny taona 1912 tao Ambarikorano, Mandritsara ao amin' ny faritanin' i Mahajanga izy. Nianatra tao amin' ny sekoly ambaratonga voalohany tao Anjiamangirana tao Antsohihy izy. Nanohy ny ambaratonga faharoa fototra tao Analalava tamin' ny taona 1926, ary ny taona 1930 no nidirany tao amin' ny sekoly Le-Myre-de-Vilers; tao no nahazoany ny diplaoma naha-mpampianatra azy tamin' ny faha-roapolo taonany. Rehefa nampianatra nandritra ny 12 taona izy dia nanao fanadinana hiditra tao amin' ny École Normale de Montpellier tamin' ny taona 1946, ka rehefa vita ny 4 taona nianarany tao dia nampianatra tao amin' ny Fampianarana Teknika tao Antananarivo.

Pôlitika[hanova | hanova ny fango]

Lany ho filohan' i Madagasikara mizaka tena[hanova | hanova ny fango]

Tamin' ny fiafaran' ny taompolo 1950 no nanorenan' i Philibert Tsiranana ny antoko pôlitika ny Parti Social Démocrate de Madagascar (PSD), izay amin' ireo antoko pôlitika roa lehibe, ka ny faharoa dia Antokon' ny Kongresin' ny Fahaleovantenan' i Madagasikara (AKFM) izay teo ambany fitarihan' i Richard Andriamanjato. Ny PSD dia mpankasitraka ny fizakan-tenan' i Madagasikara ary nitazona fifandraisana akaiky tamin' i Frantsa.

Tamin' ny 1 Mey 1959 dia nivory ny kôlejin' ny mpifidy vaventy ahitana mpikambana ao amin' ny Antenimiera, mpanolotsainam-paritany ary solontena avy amin' ny kaominina mba hifidy ny filoham-pirenena voalohany. Kandidà efatra no nifaninana. Tamin' ny 1 Jolay 1959 dia nivory ny Antenimieram-pirenena ka nametraka ny fitokisany tamin' i Tsiranana, izay nandresy amin' ny vato 113 amin' ny 114, ho filohan' ny Repoblika Malagasy voalohany mizaka tena.

Filohan' ny Repoblika Malagasy[hanova | hanova ny fango]

Ny filoham-pirenena malagasy Philibert Tsiranana manao sonia miaraka amin' i Michel Debré ny fifanarahana momba ny fahaleovan-tenan' ny Repoblika Malagasy.

Nangataka tamin' ny fomba ôfisialy ny fahaleovanten’ i Madagasikara i Philibert Tsiranana ary natomboka tao Paris ny fifampiraharahana tamin' ny 11 Febroary 1960. Nitarika izany ny minisitry ny Atitany malagasy André Resampa sy ny sekreteram-panjakana frantsay Jean Foyer. Izany no niteraka ny fanaovan-tsonia, tamin' ny 2 Avrily nataon' i Michel Debré sy Philibert Tsiranana, ny fifanarahana roa, ny iray momba ny fahaleovantena sy ny famindram-pahefana, ny iray momba ny fiaraha-miasa (coopération). Nambara am-pahibemaso ny fahaleovantenan' i Madagasikara tamin' ny 26 Jona 1960 teo amin' ny kianjan' i Mahamasina. Nantsoina hoe Repoblika Malagasy ny repoblika voalohay.

Fahalaniana fanindroany ho filohan' ny Repoblika[hanova | hanova ny fango]

Dimy taona taty aoriana, tamin' ny 30 Marsa 1965, dia voafidy fanindroany hitondra ny firenena i Philibert Tsiranana.

Fahalaniana fanintelony sy fionganana[hanova | hanova ny fango]

Tamin' ny 30 Janoary 1972 dia voafidy fanintelony ho filoha izy. Ny mpanohitra ny mpitonda tamin' izany fotoana izany dia nihevitra ny toejavatra ho "saritsarim-pahaleovantena" ihany, satria ny sehatra rehetra dia nakan' ny mpitondra tamin' izany fankatoavana tany amin' ny firenena nanjanaka teo aloha. Ary izay no niteraka ny fanehoam-panoherana tamin' ny taona 1972. Tamin' ny 13 Mey 1972 ny tolon' ny mpianatra teo amin' ny Kianjan' ny Fahaleovantena teo Analakely, izay nitakiana koa ny fanagasiana, ka nahatonga ny fionganan' ny fitondrana Tsiranana.

Famintinana ara-pilaharam-potoana[hanova | hanova ny fango]

  • 2 Janoary 1956: voafidy ho solombavambahoaka tao amin' ny Faritra Andrefana.
  • Mey 1957: voatendry ho ministra; avy teo voatendry ho filoha lefitry ny Mpanolotsain' ny Governemantan' i Madagasikara.
  • Jolay 1958: notendrena ho filohan' ny Mpanolotsain' ny Governemanta.
  • 14 Ôktôbra 1958: nomem-boninahitra ho Filohan' ny Governemanta vonjimaika rehefa nambara ho Repoblika miankin-doha i Madagasikara.
  • 1 Jolay 1959: nivory ny Antenimieram-pirenena ka nametraka ny fitokisany - tamin' ny alalan' ny vato 113 amin' ny mpifidy 114 - tamin' ity zanaka tantsaha avy any Anahidrano, Antsohihy ho Filohan' ny Repoblika Malagasy voalohany.
  • 26 Jona 1960: nahazo ny fahaleovantenany madiodio i Madagasikara.[2]
  • 30 Marsa 1965: voafidy fanindroany hitondra ny firenena i Philibert Tsiranana.
  • 30 Janoary 1972: voafidy fanintelony ho filoha izy.
  • Avrily - Mey 1972: nanomboka nisy korontana, be ny mpanohitra ny fitondrana.
  • 13 Mey 1972: tolon' ny mpianatra teo amin' ny Kianjan' ny Fahaleovantena teo Analakely, ka nahatonga ny fionganan' ny fitondrana Tsiranana.

Valisoa azon' i Philibert Tsiranana[hanova | hanova ny fango]

  • Nomena ny mari-pankasitrahana "Chevalier de l'Étoile d'Anjouan" tamin' ny 1949,
  • 1950: "Chevalier de l'Etoile de la Grande-Comore".
  • 14 Jolay 1954: nahazo ny "Mention Honorable de l'Enseignement".

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Tsiahy[hanova | hanova ny fango]

Ireo filoha nifandimby[hanova | hanova ny fango]