Hankany amin'ny vontoatiny

Mouvement national pour l'indépendance de Madagascar

Avy amin'i Wikipedia

Ny Mouvement national pour l'indépendance de Madagascar na Madagasikara Otronin' ny Malagasy, izay hafohezina amin' ny hoe MONIMA, dia antoko pôlitika malagasy natsangan' i Monja Jaona tamin' ny Jolay 1958, iray amin' ireo mpanentana ny tolom-bahoaka malagasy tamin' ny taona 1947 sady nasiônalista tsy nanaiky lembenana. Ny fandaharan' asany dia ny famongorana ny fanjanahan-tany, ny fanoherana ny imperialisma miaraka amin' ny fironana maôista tamin' ny taona 1960. Teraka avy amin' ny fanoherana mahery vaika ny fizorana mankany amin' ny fahaleovantena ny MONIMA, nirafitra manodidina an' i Monja Jaona ary miorim-paka any amin' ny faritra atsimo. Nitana anjara toerana lehibe tamin' ny hetsiky ny mpanohitra taorian' ny fanjanahantany izy io, sady nanana vina ara-piarahamonina sy fijery nasiônalista miavaka amin' ireo antoko matanjaka.

Firehan-kevitra sy fandaharan' asa

[hanova | hanova ny fango]

Izao ny sori-dalana ara-pôlitikan' ilay antoko: nasiônalisma mahery vaika niala tanteraka amin' ny fifampikasohana amin' ny Frantsay, nampndroso ny sôsialisma (izay matetika antsoina hoe "sôsialisma malagasy"), ny fanomezan-danja ny fokonolona, ny fiarovana ny tantsaha sy ny vahoaka sahirana, ary ny fanoherana ireo sangany an-tanàn-dehibe izay heverina ho tsy miraharaha ny zava-misy iainan' ny vahoaka madinika sy eny ambanivohitra. Nanakiana mafy ny fifanaraham-piaraha-miasa nifanaovan' ny fanjakana malagasy sy ny fanjakana frantsay taorian' ny fahaleovantena, izay noheveriny ho endrika fanjanahantany amin' ny endriny vaovao, ny MONIMA.

Fananganana

[hanova | hanova ny fango]
Monja Jaona

Tamin' ny taona 1958 no niforona ny MONIMA, tamin' ny ankatoky ny fahaleovantenan' i Madagasikara. Niseho izany ho setrin' ny fahaleovantena heverina ho voalanjalanja loatra sy nifampiraharahana amin' ny mpanjanatany frantsay, indrindra izay nataon' ny  mpikambana tao amin' ny hetsika ara-pôlitika nanjaka tamin' izany fotoana izany (toy ny Parti social démocrate).

I Monja Jaona (1910–1994) no tena mpanorina azy, lehilehy nalaza tamin' ny nasiônalisma malagasy. Avy any atsimo any amin' ny faritra Androy izy, mpikatroka nanohitra ny fanjanahantany, ary mpitondra lahateny mahery vaika manohana ny fahaleovantena tena izy. Niantehitra mafy tamin' ny mponina ambanivohitra any atsimo, izay matetika voailikilika ara-pôlitika sy ara-toekarena, ny MONIMA.

Repoblika voalohany: fanoherana sy famoretana

[hanova | hanova ny fango]

Tamin' ny Repoblika voalohany notarihin' i Philibert Tsiranana dia lasa antoko mpanohitra ny MONIMA izay nikarakara hetsi-panoherana, indrindra tany atsimo. Noheverin' ny fitondrana ho mpanakorontana izy io. Mpikambana maro no nosamborina ka nampidirina am-ponja, ary nanaovana fanaraha-maso akaiky ilay antoko. Tamin' ny 1 Avrily 1971, ny MONIMA dia nitarika ny fikomian' ny tantsaha izay niteraka krizy pôlitika goavana teto Madagasikara. Nanana anjara toerana lehibe tamin' izany fahasahiranana izany ny MONIMA izay nitarika ny fionganan' ny filoha Philibert Tsiranana tamin' ny taona 19721. Iray amin' ny mpitarika azy, Charles Ravoajanahary, no natao sesitany tany Nosy Lava tamin' ny 1971 izay tsy niverina ny taona manaraka taorian' ny nionganan' i Tsiranana.

Repoblika faharoa

[hanova | hanova ny fango]

Tamin' ny fitondrana sôialista notarihin' i Didier Ratsiraka, dia tafidiritra amin' ny ampahany tao amin' ny Mandatehezam-Pirenena ho an' ny Fiarovana ny Revolisiona ny MONIMA, ka very ampahany ny maha mpanohitra mahery vaika azy,  na izany aza dia mbola nanohy ny fitondrany ny fihetseham-pon’ny vahoaka any atsimo ilay antoko. Nandritra ny kôngresy natao tamin' ny Novambra 1976 dia nihataka lavitra ny fitondrana ny MONIMA, nitaky ny hampiharana ny safidim-bahoaka sôsialista amin' ny alalan' ny fanadiovana ny fitantanan-draharaha sy ny fandaminana marina ny "Manda Tehezan' ny Revolisiona", araka ny voafaritry ny lalàm-panorenana.

Repoblika fahatelo

[hanova | hanova ny fango]

Taorian' ny tetezamita demôkratika tamin' ny taompolo 1990 dia mbola nijoro ny MONIMA, saingy efa nihena ny heriny. Mbola nahatsiarovana an' i Monja Jaona sy ny nasiônalisma mahary vaika ny fisiany. Mbola nanana fototra any atsimo ilay antoko.

Tamin' ny taona 2007 dia nanangana fiaraha-miasa tamin' ny antoko Tambatra notarihin' i Pety Rakotoniaina sy ny antoko Manaovasoa ny MONIMA tamin' ny anaran' ny hoe TMM. Nanomboka tamin' ity fifidianana tamin' ny taona 2007 ity anefa dia tsy misy solontena ao amin' ny Antenimieram-pirenena eto Madagasikara intsony ny MONIMA.

Repoblika fahefatra

[hanova | hanova ny fango]
Monja Roindefo

I Monja Roindefo, zanak' i Monja Jaona ihany, no filohan' ny antoko MONIMA ankehitriny ary i Gabriel Rabearimanana no sekretera jeneraly. Tamin' ny taona 2013 dia nanomana ny fifidianana ny MONIMA. Ny volana Jolay 2013 no nankalazaina ny faha-55 taonany.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]