Analakely
Analakely dia toerana ao Antananarivo renivohitra, faritra Analamanga ao Madagasikara. Manana ny tantara mampiavaka azy ny toerana.
Famaritana
[hanova | hanova ny fango]ANALAKELY
Ao afovoan'Antananarivo no misy ny Araben'ny Fahaleovantena, fantatra ihany koa amin'ny hoe Analakely, tsenan'Analakely, kianjan'ny 13 May. Ahitana fivarotana sy orinasa ary toerana malaza toy ny lapan'ny tanàna sy ny gara soarano ao Analakely. Manamarika ny andro nahazoan'i Madagasikara fahaleovantena tamin'ny 26 Jona 1960 io toerana io. Io sata io, izay an'ny firenena, dia niteraka zava-nitranga ara-tantara maro manan-danja tao amin'ny fanjakana Malagasy. Saingy mitombo isan-taona ny tantaran'i Analakely, ka mahatonga azy io ho marika sy foibe ara-kolontsaina ho an'Antananarivo, izay misy fiantraikany amin'ny vondrona sosialy miavaka amin'ny vahoaka Malagasy.
Ivon-toerana ho an'ny fampandrosoana an-tanàn-dehibe i Analakely. Mazava ho azy fa foibe ho an'ny hetsika ho an'ny daholobe sy ara-barotra izy io. Ao mihitsy aza no misy ny Lapan'ny Tanàna, ny birao foiben'ny kaominina Antananarivo. Maneho famantarana maro momba ny fampandrosoana i Analakely, na amin'ny alalan'ny tranobe, ara-kolontsaina, ara-piarahamonina, na asa matihanina. Saingy aoka tsy hohadinointsika fa toerana iray ihany koa izay nampiasana endrika isan-karazany amin'ny hetsika ho an'ny daholobe mba hitaomana ny fampiharana ny governemanta.
