Hankany amin'ny vontoatiny

Richard Andriamanjato

Avy amin'i Wikipedia

I Richard Mahitsison Andriamanjato dia pastora sy mpanao pôlitika malagasy, taraka tamin' ny 31 Jolay 1930 tao Mahitsy ary maty tamin' ny 16 Mey 2013 tany Paris.

Tantarany

[hanova | hanova ny fango]

Taompolo 1950-1960

[hanova | hanova ny fango]

Rehefa vita ny fianarana dia lasa mpitandrina i Andriamanjato. Izy koa dia nandray anjara tamin' ny hetsika nasiônalista. Nanomboka tamin' ny taona 1950 ka hatramin' ny 1957 dia nianatra tany Frantsa izy. Tamin' ny taona 1957, nanatrika ny fihaonambe tany Bandung izy ary lasa olo-malaza tamin' ny ankolafy nasiônalista nanohitra an' i Philibert Tsiranana. Izy koa no nandimby ny olo-malaza nasiônalista, ny mpitandrina Ravelojaona, ho mpitandrina ny Tempoly Ambohitantely eto Antananarivo.

Tsy ela dia tafiditra tao amin' ny biraon' ny Fiombonan' ny Fiangonana Protestanta eto Madagasikara (FFPM) i Andriamanjato. Lasa filohan’ ny Council of the Churches of Africa koa izy, mpikambana tao amin' ny World Council of Churches tany Genève ary talen' ny Christian Institute for Peace.

Lasa kômonista resy lahatra koa i Andriamanjato. Tamin' ny taona 1958, nanangana ny Antokon' ny Kongresin' ny Fahaleovantenan' i Madagasikara (AKFM) izy, izay nifandray tamin' ny Parti Communiste Français ("Antoko Kômonista Frantsay") ary nitana ny maha mpanohitra azy nandritra ny folo taona mahery. Tamin' ny taona 1959 izy dia voafidy ho ben' ny tanànan' Antananarivo.

Taompolo 1970-1990

[hanova | hanova ny fango]

Tamin' ny taona 1972 dia nanohana an' i Didier Ratsiraka i Andriamanjato, ary tamin' ny 1976 dia nitarika ny AKFM tao amin' ny Mandatehezam-Pirenena Miaro ny Revolisiona (Front Nationale pour la Défense de la Révolution - FNDR), izay fiaraha-mitantana ny governemanta. Mpanohana an' i Albert Zafy izy taty aoriana ka nisaraka tamin-dRatsiraka sy ny AKFM tamin’ ny taona 1989 ary nanangana ny Antokon' ny Kongresin' ny Fahaleovantenan' i Madagasikara – Fanavaozana (na AKFM-Fanavaozana).

Taompolo 2000-2020

[hanova | hanova ny fango]

Tamin' ny taona 1991 ka hatramin' ny 1993 dia izy no filohan' ny Komitin' ny Tetezamita misahana ny fanarenana ara-toekarena sy sôsialy niaraka tamin' i Manandafy Rakotonirina; hatramin' ny taona 1998. Nijoro ho an' ny antokony izy tamin' ny fifidianana filoham-pirenena tamin' ny Novambra 1996 ary nahazo ny laharana fahadimy, nahazo ny 4,94 % amin' ny vato manan-kery.

Nanomboka ny tapaky ny taona 1990 dia niala tamin' ny fanaovana pôlitika i Andriamanjato. Ny zanany, Ny Hasina Andriamanjato, dia mpanao pôlitika ihany koa.

Nodimandry teny an-dalana ho any Paris ny 16 Mey 2013 i Richard Andriamanjato ary tamin' ny 23 Mey 2013 no naverina teto Madagasikara ny vata-mangatsiakany.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]