Manandafy Rakotonirina

Avy amin'i Wikipedia

I Manandafy Rakotonirina dia mpanao pôlitika malagasy, nanana ny maha izy azy teo amin' ny fanaovana pôlitika teto Madagasikara nanomboka tamin' ny taona 1970, ary tamin' ny volana Avrily 2009 no notendren' ny filoha voaongana Marc Ravalomanana ho praiminisitra. Teraka tamin' ny 30 Oktobra 1938 izy ary maty tamin' ny 15 Martsa 2019

Tapany voalohany amin' ny fiainany[hanova | hanova ny fango]

Teraka tao Fandriana, ao amin' ny faritra Amoron' i Mania ankehitriny i Manandafy Rakotonirina, nianatra tao amin' ny sekoly ambaratonga voalohany sy faharoa tany Ambositra sy Antsirabe ary nianatra tao amin' ny Oniversiten' Antananarivo. Lasa mpanampy tao amin' ny Ecole Nationale Supérieure d'Agronomie izy avy eo ary profesora momba ny sôsiôlôjia. Amin' ny maha sôsialista resy lahatra azy, dia niditra tao amin' ny antoko Mouvement National pour l'Indépendance de Madagascar (MONIMA) notarihin' i Monja Jaona, izy, izay nitaky ny fandraisan' anjaran' ny sarangan' ny mpiasa tao Antananarivo.

Fanaovana pôlitika[hanova | hanova ny fango]

I Manandafy Rakotonirina dia nanohana ny fikomiana malaza tamin' ny taona 1971, ary tamin' ny Avrily 1971 dia nosamborina izy. Izy no nanampy tamin' ny fandaminana ny fihetsiketsehana tamin' ny volana Mey 1972 hanoherana ny filoha Philibert Tsiranana. Tamin' ny 27 Desambra 1972 no nananganany ny anroko Mpitolona ho an' ny Fandrosoan' i Madagasikara (MFM) niaraka tamin-dRakotonirainy Germain. Tamin' ny volana May 1973 dia nosamborina indray izy tamin' ny fankalazana fahatsiarovana ny andron' ny May 1972.

Na dia tsy nanohitra mafy ny fitondran' i Didier Ratsiraka aza ny MFM tamin' ny fitondrana tamin' ny 1975, dia noravan-dRatsiraka ny antoko tamin' ny volana Septambra 1976 ary nampidirina am-ponja vonjimaika i Manandafy Rakotonirina, izay naharitra hatramin' ny Janoary 1977. Taorian' izany dia nanaiky ny hanavao ny antokony izy, ao anatin' ny fiaraha-mitantana atao hoe Mandatehezam-Pirenena ho an' ny Fiarova ny Revolisiona (Front National pour la Défense de la Révolision - FNDR); lasa mpikambana tao amin' ny Filankevitra Ambonin' ny Revolisiona (Conseil Supérieur de la Révolution - CSR) izy ary nankinina taminy Vaomiera misahana ny toekarena.

Nifaninana tamin' ny fifidianana filoham-pirenena tamin' ny Marsa 1989 i Rakotonirina, ka nahazo vato latsaky ny 20 % ary nahazo ny laharana faharoa, taorian-dRatsiraka. Tamin' ny faramparan' ny taona 1991 ka hatramin' ny 1993, izy no filoha mpiara-miombon' antoka tamin' ny Komitin' ny tetezamita misahana ny fanarenana ara-toekarena sy sôsialy niaraka amin' i Richard Andriamanjato. Kandidà tamin' ny fifidianana filoham-pirenena tamin' ny Novambra 1992 i Rakotonirina, ka nahazo ny laharana fahatelo tamin' ny vato 10,2 %, taorian’ i Albert Zafy sy Ratsiraka. Voafidy tao amin' ny Antenimierampirenena ho solom-bavam-bahoaka tao Manandriana izy tamin' ny fifidianana natao tamin' ny taona 1993, niasa hatramin' ny taona 1998. Kandidà ho praiminisitra tao amin' ny Antenimieram-pirenena tamin' ny 9 Agositra 1993, saingy nahazo ny laharana fahatelo, nahazo vato 32 raha 55 ny an' ny mpandresy, Francisque Ravony, ary 46 ny an' i Roger Ralison (izy roa ireo dia samy avy amin' ny Hery Velona mpanohana an' i Zafy Albert).

Niroso tamin' ny liberalisma ny antokon-dRakotonirina. Nanohy nitarika ny antoko izy. Tamin' ny taona 2001 dia nandray anjara lehibe tamin' ny fandresen-dahatra an' i Marc Ravalomanana ny tenany mba hitaky ny fahazoany ny vato be indrindra tamin' ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana voalohany sy ny tsy tokony handraisana anjara amin' ny fifidianana fihodinana faharoa. Ny paikadiny amin' ny fidinana an-dalambe dia hita fa nahomby tamin' ny farany; lasa filoham-pirenena Ravalomanana, fa izy kosa mpanolotsaina manokan' ny filoha.

Taty aoriana dia nijoro nifaninana tamin-dRavalomanana tamin' ny fifidianana filoham-pirenena tamin' ny volana Desambra 2006 i Manandafy Rakotonirina. Tamin' ny fifidianana dia tsy nahazo afa-tsy 0,33 % tamin' ny vato izy rehefa tojo fahasahiranana tamin' ny fizarana vato ho an' ny biraom-pifidianana. Rehefa voasakana tsy hitondra taratasin-datsa-bato eny amin' ny biraom-pifidianana izy tamin' ny andron' ny fifidianana dia tsy nety nandatsa-bato izy ary nitaky ny hamerenana ny fifidianana indray.

Nandritra ny fahasahiranana tamin' ny taona 2009[hanova | hanova ny fango]

Voatery niala teo amin' ny toerany ny filoha Ravalomanana noho ny fihetsiketsehan' ny vahoaka notarihin' i Andry Rajoelina sy ny fitsabahan' ny miaramila tamin' ny mraaraha pôlitika tamin' ny volan Marsa 2009. Na izany aza anefa dia nanizingizina izy fa filoha ara-dalàna, ary tamin' ny 16 Avrily 2009 dia nanambara avy tany an-tsesitany (Afrika Atsimo) fa manendry an' i Manandafy Rakotonirina ho praiminisitra. Nanao izany fanambaràna izany tamin' ny alalan' ny antso an-telefaonina nandritra ny famoriam-bahoaka nataon' ny mpomba azy tao Antananarivo, niaraka tamin-dRakotonirina i Ravalomanana Nanomboka niasa tao amin' ny hôtely Carlton ao Antananarivo i Manandafy Rakotonirina taorian' izay, ary nanendry minisitra hisahana ny andraikitry ny governemanta izy tamin' ny 28 Avrily; dia nanendry ny tenany ho tompon' andraikitra amin' ny fiarovana ny firenena. Niditra an-keriny tao amin' ny Carlton ny miaramila izay nitondra didy fampisamborana an-dRakotonirina ary nisambotra azy tamin' ny 29 Avrily; Hitan' izy ireo niafina tao amin' ny efitra fandroana izy rehefa avy nikaroka nandritra ny adiny iray teo ho eo. Ny mpitondra tenin-dRajoelina dia nilaza an-dRakotonirina ho mpikomy nampiasa herisetra.

Nampidirina am-ponja vonjimaika i Manandafy Rakotonirina ary notsaraina noho ny fiampangana samihafa, anisan' izany ny fandrisihana korontana sy fisandohana asam-panjakana. Nafahana anefa izy mba hahafahany mandray anjara amin' ny fifampidinihana teo amin' ny ankolafy pôlitika malagasy izay natao tany Maputo tamin' ny taona 2009 ary nikendry ny hisian' ny fifanarahana ara-pôlitika hamahana ny krizy. Taorian' izay, tamin' ny 22 Septambra 2009 dia nahazo sazy mihantona roa taona i Manandafy Rakotonirina.

Maty tamin' ny 15 Masa 2019 i Manandafy Rakotonirina.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]