Mahafaly Solonandrasana Olivier
Mahafaly Solonandrasana Olivier[1], teraka tamin' ny 21 Jona 1964 tao Nosy-Be Madagasikara. Izy no olo anga Malagasy ka voatendry ho lehiben' ny governemanta na ny praiminisitra tamin' ny 10 Aprily 2016. Izy no praiminisitra fahatelo tamin' ny Repoblika fahefatra, i Jean Ravelonarivo no praiminisitra nosoloiny. [2].
Tantarany manokana
[hanova | hanova ny fango]Fianarany
[hanova | hanova ny fango]Nahazo diplôma bakalôreà sokajy D izy tamin' ny taona 1983, ary nanohy ny fianarany tany amin' ny Oniversite Toliara ka nahazo ny mari-pahaizana lisansa ny taona 1989 ary ny maitriza ny taona 1993 tamin' ny taranja filôzôfia. Ny taona 1995, dia nahazo mari-pankasitrahana lefitra ami'ny serasera tao Parisy any Frantsa izy, tamin' ny taona 1999, dia nahazo diplôma tao amin' ny sekoly fiofanana mpiasa mpanjakana ambony ENAM izy.
Traikefa pôlitika
[hanova | hanova ny fango]Nanomboka tamin' ny 18 Aprily 2014, dia voatendry ho minisitra ny fitsinjaram-pahefana na ny "Décentralisation" tao amin' ny governemanta an' i Jean Ravelonarivo. Ny faha 10 Aprily 2016, dia izy no voasafidy ho praiminisitra malagasy na ny lehiben' ny governemanta izay eo ambany fiadidin' ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina.
Tsiahy
[hanova | hanova ny fango]
|