Mialy Rajoelina

Avy amin'i Wikipedia
I Mialy Rajoelina miaraka amin' ny filoha vadiny

I Mialy Razakandisa Rajoelina (teraka ny 29 Mey 1977 tao Antsirabe) dia vehivavy malagasy vadin' i Andry Rajoelina, filohan' ny Repoblikan' i Madagasikara nanomboka tamin' ny taona 2019. Teraka tao Antananarivo i Mialy, nipoitra avy amina fianakaviana somary manana ihany. Ny reniny, i Nicole Razakandisa, izay mpino ao amin' ny Fiangonan' i Jesoa Kristy eto Madagasikara (FJKM), mpahay simia, tompon' ny orinasa mpamokatra simika, dia maty tamin' ny taona 20121.

Rehefa nahazo ny bakalôrea izy dia nankany Paris mba hanohy fianarana ambony ao amin' ny Conservatoire national des arts et métiers. Niverina teto Madagasikara izy tamin' ny taona 2000, ary nanatanteraka ny fanambadiany tamin' io taona io ihany. Samy niasa amin' ny fampisehoana dokambarotra izy mivady.

Niara-niasa tamin' ny vadiny tamin' ny fanaovana pôlitika i Mialy ka lasa Vehivavy voalohan' i Madagasikara nanomboka tamin' ny taona 2009 nanonganana an' i Marc Ravalomanana, izany hoe fony ny vadiny no filohan' ny Fahefana Avon' ny Tetezamita, ka hatramin' ny 2014 nandraisan' i Hery Rajaonarimampianina ny fitondrana, sy nanomboka tamin' ny 18 Janoary 2019 indray, izay daty nidiran' ny vadiny voafidy ho filohan' ny Repoblika taorin' ny fahaliana ho filoha.

Izy no mpitondra teny sady filohan' ny fikambanana mpanao asa soa "Fitia". Niaro volavolan-dalàna manohitra ny herisetra mifototra amin' ny maha lahy sy maha vavy i Mialy Rajoelina.