Robinson Jean-Louis
| Jean-Louis Robinson | ||
| Ankapobeny | ||
| Anarana | Jean-Louis Robinson | |
| Teraka | 22 Martsa 1952 | |
| Toerana | - | |
| Fiaviana sy ny andraikitra | ||
| Firenena | Madagasikara | |
| Asa : | ||
| Fiainana manokana | ||
Jean-Louis Robinson, teraka tamin'ny 1952 tao Ampasikely, dia mpanao politika malagasy.
Tamin'ny governemantan'i Ravalomanana izy dia minisitry ny fanatanjahan-tena, ny fahasalamana, ny fandrindram-piterahana, ny fiarovana ara-tsôsialy (2004-2008) ary minisitry ny kolontsaina.
Kandidà ny antoko AVANA amin'ny fifidianana filoham-pirenena malagasin'ny taona 2013 ary lohalaharana tamin'ny fihodinana voalohany.
Ny mombamomba azy
[hanova | hanova ny fango]Teraka tao Ampasikely tamin'ny 1952 i Jean-Louis Robinson.
Fianarana nataony
[hanova | hanova ny fango]Nianatra tao amin'ny ESSCA Antanimena ary nahazo ny bakalaorea Siansa ara-traikefa tamin'ny 1970[1], nianatra tao amin'ny Oniversiten' Antananarivo izy ary nivoaka ho dokotera tamin'ny 1980.[1]
Asa
[hanova | hanova ny fango]Tamin'ny taona 1994, filohan'ny Filan-kevitry ny Dokotera Nasionaly izy, ny taona 1998, dokotera voamarina eo ambanin'ny rafitra Firenena Mikambana eto Madagasikara izy, ny taona 2000:manam-pahaizana momba ny fitsaboana amin'ny fitsarana any Madagasikara izy, ny taona 2004 :voatendry ho Minisitry ny fahasalamana, ny drafitra fianakaviana ary ny fiarovana ara-tsosialy izy, 2007: depiote Alaotra mangoro, 2008 : filohan’ny komity ara-teknika tamin’ny fivoriana faha-60 eran-tany nataon’ny Fikambanana Iraisam-pirenena Misahana ny Fahasalamana no sady Monisitry ny tanora sy ny fanatanjahantena.[1]
Tamin'ny taona 2013, nirotsaka ho fidiana ho filoham-pirenena nilahatra niaraka tamin'ny Rajaonarimampianina Hery izy.[2]
