Edgard Razafindravahy

Avy amin'i Wikipedia

Razafindravahy Edgard Marie Noé dia mpandraharaha sy mpanao pôlitika malagasy. Teraka tamin' ny 25 Jona 1961 tao Antsirabe (faritra Vakinankaratra) izy. Izy no filohan' ny delegasiôna manokan' ny kaominina an-drenivohitr' Antananarivo tamin' ny taona 2009 hatramin' ny taona 2013. Izy no mpanorina sady mpitarika ny antoko "Arche de la Nation" na "Antoka sy Dinan' ny Nosy" (ADN) niforona tamin' ny volana Jolay 2015.