Ravintsara
Fiseho
Ny ravintsara dia zavamaniry isan-karazany ao amin' ny fanakaviana Lauraceae sy Rutaceae, dia ireto avy izany:
- Camphora officinarum na Cinnamomum camphora (Lauraceae): ity ilay fantatra indrindra amin' io anarana hoe ravintsara io;
- Cinnamomum verum na Cinnamomum zeylanicum (Lauraceae): hazo kanelina no tena ahafantarana azy;
- Cryptocarya agathophylla na Ravensara aromatica na Ravensara anisata na (Lauraceae) izay atao hoe avozo, havozo na havozomangidy, havozomanitra, hazomanga, hazomangalahy, hazomanitra, laposinty, tavolomanitra, na voaravintsara;
- Cryptocarya litoralis na Ravensara acuminata (Lauraceae) izay atao hoe tavololavaravina, tavolopina na tavolorano;
- Vepris unifoliolata na Teclea punctata (Rutaceae), izay atao hoe ampoly, apolibe, na apoly.