Fandaharan' Asa maneran-Tany momba ny Sakafo

Avy amin'i Wikipedia
Sary famantarana ny PAM

Ny Fandaharan' Asa maneran-Tany momba ny Sakafo dia fikambana misahana ny fanampiana ara-tsakafo an' ny Firenena Mikambana sy ny Fikambanana maneran-Tany momba ny Sakafo sy ny Fambolena (FAO). Izy no masoivoho lehibe indrindra misahana ny maha-olona izay miady amin' ny hanoanana maneran-tany amin' ny alalan' ny fanomezana fanampiana ara-tsakafo raha misy vonjy taitra sady miara-miasa amin' ireo vondrom-piarahamonina mba hanatsarana ny sakafony sy hanamafisana ny fahatoherany. Amin' ny teny anglisy izy dia atao hoe World Food Programme (WFP) ary Programme alimentaire mondial (PAM) amin' ny teny frantsay, izay tena ahafantaran' ny Malagasy azy. Isan-taona dia manampy olona 80 tapitrisa any amin' ny firenena 80 eo ho eo ny PAM. Nomena ny PAM ny "Loka Nobel ho an' ny Fandriampahalemana" 2020 noho ny ezaka nataony tamin' ny ady amin' ny hanoanana any amin' ny faritra isan-karazany tratran' ny ady manerana izao tontolo izao. Ny foibeny dia any Rôma (Italia).