Michèle Ratsivalaka

Avy amin'i Wikipedia

I Michèle Ratsivalaka dia vehivavy mpanao pôlitika, lefitry ny ben' ny tanànan' Antananarivo, izay notendren' i Andry Rajoelina teo anatrehan' ny mpanao fihetsiketsehana, ho mpisolo toerana azy, nandritra ny krizy ara-pôlitika teto Madagasikata tamin' ny taona 2009. I Andry Rajoelina kosa tamin' izay, nandritra ny fifanandrenany tamin' ny filoham-pirenena Marc Ravalomanana, dia nanendry tena ho filoha hitantana ny tetezamita teto Madagasikara, rehefa avy nesorin' ny fitondram-panjakana tsy ho ben' ny tanànan' Antananarivo intsony fa hosoloana an' i Guy Rivo Randrianarisoa izay hitarika ny delegasiôna manokana hitantana ny tanànan' Antananarivo, izay tsy neken' i Andry Rajoelina.