Katedralin' Andohalo

Avy amin'i Wikipedia
Katedralin' Andohalo

Ny Katedralin' Andohalo dia katedraly katôlika ao Antananarivo. Ao amin' ny vakin-tanànan' Andohalo ao amin' ny tanàna ambony no misy azy. Ity katedraly ity no foiben' ny Arsidiôsezin' Antananarivo. Izy io dia natokana ho an' ny Fahatorontoronina Tsy Azon-Keloka, ka izay no mahatonga ny anarany amin' ny teny frantsay hoe Cathédrale de l'Immaculée-Conception d'Antananarivo.

Nanomboka tamin' ny 8 May 1873 ny fanorenena io katedraly io, izay natao teo amin' ny toerana nisy lasapely tsotsotra, araka ny drafitra nataon' i Alphonse Taïx (1825-1921), pretra zezoita avy any Bédarieux (Frantsa). Vita tamin' ny 17 Desambra 1890 izy io, ary nambara ho "tsangambato ara-tantara voasokajy" tamin' ny Janoary 1964.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]