Fahatorontoronina tsy azon-keloka

Avy amin'i Wikipedia
Ny Fahatorontoronana tsy azon-keloka, sary nataon' i Pierre Paul Rubens ao amin'ny mozean' i Prado.

Ny Fahatorontoronina tsy azon-keloka dia ny fahatorontoronina an' i Maria Virjiny "tsy voaloto", izany hoe tsy azon' ny fahotana tamin' ny fototra. Izany dia tenim-pinoan' ny Fiangonana katôlika izay nambaran' ny papa Pio IX tamin' ny 8 Desambra 1854 tamin' ny alalan' ny taratasin' ny papa Ineffabilis Deus, nefa izany finoana izany dia efa nisy tao amin' ny Aban' ny Eglizy sasany tamin' ny taonjato faha-4. Tsy afangaro amin' ny fiteraham-birijiny an' i Jesoa Kristy anefa izany, izany hoe amin' ny tenim-pinoan' ny fahatongavana ho nofo. Ankalazain' ny Katôlika isaky ny 8 Desambra ny Fahatorontoronina tsy azon-keloka.

Ny fiangonana ôrtôdôksa dia mankalaza ny fetin' ny Fahatorontotonina an' i Maria ka miantso an' i Maria ho "Ilay Tsy azon-keloka", nefa tsy manaiky ny tenim-pinoan' ny Fahatorontoronana tsy azon-keloka. Ny Prôtestanta koa sy ny fiangonana kristiana hafa dia manao izany ho teôlegomena.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]