Banque Nationale de l'Industrie

Avy amin'i Wikipedia
BNI Madagascar tamin' ny taona 2006-2014

Ny BNI Madagascar dia banky miorina eto Madagasikara. Ny hoe BNI dia fanafohezana ny hoe Banque nationale de l'industrie na Banky Nasionalin' ny Indostria. Manana masoivoho 100 miparitaka manerana an' i Madagasikara ny BNI ary manana 23 % amin' ny tsenan' ny banky eto Madagasikara.

Tantara[hanova | hanova ny fango]

Faha fanjanahan-tany[hanova | hanova ny fango]

Tamin' ny namoronana azy dia io banky io no rafitra ara-bola voalohany teto Madagasikara. Natsangan' ny Crédit foncier d'Algérie et de Tunisie sy ny Compagnie Lyonnaise de Madagascar ary ny Compagnie des messageries maritimes izy tamin' ny anarana hoe Crédit foncier de Madagascar, nandritra ny fanjanahan-tany frantsay tamin' ny taona 1919.

Tamin' ny taona 1941 dia lasa Crédit Foncier de Madagascar et de la Réunion ny Crédit Foncier de Madagascar taorian' ny fandraisan' ny Banque Nationale pour le Commerce et l'Industrie an' io banky io. Tamin' ny taona 1954 dia lasa BNCI-OI izy.

Hatramin' ny taona 1960[hanova | hanova ny fango]

An' ny fanjakana malagasy ny ny BCIM nanomboka tamin' ny taona 1960. Tamin' ny taona 1974 dia lasa Banque pour le commerce et l'industrie de Madagascar sady nanangana drafi-pampandrosoana tamin' ny taona 1977. Nitondra ny anarana hoe Banque nationale de l'industrie (BNI) tamin' ny taona 1990 ary tamin' ny taona nanaraka dia lasa orinasa tsy miankina, ka ny 51 % amin' ny anjarany dia namidy tamin' ny Crédit Lyonnais.

Taorian' ny fandraisan' ny Crédit Agricole an' ity farany tamin' ny taona 2006 no nisehoan' ny BNI miaraka amin' ny lokon' ny "Banky Maitso". Tamin' ny taona 2014, ny 51 % an' ny Crédit Agricole dia novidin' ny vondrona roa voalohany aty amin' ny Ranomasimbe Indiana, dia ny vondrona maorisianina Ciel sy ny vondrona malagasy Axian. Tamin' ny taona 2009 dia nanangana drafi-pampandrosoana faharoa ireo fikambanana roa ireo.

Natsangana tamin' ny taona nanaraka ny ivon-toeram-pandraharahana, toy ny Espace Zénith ao Antananarivo. Tamin' ny taona 2018 no notokanan' ny BNI ny masoivoho maitso voalohany ao Mahajanga (miasa 100 % amin' ny alalan' ny herin’ ny masoandro).

Tamin' ny taona 2019 ny BNI dia namorona ny KRED, famatsiam-bola madinika nomerika feno voalohany natokana ho an' ny orinasa madinika sy salantsalany sy orinasa farany izay madinika aty Afrika. Tanjona amin' izany ny hampiroboroboana ny fandraharahana eto Madagasikara sy hanamafisana ny sehatra ara-toekarena izay mbola tsy voatrandraka amin' ny famoronana asa.

Mba hanohanana ny orinasa tsy miankina nandritra ny fahasahiranana ara-toekarena eran-tany vokatry ny valan' aretina coronavirus, ny BNI dia nanolotra fampisamboram-bola fanohanana azo averina ao anatin' ny 24 volana, nandritra ny fivoriana tao amin' ny Antenimieran' ny Varotra sy ny Indostria eto an-drenivohitra tamin' ny Jona 2020.

Fiaraha-miombona antoka[hanova | hanova ny fango]

Efa hatramin' ny fiandohan' ny taona 2000 ny BNI NO mpiara-miombon' antoka amin' ny fomba ôfisialy amin' ny seho sy foara maro tontosaina ao Antananarivo. Anian' izany, ohatra, ny Salon du chocolat, ny la Foire Internationale de Madagascar, ary ny Asia Enjoy. Toy ny orinasa Telma rahavaviny dia anisan' ny mpanohana ôfisialy ny ekipan' ny baolina kitran' i Madagasikara ny BNI.