Bernard Cazeneuve

Avy amin'i Wikipedia
Bernard Cazeneuve

I Bernard Cazeneuve dia mpanao pôlitika frantsay teraka tamin' ny 2 Jona 1963 tao Senlis (Oise). Mpikambana ao amin' ny Parti sosialiste hatramin' ny 1987 ka hatramin' ny 2022 izy. Praiminisitra izy hatramin' ny 6 Desambra 2016 ka hatramin' ny 15 Mey 2017.

Solombavambahoaka avy amin' ny antoko Manche izy eo anelanelan' ny taona 1997 sy 2017, ben' ny tanàn' i Octeville teo anelanelan' ny aona 1995 sy 2000 avy eo ben' ny tanàn' i Cherbourg-Octeville hatramin' ny 2001 ka hatramin' ny 2012, ary filohan' ny Vondron-tanànan' i Cherbourg hatramin' ny 2008 ka hatramin' ny 2012.

Tamin' ny taona 2012 dia voatendry ho minisitra delegen' ny Raharaha Eorôpeana tao amin' ny governemanta Ayrault izy. Ny taona manaraka dia lasa minisitra delege momba ny Tetibola izy, taorian' ny fialan' i Jérôme Cahuzac. Minisitry ny Atitany tao amin' ny governemanta Valls I sy II (2014-2016) izy, miatrika onjam-pampihorohoroana islamista tsy mbola nisy toy izany izy.

Tamin' ny faran' ny taona 2016 dia nisolo toerana an' i Manuel Valls izy, izay nametra-pialana mba hirotsaka hofidina ho kandidà ao amin' ny antoko misy azy mba ho praiminisitra. Nandray ny toerany ao anatin' ny tontolon' ny fampielezan-kevitra amin' ny fifidianana filoham-pirenena tamin' ny taona 2017 izy ary tsy maintsy miatrika hetsika ara-tsôsialy manokana tany Guyane. Nametra-pialana izy taorian' ny fifidianana, izay nandresen' i Emmanuel Macron, ary niditra tao amin' ny kabinetran' ny mpisolovava August Debouzy ho mpiara-miombon'antoka. Nandany dimy volana tao Matignon izy ka azo lazaina fa lehiben' ny governemanta tsy naharitra tao amin' ny Repoblika fahadimy frantsay.

Tamin' ny taona 2022, noho ny tsy fitovian-kevitra tamin' ny fifanarahana nifanaovan' ny PS sy La France insoumise tamin' ny fifidianana mpanao lalàna, dia nandao ny Parti sosialiste izy. Nanomboka ny hetsika vaovao, "La Convention", ny fiandohan' ny taona manaraka.